Izao no vakiantsika ao amin'ny Matio 5:42 "aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao". Indraindray dia mazava kokoa amintsika ny andinin-tSoratra Masina rehefa ampitahaintsika amin'ny andininy anankiray hafa. Koa tsy maintsy mijery andininy anankiray mifanitsy amin'iny isika mba hahazoantsika tsara an'ilay andininy. Hoy Jesosy ao amin'ny Lioka 6:35 "mampisambora ka aza manantena valiny".
Tadidiko indray mandeha nisy rahalahy nilaza tamiko fa nampisambotra roa hetsy ny rahalahiny anankiray, izay nampanantena fa hamerina ilay vola. Efa elabe taty aoriana mbola tsy naveriny ihany ilay vola. Izao no navaliko an'io rahalahy io : ianao no tsy nankato ny Soratra Masina satria ny Soratra Masina dia milaza hoe "mampisambora ka aza manantena handray valiny". Raha mampisambotra ianao ary manantena fa hanonitra ilay olona dia inona no soa tokony ho azonao, na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray (Lioka 6:34). Fa amin'ny maha-mpino anao, rehefa mampisambotra ianao dia tsy izany fa izao : aza manantena valiny.
Ny tian'i Jesosy nambara dia izao, izay vola foinao atao tahaka ny fanomezana ihany no tokony ampisamborinao. Koa nolazaiko tamin'io rahalahy io fa angamba tsy tokony nampisambotra ny vola roa hetsy nangatahin'ilay rahalahiny izy. Tokony ho namaly izy hoe : "Miala tsiny aho, tsy afaka mampisambotra anao roa hetsy aho fa telo alina ariary ihany". Raha lazaina tsotra dia izao, izay vola tsy mampaninona anao na tsy voaverina aza no ampisambory. Eritrereto hoe fanomezana ho azy iny ka raha tsy averiny tsy maninona. Fa tsy izany no nataonao fa nandika ny Soratra Masina ianao. Tokony ho fantatsika ny fanahy ao ambadik'ireny zavatra ireny.
Inona moa no tian'i Jesosy nolazaina rehefa nilaza Izy hoe "aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao" ? Fony aho mbola tanora kristiana dia be karama be aho satria manamboninahitra tao amin'ny tafika an-dranomasina (betsaka lavitra noho izay nilaiko) ary nahangona tahiry be aho. Fantatry ny rahalahy anankiray sahirana tao am-piangonanay izany ka nanatona ahy izy hisambotra vola. Dia nanontaniako hoe ohatrinona no ilainao, dia nampanantena izy fa haveriny ao anatin'ny iray volana ny vola. Tonga ny volana manaraka dia nilaza izy fa mbola tsy afaka mamerina ilay nosamboriny ary nangataka vola amboniny indray izy dia nomeko ihany. Ity andinin-tSoratra Masina anankiray ity no tao an-tsaiko "aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao" koa nanome vola azy foana aho nandritra ny volana maro. Nangina fotsiny aho satria nihevitra hoe nankato ny Soratra Masina. Mbola tanora aho tamin'izany, kristiana vao vita batisa ary nanao izay voalazan'ny Soratra Masina araka izay fahatakaran'ny saiko, kanefa rehefa afaka elaela dia nivily lalana io olona naka vola tamiko io ka nanomboka nisotro toaka sy nanao fahazaran-dratsy maro. Rehefa nandre izany aho dia nanoratra taminy nilaza fa raha hividianany toaka sy hamatsiany ny fanjakan'ny devoly no hampiasany ny volako dia aleo averiny amin'izay satria natao ho an'ny fanjakan'Andriamanitra iny vola iny. Tezitra mafy tamiko izy ary nilaza fa na dia ireo fiangonana maty anarana aza tsy sahy nitaky zavatra taminy tahaka izany.
