WFTW Body: 

" Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no marina" (Romana 12:2).

" Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny mpanompony (Jesosy Tompo) ? Raha mandeha amin'ny maizina izany olona izany, fa tsy manana tara-pahazavana, aoka izy hatoky ny Tompo ary aoka izy hiankina amin'Andriamaniny" (Isaia 50:10 - Baiboly Living).

Tao ambanin'ny fanekena taloha dia tamin'ny alalan'ny feo avy tany an-danitra matetika no nampahafantaran'Andriamanitra ny sitrapony tamin'ny mpanompony. Fa ao amin'ny fanekena vaovao kosa, dia ataon'Andriamanitra izay hanoroana lalana antsika amin'ny alalan'ny fanambarana anaty izay ambaran'ny Fanahy masina ao am-pontsika. Izany fandehanana araka ny finoana izany dia ambony lavitra noho ny fandehanana araka ny fahitana tao amin'ny fanekena taloha.

Noho izany, rehefa maniry hahalala ny sitrapon'Andriamanitra mikasika ny raharaha anankiray isika ohatra, dia mety ho very hevitra indraindray. Avelan'Andriamanitra hitranga izany mba hampahatanjaka ny finoantsika. Tian'Andriamanitra isika hidodododo hanakaiky Azy kokoa mba hamantarantsika Azy bebe kokoa. Ny fotoanan'ny fahaverezan-kevitra tahaka ireny koa dia ampiasain'Andriamanitra mba hanivanany izay antony manosika antsika hanao zavatra. Tsy tokony ho gaga na ho kivy isika noho izany raha sendra fahaverezan-kevitra. Na dia ny Apostoly Paoly aza matetika dia very hevitra, nefa tsy kivy izy, tsy namoy fo (2 Korintiana 4:8).

Indraindray Andriamanitra dia tsy hampiseho ny sitrapony amintsika raha tsy efa akaiky kely ny fotoana handraisantsika fanapahan-kevitra, ary mety hampiandrasin'Andriamanitra elabe isika mialohan'izay.

Na ho inona na ho inona anefa dia dingana anankiray ihany no atoron'Andriamanitra antsika isak'izay mandeha. Entiny mandeha tsikelikely isika satria tiany hiankina Aminy isan'andro, ary tiany handeha araka ny finoana fa tsy araka ny fahitana. Rehefa tsy mampiseho afa-tsy dingana anankiray mantsy Izy dia voatery hiantehitra Aminy isika. Noho izany, mba hahitantsika ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, ny zavatra tsy maintsy ataontsika fotsiny na rahoviana na rahoviana, dia ny manao ny dingana izay asehon'Andriamanitra antsika. Ary raha izany no ataontsika dia ho hitantsika fa borahin'Andriamanitra tsikelikely ny planiny.

Tahaka izao ny teny fampanantenan'ny Tompo, " Raha mandeha ianao, isaky ny dingana ataonao, dia hosokafako ny lalana eo alohanao " (Ohabolana 4:12 - dika malalaka)

Rehefa tsy azontsika antoka fa sitrapon'Andriamanitra ny zavatra anankiray, dia tsara ny hamaliantsika ireto fanontaniana roambinifolo ireto. Raha valianao amin'ny fo tsotra tokoa ireto fanontaniana ireto, dia hanomboka hihamazava aminao ny atao hoe sitrapon'Andriamanitra.

• Moa ve ilay izy mifanohitra amin'ny fampianaran'i Jesosy sy ny fampianaran'ny apostoly na ny fampianaran'ny Fanahy Masina ao amin'ny Testamenta vaovao, raha ny fara-fahafantarako azy?

• Moa ve ilay izy zavatra azoko atao amin'ny fieritreretana madio?

• Moa ve ilay izy zavatra azoko atao hanomezana voninahitra an'Andriamanitra?

• Moa ve ilay izy zavatra azoko atao ao anatin'ny fimbonam-po amin'i Jesosy?

• Moa ve afaka mivavaka amin'Andriamanitra hitahy ahy aho rehefa manao ilay izy?

• Moa ny fanaovako an'ilay zavatra ve mety hanajamba ka tsy hampahiratra ny masom-panahiko na amin'ny inona na amin'ny inona?

• Moa ve ilay izy hahasoa sy hampitombo ny aim-panahiko, araka ny fara-fahalalako azy?

• Moa ho sambatra ve aho raha tratra eo am-panaovana ilay zavatra amin'ny fotoana hiverenan'i Jesosy ety an-tany?

