WFTW Body: 

Ao amin'ny 2 Korintiana 11:23-33 i Paoly dia miresaka momba ireo fitsapana samy hafa izay nihatra taminy tamin'ny fanompoany ny Tompo. Naiditra an-tranomaizina imbetsaka izy, nokapohina tamin'ny karavasy sy tamin'ny hazo, tsy nahita tory amin'ny alina, noana sy nangetaheta, nianjadian'ny hainandro sy hatsiaka, notandindomin-doza tamin'ny jiolahy sy ny sisa. Nisy fotoana maro aza izy tsy nanan-kitafy sy tsy nanin-kohanina ary tsy nanam-bola nividianana fitafy mafana sy sakafo izy tamin'izany. Nampandalovin'Andriamanitra an'i Paoly izany rehetra izany mba hanamboarana azy ho tonga mpialoha lalana kely ho an'ireo kristiana niaritra fijaliana. Tao anatin'izany sedra maro rehetra izany dia nanetry tena tanteraka i Paoly.

Hoy izy " Indray mandeha dia saika voasambotra aho tany Damaskosy, ary voatery

nampidin'ny mpino tamin'ny sobiky avy teo am-baravarankely aho mba ho afa-mandositra " (2 Korintiana 11:32,33). Raha ianao izao no apôstôly niharan'ny zavatra mahamenatra tahaka izany, mety tsy tianao hisy olona handre mikasika izany mihitsy. Kanefa tsy tian'i Paoly hihevitra ireo kristiana tao Korinto fa olona ambony izy ka anjely no nirahin'Andriamanitra hamonjy azy. Olon-tsotra tahaka ny olona rehetra izy ary tahaka izany no tiany hahafantaran'ny hafa azy. Izao no nolazainy "Tsy misy olona tiako hihevitra ahy ho ambony kokoa mihoatra noho izay tokony hiheverany ahy" (2 Korintiana 12:6) (Baiboly Living). Tsy hafa kely tokoa ve i Paoly raha oharina amin'ireo mpanompon'Andriamanitra maro ankehitriny izay te hoheverin'ny olona ho ambony kokoa mihoatra noho ny tena maha-izy azy.

Ao amin'ny 2 Korintiana 12:1 i Paoly dia miresaka momba ilay fotoana anankiray izay nampakaran'ny Tompo azy tany amin'ny lanitra fahatelo. Tsy nolazalazainy na tamin'iza na tamin'iza izany nandritra ny 14 taona. Izany ka olona!! Nangina tsy nilaza na inona na inona izy nandritra ny 14 taona ary na dia niresaka mikasika izany aza izy dia tsy nanome antsipiriany momba izany na kely aza. Raha ny ankamaroan'ny mpivavaka izao dia efa tsy andriny izay hitantarana izany amin'ny fivoriam-bavaka manaraka mba hanomezana ny antsipiriany rehetra milasika ilay izy. Izany no inoako fa tena niainan'i Paoly marina tokoa izany zavatra izany. Ny fahitana ny any an-danitra izay ireharehan'ny mpino maro amin'izao andro izao dia foronin'ny sainy sy ny eritreriny fotsiny mba hahazoany voninahitra avy amin'ny olona! Inona no antony ilazako izany ? Satria ny olona nahazo ireny fahitana tena izy ireny dia hahita fa izy ireny (araka izay nolazain'i Paoly) dia " tena mahagaga loatra ka tsy hain'ny sain'ny olona ny mitantara azy amin'ny alalan'ny teny" sady izy ireny koa dia "tsy azo lazalazaina amin'olona " (2 Korintiana 12:4).

Avy eo i Paoly dia niresaka momba ny fizahan-toetra nampahory tsy nety nesorin'Andriamanitra taminy, na dia nivavahany mafy aza. Izany dia nantsoin'i Paoly hoe "tsilo tamin'ny nofo" sy "irak'i Satana", kanefa dia "Andriamanitra no nanisy izany" (2 Korintiana 12:7). Ny fanomezana natolotr'Andriamanitra an'i Paoly izany dia tsilo !! Nomen'Andriamanitra an'i Paoly izany satria hitany fa notandindomin-doza hirehareha i Paoly. Andriamanitra dia manohitra ny olona rehetra izay mirehareha kanefa tsy te hanohitra an'i Paoly Izy. Te hanome fahasoavana an'i Paoly Izy. Kanefa tsy afaka manome ny fahasoavany izy raha tsy manetry tena lalandava i Paoly (1 Petera 5:5). Koa dia navelan'Andriamanitra i Satana hampijaly an'i Paoly ary izany dia nahatonga an'i Paoly niankina lalandava tamin'Andriamanitra sy nanetry tena. Koa hitantsika izany fa indraindray Andriamanitra dia mety mamela ny irak'i Satana hampijaly antsika kanefa tanjona tsara no tiany hotratrarina. Ny aretina ohatra dia irak'i Satana. Ahoana no ilazantsika an'izany ? Satria izao no nolazain'i Jesosy "Koa raha hianareo na dia ratsy aza mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no (tsy) hanome (afa-tsy) zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?" (Matio 7:11). Isika rehetra dia raim-pianakaviana ratsy avokoa raha oharina amin'Andriamanitra Ilay tapitr'ohatra amin'ny fahatsarana. Ary tsy hisy amintsika hanome aretina ho an'ny zanatsika na oviana na oviana. Raha izany, nahoana moa ny Ray be fitiavana any an-danitra no hanome aretina ho an'ny Zanany? Ny ankamaroan'ny aretina eto amin'izao tontolo izao dia noho ity tany ity voaozona (Genesisy 3:17). Ny aretina sasany dia avy amin'i Satana (Joba 2:7).

Na dia ny hahasalama tsara antsika rehetra aza no sitrapon'Andriamanitra lavorary dia mety mbola avelany ho marary isika indraindray satria misy tanjony ao. Rehefa nivavaka i Paoly mba hesorina ny tsilo dia tsy nesorin'Andriamanitra taminy izany fa nomeny fahasoavana kosa izy mba ho mpandresy na dia eo aza ny tsilo. Afaka ho tonga mpandresy koa isika miaraka amin'izany fahasoavana izany. Ao amin'ny2 Korintiana 13:4 sy 5no amakiantsika "fa Jesosy dia voahombo tamin'ny hazofijaliana noho ny fahalemena, nefa velona kosa Izy noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao amin'i Jesosy, nefa hiara-belona Aminy koa izahay noho ny herin'Andriamanitra" (2 Korintiana 13:4,5)

Ny tena mpianatry ny Tompo marina dia ny olona izay malemy ao amin'ny tenany ary velona noho ny herin'Andriamanitra. Ary izany no namaranan'i Paoly ny epistiliny.