WFTW Body: 

"Tsara ny roa noho ny iray (ny roa miaraka dia mahavita mihoatra ny vitan'ny roa mandeha tsirairay ), fa misy valiny tsara ny fisasarany (fa tsaratsara kokoa ny valiny azo ). Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany, fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy... Raha misy maharesy ny irery aza ( ny olona irery dia mora tafihana sy resena ), ny roa tsy ho leony tsy akory (ny roa afaka miara-miady sy mandresy), (ny telo aza mbola tsara kokoa) satria ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina" ( Mpitoriteny 4:9-12). Tadidinao angamba ilay tantara anankiray avy ao amin'ny anganon'i Aesop, izay nitantara tantsaha anankiray nampianatra ny atao hoe firaisan-kina tamin'ireto zanany anankitelo, izay tsy nitsahatra ny nifanditra. Naka tapakazo marefo maromaro izy, dia nasehony an'ireo zanany fa mora tapaka ny tsorakazo rehefa alaina tsirairay, kanefa rehefa arandrana ho tady kosa ireny, dia mila tsy ho tapaka mihitsy. Na dia ny zanak'izao tontolo izao aza dia mahatsapa fa misy hery ao amin'ny firaisan-kina sy ny fiombonana. "Ny valala", araka ny lazain'ny Baiboly dia, "( na dia kely aza dia mampiaiky ny fahendreny) tsy manana mpanjaka, nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara " (Ohabolana 30:27). Ao amin'izany no misy ny fiarovana ho azy ireo sy ny heriny. Ao amin'ny fiangonan'i Jesosy Kristy, dia mila mamerina mianatra izany lesona izany indray isika.

Ny firaisan-tsaina resahin'ny Testamenta Vaovao dia firaisan'ny samy rantsam-batana ao amin'ny Tenan'i Kristy, eo ambany fitarihan'i Kristy, izany hoe, firaisan'ny aina fa tsy firaisan'ny fitantanana. Tsy tafiditra ao anatin'izany ireo izay any ivelan'ny Tenan'i Kristy, na dia mitondra ny anarana hoe 'Kristiana' aza. Tsy mety hisy firaisana eo amin'ny velona sy ny maty. Ireo izay efa novelomina tao amin'i Kristy tamin'ny fahateraham-baovao dia tsy afaka manana firaisam-panahy raha tsy amin'ireo olona efa naterak'Andriamanitra indray toa azy ireo koa. Ny firaisan'ny samy kristiana dia avy amin'ny Fanahy Masina, Ilay hany tokana manao antsika ho rantsam-batana ao amin'ny Tenan'i Kristy. Ny Baiboly dia mamporisika antsika mba "hazoto hitana (ny firindrana sy) ny firaisana avy amin'ny Fanahy" (Efesiana 4:3). Ny firaisana rehetra avy amin'ny olombelona dia tsinontsinona.

Satana dia fahavalo fetsy ary fantany tsara fa tsy haharesy ny fiombonan'ny kristiana miray hina izay mivelona eo ambany fahefan'i Kristy sy ny Teniny izy. Ny paikadiny noho izany dia manomboka amin'ny famafazana korontana sy ahiahy ary tsi-fifahazoan-kevitra ao amin'ireo mpikambana ao anatin'ilay fiombonana kristiana aloha, izany no ahafahany mampahalemy ny mpikambana tsirairay. Jesosy dia efa niteny fa ny herin'ny Helo dia tsy haharesy ny fiangonany (Matio 16:18). Ny fiangonana, ilay Tenan'i Kristy, no nampanantenaina fa handresy amin'ny ady amin'i Satana. Ny mpino mitoka-monina tsy miaraka amin'ny mpino hafa dia mety ho resy. Nanafika an'i Kristy mandrakariva i Satana nandritra ny fiainan'i Kristy tety an-tany, kanefa tsy naharesy Azy izy. Ary farany teo amin'ny hazo fijaliana, dia nesorin'i Kristy taminy ny fahefan'i Satana tamin'ny olombelona (Hebreo 2:14 ; Kolosiana 2:15). Ankehitriny, dia tsy afaka manafika an'i Kristy Izay efa nitsangana tamin'ny maty i Satana. Noho izany dia ny Tenan'i Kristy indray no tafihany, izany hoe ny fiangonana. Tsy haharesy an'i Satana isika raha tsy miray hina miady aminy, tahaka ny Tena iray eo ambany fitarihan'ny Tompontsika. Na dia mpikambana iray monja aza no tsy mahatanteraka ny asany ao anatin'ny fiombonan'ny kristiana anankiray, dia mihamalemy noho izany ny herin'ilay Tena. Ary satria fantatr'i Satana izany, dia ataony foana izay ampitokatokana ny mpikambana, na hampizarazara ny fikambanana (na ny fiangonana) ho antoko. Na izany na tsy izany dia tratran'i Satana ny tanjony. Izany no antony tsy maintsy itandremantsika mandrakariva amin'ny teti-dratsin'i Satana, fandrao hampahalemy ny fifandraisantsika amin'ny mpikambana hafa ao amin'ny Tenan'i Kristy izy.

