WFTW Body: 

Ao amin'ny Matio 13:1-52 dia vakiantsika ireo fanoharana fito izay noresahin'i Jesosy. Nantsoina hoe fanoharana ny amin'ny Fanjakan'ny lanitra izy ireny. Ny voalohany amin'izy ireny dia ny fanoharana ny amin'ny mpamafy. Mariho tsara fa ao amin'io toko faha 13 manontolo io no iresahan'i Jesosy ny momba ny endrika ivelan'ny Fanjakan'Andriamanitra, izany hoe ny fahitan'izao tontolo izao « ny fiangonana ». Izany no antony nilazan'i Jesosy fa ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra, ny an'ny olona sasany dia tany tsara ny fony ary an'ny sasany tany ratsy .

Nambaran'i Jesosy koa fa ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny tanimbary izay sady nisy vary no nisy voan-tsiparifary. Nohazavainy tato aoriana fa ny tanimbary dia izao tontolo izao, fa tsy ny fiangonana tsy akory (Matio 13:38). Misy manko mandika vilana io fanoharana io ka milaza hoe « Satria Jesosy nilaza fa tsy maintsy avela hiara-mitombo ao am-piangonana ny vary sy ny voan-tsiparifary dia tsy tokony hosarahintsika izy ireny. Noho izany dia tokony samy avelantsika hijanona ao am-piangonana avokoa na ny olona efa niova fo na ny olona tsy mbola niova fo. » Ny mahatonga ny olona hilaza an'izany dia satria tsy mbola novakiany tsara ny Soratra Masina. Ny tanimbary dia izao tontolo izao, ary ao amin'izao tontolo izao no amelan'Andriamanitra ny mpino sy ny tsy mpino hiara-mitombo, fa tsy ao am-piangonana tsy akory.

Ao amin'ny fiangonana misy antsika dia tsy maintsy ataontsika izay ahazoana antoka (araka izay azontsika atao amin'ny maha olona antsika) fa izay olona efa nibebaka tamin'ny fahotany ihany sy efa nateraka indray tamin'ny finoany an'i Kristy no azo raisina ho mpikambana. Ny olona hafa ankoatr'ireny dia raisina an-tanandroa raha hanatrika ny fivoriana sy hihaino ny toriteny. Kanefa tsy maintsy ampahafantarina azy ireny mazava tsara fa tsy afaka raisina ho mpikambana ao amin'ny fiangonana (na ny tenan'i Kristy) izy ireny mandra-pahatonga azy ho efa nateraka indray.

Ny Matio 13:31-32 dia milaza fanoharana ny amin'ny voantsinapy izay tokony ho tonga anana rehefa maniry. Ao amin'ity fanoharana ity anefa dia tsy ara-dalàna ny fitombony satria tonga hazo avobe izy. Io fanoharana io dia mampiseho fa tsy tahaka izany no nikasan'Andriamanitra hitomboan'ny fiangonana. Ny niheveran'Andriamanitra ny fiangonana dia olom-bitsy, rahalahy sy rahavavy (tahaka ny anana avy amin'ny voatsinapy), izay mifankahalala avokoa, mifankatia avokoa ary mifaneho fiainana ao amin'ny faritra misy azy. Ireo mpitory havanana amin'ny fitorian-teny anefa dia efa nanangana fiangonana miezinezina (tahaka ilay hazo avobe), izay mifanohitra amin'ny fikasan'Andriamanitra. Tonga hihaino toriteny fotsiny no andehanan'ny olona mankao, tahaka ny hoe tonga hijery baolina na tonga hijery sarimihetsika. Jesosy dia efa nilaza fa vitsy ny mahita ny lalana izay mankany amin'ny fiainana ( Matio 7:13-14). Kanefa dia mora foana amin'ireo mpitory manan-tsaina ny mamory olona marobe, satria efa nampidininy ny fenitry ny fahamasinana, ka ataony mihitsy izay tsy itoriana ny amin'ny fibebahana, na ny amin'ny fandavantena, na ny amin'ny fitondrana ny hazo fijaliana. Noho izany dia azo atao ny manangona vahoaka marobe izay tsy liana velively ho tonga mpianatr'i Kristy, fa faly mihaino toriteny tsara isan'alahady fotsiny. Raha tahaka izany no anitaranao ny fiangonanao dia hitranga tsy ho ela ao izay nolazain'i Jesosy ao amin'io fanoharana io. Ho avy ny voromanidina (izay vao avy nolazain'i Jesosy teo amin'ny fanoharana talohan'io fa irak'ilay ratsy - Matio 13:4,19) ka hitoetra ao amin'ny rantsany. Fa raha ohatra kosa ka izay hahatonga ny olona ho mpianatra ihany no hezahinareo, dia ho lasa kely ny fiangonanareo, raha ny isan'olona no jerena, kanefa ho fiangonana madio kokoa ary tsy ho azon'ny fangolen'i Satana sy ny olana entin'izany fanangolena izany !

Ao amin'ny Matio 13:33 dia resahin'i Jesosy fa ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira. Izany dia faminaniana ny amin'ny fahalovana izay hihanaka ao am-piangonana. Hatrany hatrany dia ampitandreman'i Jesosy isika ny amin'ny zavadoza izay hatrehin'ny fiangonana. Ao ny tany ratsy, ao ny ahidratsy, ao ny demonia mipetraka ao am-piangonana, ary ao ny masirasira. Raha mitandrina tsara izay voalaza ao amin'ireo fanoharana ireo ny mpitondra fivavahana kristiana dia ho afaka namonjy ny fiangonany tamin'ny fahafatesana ara-panahy izy ary ho afaka niompana tamin'ny fanaovana ny olona ho mpianatra.

Ao amin'ny Matio 13:44 dia lazain'i Jesosy fa ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona anankiray izay nahita harena nafenina tany an-tsaha. Namidin'ilay olona avokoa ny fananany rehetra ka nividianany izany saha izany. Izany dia fanehoana an-tsary ny olona anankiray izay vonona ny hahafoy ny zava-tsarobidy ananany mba ho tonga mpianatr'i Jesosy, amin'izany dia hahazo ny Fanjakan'Andriamanitra izy.

Mbola niresaka momba ny olona anankiray koa Jesosy izay nividy vatosoa iray tena sarobidy rehefa avy nivarotra ny fananany rehetra. Nanamafisan'i Jesosy ilay fahamarinana voalazany tetsy ambony ( Matio 13:45) io fanoharana io. Mariho tsara ao amin'ireo fanoharana roa ireo ny teny hoe « ny fananany rehetra». Jesosy efa nilaza hoe « tsy azo ekena ho mpianatro izay tsy mahafoy izay rehetra ananany » (Lioka 14:33). Izany no fomba tokana ahatongavana ho mpianatr'i Jesosy sy hahazoana ny Fanjakan'Andriamanitra.

Ao amin'ny Matio 13:47-50 dia miresaka momba ny endrika ivelan'ny fanjakan'Andriamanitra ety an-tany Jesosy. Ahitana hazandrano samy hafa karazana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, ao ny tsara ary ao ny ratsy. Kanefa amin'ny fahataperan'izao tontolo izao dia hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina.