WFTW Body: 

Tiiako ho fantatrareo fa tena zavatra ara-dalàna raha misy ny fahaverezan-kevitra ao anatin'ny fikatsahana ny sitrapon'Andriamanitra mikasika ny zavatra anankiray. Izany no fomba entin'Andriamanitra mampiofana antsika handeha amin'ny finoana satria ny manao zavatra efa azo antoka dia mitovy ihany amin'ny mandeha amin'ny fahitan'ny maso .

Na dia ny Apostoly Paoly aza dia imbetsaka no very hevitra, tsy nahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra. Izao no lazainy "very hevitra izahay satria tsy fantatray hoe inona no mahatonga izao zava-mitranga izao. Kanefa tsy kivy izahay ary tsy mamoy fo" (2Kor.1:29 Baiboly Living).

Anisan'ny antony anankiray mahatonga an'Andriamanitra hamela antsika ho very hevitra sy hanao fahadisoana dia izao "mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra" (1Kor 1:29). Tsy hisy olona afaka hiteny rehefa any amin'ny mandrakizay hoesatria ny zavatra tokony natao rehetra no nataokodia tanteraka teo amin'ny fiainako ilay sitrapo lavorarin'Andriamanitra. Izao zavatra tokana izao ihany no hireharehantsika any amin'ny mandrakizay, Andriamanitra no nahatanteraka ny sitrapony lavorary tao amintsika na dia marobe aza ny fahadisoana sy ny hadalana vitantsika. Ny ahy dia izany no fijoroana vavolombelona ataoko. Amin'izay dia Andriamanitra irery ihany no hahazo ny voninahitra rehetra , fa isikatsy hahazo na inona na inona. Ny mahatonga ny mpino marobe ho kivy rehefa lavom-pahotana na isak'izay very hevitra mikasika ny lalan'Andriamanitra sy ny sitrapon'Andriamanitra dia satria tsy hitany io tanjona faratampony tadiavin'Andriamanitra io. Ny làlan'Andriamanitra dia tsy làlantsika. Fa Tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo (Isaia 55:8-9).

Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra dia zava-dehibe tokony hananantsika. Ny lafiny anankiray amin'ny fahendrena dia ny fahaizana mametraka laharam-pahamehana, izany hoe adiny firy no laniana amin'ny fianarana any andakilasy, amin'ny Tenin'Andriamanitra, amin'ny asa aman-draharaha, amin'ny torimaso, amin'ny fialan-tsasatra sy ny sisa. Amin'ny fametrahana ny laharam-pahamehana no mahadiso ny ankamaroan'ny mpino, indrindra rehefa manambady izy ary mamelona ankohonana. Noho izany dia tsara raha mahazo ampahany amin'izany fahendrena izany ianao dieny mbola tanora sy mpitovo. Jakoba dia milaza hoe raha misy aminareo tsy manam-pahendrena (ary isika rehetra dia tsy manam-pahendrena), aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra. Koa mangataha!

Te hamporisika anareo koa aho hamaky ny toko faha 6 amin'ilay boky nosoratako hoe FAHITANA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA (FINDING GOD'S WILL). Ao no iresahako momba nyfanafahana amin'ny fisalasalana, ny fahafahana amin'ny nenina noho ireo fanapahan-kevitra taloha ary ny fahafahana amin'ny tahotra ny hanao fahadisoana.

Ny olona izay tsy manao fahadisoana mihitsy dia ny olona tsy manao na inona na inona mihitsy. Ankoatran'i Jesosy, Izy tenany, dia tsy mbola nisy olona teto ambonin'ny tany izay nianatra nandeha tamin'ny sitrapo lavorarin'Andriamanitra ka hoe tsy nanao fahadisoana. "Ny dian'ny tsara fanahy dia tarihin'ny Tompo … Raha lavo izy dia tsy maty satria ny tànan'ny Tompo no mihazona azy" ( Sal 37:23,24 Baiboly Living). Koa aza matahotra hanao fahadisoana ianao. Hiaro anao tsy hanao fahadisoana lehibe Andriamanitra.