written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpitarika
WFTW Body: 

Aza mba mitsara ny fahombiazan'ny asa vitanao araka ny laza tsara azonao tamin'izany mihitsy. Hoy Jesosy hoe "lozanareo" tamin'ireo olona izay "tsara laza" teo amin'ny vahoaka, satria izany dia marika amantarana ny mpaminany sandoka (Lioka 6:26). Koa raha mpitory fivavahana tsara laza be ianao dia mety mpaminany sandoka ! Ankoatr'izany, nasain'i Jesosy nifaly ny mpianany rehefa naratsian'ny olona satria anisan'ny marika amantarana ny tena mpaminany izany (Lioka 6:22,23).

Tena mino marina izany lazain'i Jesosy izany ve ianao ?

Tsarovy fa ny mpaminany marina rehetratao amin'ny tantaran'ny Isiraely sy tao amin'ny tantaran'ny fiangonana dia olona niteraka fifampiandaniana teo amin'ny vahoaka, nenjehin'ny olona sy nankahalainy ireny mpaminany ireny ary nendrikendrehan'ireo mpitondra fivavahana tamin'ny androny.

Tsy nisy na mpaminany iray aza naningana tamin'izany fitsipika izany, na i Elia izany na i Jeremia tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, na i Jaona Mpanao batisa na i Paoly tamin'ny taon-jato voalohany, na i John Wesley na i Watchman Nee tamin'ny fotoana efa nandroso kokoa.

Noho izany dia tsy azontsika atao mihitsy ny mandrefy ny fahombiazan'ny ezaka vitantsika araka ny soa lazain'ny olona antsika !

Tsy tokony handrefy ny fahalavan'ny fahombiazan'ny ezaka vitantsika amin'ny antontanisa koa isika, hoe firy ny isan'ny olona nanolo-tena nandritra ny fivoriam-bavaka na firy ny isan'ny olona nihaino ny toritenintsika sy ny sisa.

Raha ny antontanisa no jerena dia voatery milaza isika fa tsy nahomby velively ny asa fanompoan'i Jesosy satria tamin'ny fiafaran'ny asa fanompoany, dia olona 11 sisa no natolony ny Rainy (Jaona 17). Kanefa ny fahombiazan'ny asa fanompoany dia hita tao amin'ny toetra naha-izy azy ireo mpianatra iraikambinifolo ireo ! Tena sarobidy lavitra tamin'Andriamanitra izy ireo, ary nahavita zavatra betsaka ho an'Andriamanitra mihoatra noho ny "mpino" iraikambinifolo tapitrisa ankehitriny izay miroa fo, tia vola, manaiky lembenana, tia an'izao tontolo izao.

Efa fantatro fa raha mahavita mamokatra olona iraikambinifolo henjana tahaka ireo apostoly voalohany ireo aho, eo amin'ny fiainako manontolo, dia ho efa fahombiazana be ny asa fanompoako. Kanefa tsy mora ny mamokatra na dia olona roa na telo tahaka izany aza. Mora lavitra ny manangona olona marobe tia an'izao tontolo izao sy manaiky lembenana izay "mino an'i Jesosy" kanefa tsy tia an'i Jesosy amin'ny fony MANONTOLO.

Tamin'ny hetsika rehetra izay nanombohan'Andriamanitra fivavahana kristiana tao anatin'ny taon-jato roapolo farany dia nitranga foana ny fihemorana rehefa niditra ny taranaka faharoa ary ilay hetsika dia tsy nahery vaika sy nirehitra intsony toy ny tamin'ny fotoana nanombohan'ilay olona nanangana azy. Satria inona ny antony ?

Ny antony anankiray dia izao, ilay taranaka faharoa dia nanomboka nifantoka tamin'ny habetsahan'ny olona. Noheveriny fa ny fitombon'ny isan'ny olona no porofo fa notahian'Andriamanitra izy.

Kanefa ny vondrona mitombo isa haingana indrindra eto amin'izao tontolo izao tato anatin'ny taona vitsy dia ny sekta sy ireo vondrona mpampihatra lalàna arabakiteny any amin'ny fivavahana hafa. Manaporofo inona moa izany ? Manaporofo fotsiny izany fa ny fitombon'ny isa dia tsy porofon'ny fitahian'Andriamanitra.

Nantsoin'Andriamanitra isika mba hifantoka amin'ny asa fanompoana izay nomeny antsika ao amin'ny Tenan'i Kristy ary koa mba hiara-miasa amin'ireo olona manana anjara asa fanompoana samy hafa. Tsy haintsika atao ny mitsara marina ny vokatry ny asa fanompoantsika satria isika dia mpikambana ao anatin'ny tarika anankiray, dia ny Tenan'i Kristy.

Tokony hataontsika fotsiny izay hahazoantsika antoka fa olona mahatoky amin'ny anjara asa nomen'Andriamanitra ho tanterahintsika isika.