WFTW Body: 

Indray mandeha, rehefa nikasa ho any amin'ny firenena anankiray aho (firenena izay voarara ny fitoriana ny filazantsara), dia nampahatsiahivin'ny Tompo ahy ny Matio 28:18-19. Hitako tamin'izany fa satria ny Tompomanana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia izany no antony nandidiany antsika handeha any amin'izao tontolo izao sy hanao ny olona ho mpianatra. Raha tsy miorina amin'izany antony izany ny fandehanantsika dia hiatrika olana maro isika na aiza na aiza alehantsika.

Ilay hoe "koa" no teny manan-danja indrindra ao anatin'io iraka lehibe nampanaovin'ny Tompo ao amin'ny Matio 28 io. Ny ankamaroan'ny mpitory teny dia manantitrantitra mafy ilay teny hoe "mandehana". Tsara izany. Kanefa inona ny fototra iorenan'ny fandehanantsika ? Miorina amin'ny fahefana feno ananan'ny Tompontsika amin'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany sy amin'ny demonia rehetra koa. Raha tsy inoantsika amin'ny fontsika manontolo izany dia aleo tsy mandeha na aiza na aiza!

Io andininy ao amin'ny Matio toko faha 28 io dia tonga "révélation" vaovao tato anatiko tamin'izay fotoana izay. Ary dia tsapako fa afaka mandeha tsy misy fisalasalana any amin'io firenena io aho. Nisy tahotra tokoa tato anatiko, mazava ho azy, rehefa andeha hiditra tao amin'io firenena io. Kanefa ny fanapahan-kevitra noraisiko dia tsy niorina tamin'ireo tahotra ireo.

Raha ohatra ianao mihevitra fa eto amin'izao tontolo izao dia misy firenena anankiray TSY ananan'ny Jesosy Tompo fahefana feno dia manoro hevitra anao aho hoe aza mankany! Na izaho koa aza tsy hankany. Ho raiki-tahotra aho. Kanefa isaorana Andriamanitra fa tsy misy toerana tahaka izany na aiza na aiza eto ambonin'ny tany! Ny vazantany rehetra eto amin'ity tany ity dia eo ambany fahefan'ny Tompontsika avokoa.

Toy izany koa, raha ohatra ianao mihevitra fa misy olona anankiray any ho any (na inona na inona heriny) ka tsy ananan'ny Tompontsika fahefana dia tsy maintsy miaina amin'ny fahatahorana an'iny olona iny foana ianao. Kanefa isaorana Andriamanitra fa tsy misy olona tahaka izany na aiza na aiza. Ny Tompontsika dia manana fahefana amin'ny olombelona tsirairay. Na dia Nebokadnezara mpanjaka aza dia nahatakatra izany, araka ny vakiantsika ao amin'ny Daniela 4:35.

Raha sendra misy demonia anankiray any ho any izay tsy resin'ny Tompontsika teo Kalvary, fa afa-nitsoaka, dia voatery miaina amin'ny fahatahorana an'io demonia io lalandava isika. Kanefa tsy misy demonia tahaka izany izay tsy resy teo amin'ny hazo fijaliana. Satana mihitsy no efa resy teo, ary resy mandrakizay. Izany no manafaka antsika amin'izay mety ho tahotra an'i Satana sy ny demoniany, ary izany dia manome antsika fahasahiana lehibe ao anatin'ny asa fanompoantsika.

Koa mandeha tokoa isika na aiza na aiza toerana asain'Andriamanitra alehantsika. Mety hisy loza hitranga any amin'ny toerana sasany. Kanefa araka ny fahalalantsika azy, raha mahatsapa isika fa ny Tompo no mitondra antsika any dia tsy tokony hatahotra ny handeha any isika. Ny fanontaniana mipetraka dia tsy hoe misy fanenjehana kristiana ve any amin'io toerana io sa tsia. Ny fanontaniana tokana dia hoe, ny Tompo ve no manasa antsika ho any sa tsy ny Tompo. Raha ny Tompo dia hanohana antsika tanteraka ny fahefany. Tsy tokony hanan-tahotra akory isika. Fa raha tsyAndriamanitra kosa no niantso antsika ho any amin'ny toerana anankiray dia tsytokony handeha isika, na toy inona na toy inona fiezahan'ny olona handresena lahatra antsika, na inona na inona fahalinana hahita zavabaovao izay manesika antsika hankany!

Tsy maintsy manontany tena isika hoe inona ny antony handehanantsika any amin'ny toerana anankiray. Raha mandeha isika satria tiantsika atao mpianatrany olona, ary tsy manana tanjona hafa isika, dia afaka matoky isika fa homba antsika mandrakariva ny Tompo "mandra-pahatonga ny fahataperan'izao tontolo izao", araka izay efa nampanantenainy. Fa raha antony hafa kosa no mampazoto antsika. Ny Tompo dia "mizaha toetra ny fontsika" (Jeremia 12:3) ary mizaha toetra izay antony mampazoto antsika.

Ny Tompo dia tsy matoky ny olona rehetra izay milaza ny tenany fa mpino. Vakiantsika izany ao amin'ny Jaona 2:24. Kanefa raha afaka milaza marina amin'ny Tompo ianao hoe :

Tompo ô, ny antony tokana handehanako any amin'io toerana io dia satria tsapako fa ianao no miantso ahy. Ary izay hahatonga ny olona ho mpianatra ihany no ankanesako any, hanao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sy hampianatra azy hanao izay rehetra nandidianao. Tsy hitady vola no handehanako any na hitady laza amam-boninahitra na misy antony manokana.

Raha afaka milaza an'izany amin'ny fonao tsotra ianao dia azo antoka fa hiaraka aminao sy hanohana anao mandrakariva ny fahefan'ny Tompo.

Ary amin'izay dia tsy tokony hiaina ao anaty tahotra ianao ary tsy tokony hanontany tena hoe inona no mety hanjo ny vady aman-janako na aiza izay vola ho enti-manana amin'izany. Ny fanontaniana tokana sady lehibe dia izao "Efa niantso anao ve Andriamanitra sa tsia?". Andriamanitra ve no maniraka anao hankany sa olona ? Sa ny fahalinana hahita zava-baovao ve no mitarika anao ?

Raha manana programa hafa ankoatry ny programan'Andriamanitra ianao dia tsy misy fampanantenana avy amin'ny Soratra Masina azoko hampaherezana anao. Fa raha mitovy amin'ny an'Andriamanitra kosa ny programanao, izany hoe ny hanao ny olona ho mpianatra, hanao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ary hampianatra azy izay rehetra nandidian'i Jesosy, dia manome toky anao aho fa tsy misy tokony atahoranao na olona na demonia.