WFTW Body: 

Salamo 50 - Misy teny fampanantenana mahafinaritra anankiray hita ao amin'ny Salamo 50:23, ho an'ireo olona izay tsy mampiasa ny lelany hifosafosana fa kosa hiderana ny Tompo : « Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy, ary amin'izany dia manamboatra lalana izy hanehoako aminy ny famonjeko » (ara-bakiteny). Rehefa midera ny Tompo isika dia asehontsika amin'izany ny finoantsika ny maha-masimandidy an'Andriamanitra ary izany fanehoam-pinoana izany no ahafahany maneho ny famonjeny amintsika.

Ny Salamo:65:1 (Baiboly KJV) dia milaza hoe « Tompo ô, miandry Anao ny fiderana any Ziona (any am-piangonana) ». Ny fiangonantsika dia tokony ho toerana tsy tapaka fiderana miandry an'Andriamanitra. Rehefa tonga eo afovoantsika Andriamanitra, dia tokony hahita fiderana miandry Azy eo Izy. Ampanatonin'Andriamanitra Azy ny olona manao izany. Izao no lazain'nySalamo 65:4 « Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao ». Dia mitohy ihany ny Salamo miresaka momba ny fahatsaran'Andriamanitra amin'ny ety an-tany.

Ny Salamo 100 dia fanasana ny olona hidera an'Andriamanitra sy hanompo Azy. Isika dia tsy maintsy « manompo an'i Jehovah amin'ny fifaliana » ( Salamo 100:2). Efa nihaona tamin'ny olona milaza tena ho mpanompon'Andriamanitra aho, kanefa misy zavatra na misy olona mampitaraina azy foana isaky ny mihetsika. Tsy tian'Andriamanitra hanompo Azy akory ny olona toy izany izay tsy manompo Azy amin'ny fifaliana.

Ny Salamo 106 dia mbola manohy mitantara ny fahatsaran'Andriamanitra tamin'ny Isiraely. Ao amin'ny Salamo 106 : 11,12 dia izao no vakiantsika « Rehefa nosaronan'ny rano ny rafiny, ka tsy nisy niangana, dia nino ny teniny izy ka nihira ny fiderana Azy ». Zavatra anankiroa no hitantsika eto. Voalohany, ny porofon'ny finoana dia ny fiderana. Avy amin'ny haben'ny ao am-po, no itenenan'ny vava. Rehefa diso feno ny ao am-po dia miraraka mivoaka any amin'ny vava. Raha finoana no ao am-pontsika, dia hiraraka avy ao ny fiderana. Rehefa nofenoina ny Fanahy Masina ny apostoly, dia nanomboka nidera an'Andriamanitra izy ireo ( Asa 2). Raha toa isika ka tsy midera an'Andriamanitra, dia manaporofo izany fa tsy manam-pinoana isika. Faharoa, tao ambanin'ny fanekena taloha dia niaina tamin'ny fahitana ny olona fa tsy niaina tamin'ny finoana. Tsy nahay nidera an'Andriamanitra izy ireo raha tsy efa nahita ny fahavalony safotry ny rano. Ankehitriny, afaka midera an'Andriamanitra isika, na dia mbola tsy resy aza ny fahavalontsika. Izany no atao hoe mandeha amin'ny finoana fa tsy mandeha amin'ny fahitana.

Ny Salamo 149 dia manasa antsika hidera ny Tompo mandrakariva. « Ravahany famonjena ny mpandefitra » (Salamo 149:4). Raha tianao handravaka anao ny Tompo dia tsy maintsy manetry tena ianao. Isika dia nantsoina hihoby an'Andriamanitra na dia eo am-pandriana aza. ary natao hisy fanandratana an'Andriamanitra foana eo am-bavantsika ary ny Tenin'Andriamanitra ho eo an-tanantsika mba hamatorantsika ny herin'i Satana sy ny asany mbamin'ireo demoniany (Salamo 149:5-8). Miaraka foana ny fiderana an'Andriamanitra sy ny famatorana ny herin'i Satana.

Salamo 150 : In-telo ambininfolo no amakiantsika ny teny hoe «midera sy haleloia» ao amin'io Salamo io izay mifarana amin'ny hoe «Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah » ( Salamo 150:6). Karazan'olona anankiray ihany no tsy voatery hidera an'Andriamanitra, dia ireo izay tsy manam-pofonaina, ny olona maty. Ny sisa rehetra dia tokony tsy hitsahatra hidera ny Tompo mandrakariva. Enga anie ho tanteraka eo amin'ny fiainantsika izany. Amena.