Jesosy dia nanome teny fampanantenana maro momba ny mpino tsirairay mivavaka manokana amin'Andriamanitra. Kanefa ao amin'ny Matio 18:18,19, dia manana teny fampanantenana anankiray isika izay natao ho an'ny fizarana ao amin'ny Tenan'i Kristy izay miara-mivavaka amin'ny fo iray : " Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany", hoy Jesosy " dia hofehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. Ary lazaiko aminareo koa : raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany ". Ny teny hoe "mifanaiky" ao amin'ny andininy faha 19 dia nadika avy tamin'ny teny grika hoe "sumphoneo", izay nihavian'ny teny anglisy hoe "symphony" (rindram-peo). Ny tian'i Jesosy lazaina amin'ireo andininy ireo dia hoe na dia roa monja amin'ireo zanany aza no manana firaisana dia hitovy amin'ny rindran-javamaneno izany. Izany dia tsy vitan'ny miteny hoe Amena amin'ny vavaka ataon'ny hafa fotsiny. Ny rindram-peo dia midika hoe fifanaraham-panahy lalina eo amin'ireo olona miara-mivavaka. Rehefa mitovy amin'ny rindram-peo avoaky ny orkestra mahay ny fiombonan'ny kristiana na dia olombitsy ihany aza, dia (hoy Jesosy) hisy fahefana lehibe ao anatin'ny vavaka ataon'izy ireo koa na inona na inona angatahiny dia ho azony avokoa. Ny vondrona kristiana tahaka izany dia hanana fahefana hamatotra ny herin'i Satana sy hamaha ny fatoran'ireo olona nataon'i Satana sambobelona. Ny antony ahafahan'izany fiombonana izany mampiasa fahefana tahaka izany dia efa nohazavain'i Jesosy hoe : "Fa satria", Hoy Izy, " na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny Anarako dia IZAHO MIHITSY no ho eo afovoan'izy ireo " (and 20 dikany malalaka). Kristy izay Loha omban'ny fahefany no eo afovoan'izany fiombonana izany, ary noho izany dia tsy hahatohitra azy mihitsy ny herin'ny helo. Ny antony anankiray nahafahan'ny fiangonana ao amin'ny "Asan'ny apostoly" nampiasa izany fahefana izany, dia satria nanana izany firaisana izany izy ireo tao amin'ny fiombonany. "Ireo rehetra ireo (ireo apostoly 11)niray saina naharitra nivavakaAry izay rehetra nino dia niray toerana sady niombonany Ary dia niray saina isan'andro izy ary nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly … "Fa rehefa nandre izany izy ireo (ny apostoly sy ireo mpino hafa) dia niara-nanandratra ny feony ho an'Andriamanitra (tamin'ny saina iray)... (Asa 1:14 ; 2:44,46 ; 4:24). Satria efa tafakambana ao anatin'ny Tena iray eo ambany fanapahan'i Kristy izy ireo, dia nahazo nampiasa ny fahefan'ny Tompo izy tao anatin'ny vavaka. Tsy avara-pianarana izy ireo, tsy notsongoin'olombolo teo amin'ny fiarahamonina ary tsy nanana antobola, kanefa dia nanatsimbadika ambony ambany ho an'i Kristy ny tontolo nisy tamin'izany andro izany. Rehefa nohidiana tao an-tranomaizina i Petera dia tsy nahatohitra ny fahefan'ny fiangonana voalohany, izay nandohalika teo anatrehan'Andriamanitra, ny miaramilan'i Heroda (Asa 12:5-11). Ny fanjakan'i Satana dia nohozongozonin'izany fiangonana izany hatramin'ny fanorenany mihitsy, tamin'ny nahatongavan'ny fiangonana ho Tena iray, nisian'ny fandresena sy ny fahefan'i Kristy tamin'ny fiainan'olombelona nanerana ny fanjakana romana (Jereo ny ohatra iray amin'izany ao amin'ny Asa 19:11-20).

Ankehitriny dia ataon'i Satana fihomehezana ny ezaka ataon'ny fiangonana tsy miray, kanefa mitady hanala azy ao amin'ny toeram-pamaharany, amin'ny alalan'ny fitaka, ny fitaovana, ny fihaonambe, ny fahaizana ara-teolojia, fahaiza-mandaha-teny ary ny antoko mpihira voaofana. Tsy misy azo ampiasaina hanoherana an'i Satana amin'ireny. Ny fiangonana dia mila miverina miaina tokoa ny maha-Tena iray azy, tafaray eo ambany fahefan'i Kristy. Ny fiombonan'ny kristiana tena mifampiray marina, mitombo amin'ny fifankatiavana ary mivelona amin'ny fankatoavana an'i Kristy sy ny Teniny, no fampihorohoroana lehibe indrindra ho an'ny fanjakan'ny devoly eto ambonin'ny tany. Tsy misy zavatra atahoran'i Satana mafy mihoatra noho izany. Koa aoka hataontsika vavaka ny hanampian'ny Tompo antsika hivelona isan'andro amin'ny fahazavan'ny fahamarinana be voninahitry ny maha - Tena iray antsika ao amin'i Kristy. Rehefa mihamaro hatrany ny kristiana manerana izao tontolo izao no mahatakatra tsara sy mivelona amin'izany fahamarinana izany, dia ho hitantsika tokoa ny fiangonana, na dia vitsy olona aza, ho tafaverina indray eo amin'ny voninahiny voalohany, ho fitaovana eo ampelatanan'Andriamanitra hampandositra ny miaramilan'ny maizina ary ho fantsom-pitahiana ho an'ity tontolo mahantra ity.