• Inona no hevitr'ireo rahalahy manam-pahendrena sy matotra ara-panahy mikasika ilay izy?

• Moa ny fanaovako ilay zavatra ve hiteraka fanalam-baraka ho an'ny anaran'Andriamanitra na hanimba ny fijoroako vavolombelona raha misy olona mahafantatra?

• Moa hanafintohina ny hafa ve ny fanaovako ilay izy raha fantany?

• Misy fahafahana malalaka ve ao amin'ny fanahiko hanaovako ilay izy?

Imbetsaka isika no tsy maintsy mandroso na dia tsy tena azontsika antoka tanteraka aza ny sitrapon'Andriamanitra. Izany koa dia anisan'ny fanazaran-tena mba handeha am-pinoana, satria ny hoe "fananana antoka" indraindray dia mitovy amin'ny hoe " fandehanana araka ny fahitana". Indraindray dia manome toky antsika mazava Andriamanitra fa sitrapony ilay izy. Amin'ny fotoana hafa kosa, dia manantena antsika handroso izy na tsy fantatsika mazava aza ny sitrapony. Rehefa avy niandry ny Tompo tamin'ny vavaka sy nomen'ny Fanahy Masina toky tao anatin'ny saintsika isika, araka ny fara-fahafatarantsika azy, dia tokony handroso fa tsy hiandry eo mandritra ny fotoana tsy voafetra.

Ny Baiboly dia milaza hoe " Tokony hanao planina isika, hiantehitra amin'Andriamanitra hitari-dalana antsika " (Ohabolana 16:9 - Baiboly Living). Rehefa manao jery todika ireny fanapahan-kevitra noraisintsika ireny isika any aoriana any, dia ho hitantsika fa na dia nanjavozavo aza ny fahitantsika, dia tsy namela antsika hivily lalana Andriamanitra. Raha lazaina tsotra dia izao, na dia nisy fisalasalana be aza tany am-piandohana, dia nisy fahatokiana be sy fifaliana be tany am-parany.

Ary raha nanao dingana anankiray amin'ny fahatsoram-po isika, nefa tamin'ny fisalasalana, ka diso lalana, tsy hitantsika ny tena sitrapon'andriamanitra, dia afaka matoky an'Andriamanitra isika fa hamerina antsika any amin'ny lalana marina Izy. Izao ny teny fampanantenana ( Isaia 30:21 - Baiboly Living) : " Raha miala amin'ny lalan'Andriamanitra ianao ka mivily, dia handre Feo ao ivohonao manao hoe : Tsia tsy iny ny lalana, mandehana aty ".

Handidy ny trangan-javatra hanova ny lalantsika Andriamanitra rehefa diso ny sitrapony isika. Kanefa isika tsy tokony hipetra-potsiny hiandry mandrakizay ny fitarihany mahagaga vao hihetsika. Afaka mihodina haingana kokoa ny sambo mandeha noho ny sambo tsy mihetsika. Dia izany koa no tokony ataontsika.

Ao amin'ny Asan'ny apostoly 16:6-10 dia vakiantsika fa Paoly sy Silasy dia niezaka hankany Asia, tsy vokatry ny tari-dalana mazava avy tamin'ny Tompo tsy akory izany fa tamin'ny fanirian'izy ireo hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Dia norarana izy ireo, angamba tamin'ny alalan'ireo trangan-javatra nodidian'Andriamanitra hiseho. Avy eo, rehefa nitady hiditra tany Bitynia izy ireo, dia nosakanana indray ny lalany. Koa satria nokatsahin'izy ireo fatratra ny hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy nipetra-potsiny niandry torolalana teo izy, dia nitarika azy ireo tany amin'ny toerana efa nofidiny Andriamanitra, dia i Makedonia izany.

Ny momba ireo antsipiriany madinika eo amin'ny fiainantsika andavanandro, ny tari-dalana dia tsy voatery ho fanadihadiana mila valiny tsy tapaka. Fandehanana araka ny Fanahy Masina fotsiny no ilaina. Ny fifandraisana tsara amin'ny Tompo dia hitarika amin'ny fanaovana asa tsara . Momba ireny antsipiriany madinika ireny dia tsy voatery ho fantatsika tsara amin'ny fotoana rehetra ny fitarihan'Andriamanitra. Mety tsy tsaroantsika izany. Ny fifandraisantsika tsy tapaka amin'ny Tompo no tena zava-dehibe indrindra, satria ny fitarihan-dalana dia resaka ara-panahy fa tsy resaka fombafomba ara-teknika ampiharina.