Tsy navelan'ny Tompo nifamaly taminy aho. Tsy nanoratra taminy intsony aho ary tsy azoko intsony ny volako. Hoy aho an'eritreritra "Tompo ô, fa inona ny fahadisoana nataoko ? Nankatoaviko ilay Teninao hoe aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao". Ary dia nampianarin'ny Tompo zavatra anankiray aho izay nahasoa ahy efa ho 50 taona izay. Dia izao, azavao amin'ny alalan'ny andininy hafa foana ny andininy anankiray ao amin'ny Soratra Masina. Nasehon'ny Tompo ahy fa noheveriko tahaka ny hoe volako manokana io vola io. Ny andininy anankiray ao amin'ny Soratra Masina dia milaza fa tsy maintsy mampisambotra izay mangataka amiko aho, kanefa misy andininy anankiray hafa milaza fa tsy izay eo am-pelatanako akory dia fananako manokana, izany hoe ny zava-drehetra eto an-tany dia fananan'ny Tompo avokoa. "Fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy" (1Korintiana 10:26). Koa rehefa raisiko ny karamako izay heveriko fa ahy dia tsy maintsy fantariko fa tsy volako iny. Tsy maintsy afoiko iny ary tsy maintsy atolotro ny Tompo. Na dia mandray ny karama amin'ny faran'ny volana aza aho ary miditra ao amin'ny kaontiko ao amin'ny banky iny dia tsy maintsy lazaiko fa tsy volako fa volan'Andriamanitra.
Izao no sary tonga tato an-tsaiko tamin'izay : raha asain'ny olona anankiray mitahiry vola telo hetsy aho ka averiko any aminy aoriana, ary misy olona anankiray hafa nahare fa manana vola telo hetsy aho ary tiany hosamborina ny roa hetsy dia inona no havaliko azy ? Hamaly aho hoe "Miala tsiny aho ry rahalahy, tsy volako iny fa volan'olon-kafa. Nasainy notehiriziko fotsiny iny. Avelao aloha angatahiko aminy fa raha avelany dia omeko anao izany". Tsy izany ve no fomba tsara handaminana ny raharaha satria tsy volako ilay izy ? Raha noheveriko izao tamin'iny fotoana iny fa volan'ny Tompo ny karamako dia tsy ho nozarazaraiko mora foana. Rehefa tonga hisambo-bola tamiko ilay rahalahy dia tokony novaliako izy hoe : "Eny, tsy maninona mihitsy, mety ny mampisambotra vola ho an'ny olona azon'ny fahasahiranana kanefa avelao aloha hanontaniako Ilay tompon'ny vola (izany hoe ny Tompo)". Tokony nentiko teo anatrehan'ny Tompo izany hoe "Tompo ô, tianao homeko an'io olona io ve izany vola izany ?" Ary mety namaly ahy Tompo hoe eny na tsia.
Miteny Andriamanitra, Andriamanitra velona Izy. Tamin'ny voalohany Izy angamba mety niteny hoe eny, ary tamin'ny faharoa mety niteny hoe tsia fa izaho no tsy niandry Azy sy nihaino Azy. Nandeha tamin'ny soratry ny lalàna aho ka tafiditra tao anatin'ny fanandevozana, kanefa tena faly tokoa aho satria nianatra izany lesona izany tany amin'ny fiantombohan'ny fiainako hoe ahoana ny fomba fankatoavana ny Soratra Masina, dia izao : misy ny "voasoratra hoe" ary misy ny "voasoratra hoe koa". Tsy maintsy ampifandanjaiko amin'ny andininy anankiray ny andininy anankiray mba hahatakaran'ny saiko tsara. Ankehitriny dia vonona aho hampisambotra ny olona rehetra mangataka amiko tahaka ny voalaza eto. Kanefa te hiaiky koa aho fa izay rehetra eo am-pelatanako dia an'ny Tompo avokoa koa tsy azoko omena olona izany raha tsy manontany ny Tompo aho aloha. Izany foana no narahiko taty aoriana rehefa nisy olona nangataka vola tamiko. Izao no lazaiko aminy "Avelao aho aloha hanontany ny Tompo. Raha misy fahafahana ao amin'ny fanahiko dia homeko anao ny vola". Misy fotoana aho manome nefa tsy voaverina ny vola, misy fotoana aho tsy manome satria tsy nomen'ny Tompo fahafahana na dia nazoto aza ny foko.
Ohatra anankiray izany hahaizantsika mamantatra ny fanahy nanosika an'i Jesosy hiresaka ireo zavatra rehetra ireo. Tsy hoe akory avelantsika hanararaotra antsika sy hanosihosy antsika ny olona. Ny fitsipika arahina dia izao : tsy mamaly faty na iza na iza isika ary tsy te hamaly ratsy ny olona nanisy ratsy antsika.