WFTW Body: 

Ny fireharehana ara-panahy no loza lehibe indrindra izay atrehantsika rehetra amin'ny fotoana rehetra, indrindra rehefa tahian'ny Tompo izay ataontsika. Tena mora foana amin'izay fotoana izay ny mihevitra fa efa tonga « olona misy vidiny » isika, kanefa isika mbola « olona tsy misy vidiny » foana. Ary dia Andriamanitra mihitsy no hanohitra antsika sy hiady amintsika, satria Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona rehetra, na iza izy na iza. Ho antsika manam-pahaizana na ambinina ny fivelomana sy ny fiainam-pianakaviana na rehefa miroborobo ny fiangonantsika, na mahazo vola aman-karena isika dia mora foana amintsika ny mieboebo. Mila andraisantsika fahazavana ny amin'ny fireharehana ara-panahy sy ny fitiavan-tena, mihoatra noho ny fahotana hafa rehetra. Mora foana amintsika mantsy ny mamita-tena ao amin'ireo sehatra anankiroa ireo. Mety hihevitena fa efa manetry tena be ary tsy tia tena isika kanefa ny tena marina dia mpirehareha sy mpanao fihi-mamba. Tena mpamitaka tokoa Satana.

Ireto misy porofo vitsivitsin'ny fireharehana ara-panahy izay ahazoantsika mamantatra ny tena toe-panahintsika : tafintohina, tezitra, eritreritra vetaveta, tsy manaiky diso, mitaredretra mamela heloka, ela famitra-pihavanana amin'ny mpiara-mivavaka, sy ny sisa.

Ny mpitondra fiangonana mieboebo dia hitondra tena tahaka ny mpanao didy jadona ao amin'ny fiangonany ary hitantana ny fiangonana tahaka ny fitantanan'ny tale jeneraly ny orinasany. Ny olona tahaka izany dia tsy afaka hanorina ny fiangonana ho Tena iray mihitsy.

Ny fireharehana ara-panahy dia tahaka ny fofon'ny olona sy ny fofom-bavany. Tsy tsapan'ny tompony izany fa ny hafa no mandre ilay fofona. Rehefa mirehareha amin'ny asa fanompoany ohatra ny loholona anankiray, dia tsy tsapany ny fofomaimbon'ny fireharehana ara-panahy mivoaka avy aminy. Kanefa ny olon'Andriamanitra anankiray mihaino azy dia hahatsapa avy hatrany ny fireharehana ara-panahy ao aminy.

Ny toetra mirehareha ao amin'ny mpitondra anankiray dia mahatonga azy hanao ny fiangonany ho fiangonana Babyloniana, tahaka ny hitantsika tao amin'ny toetran'i Nebokadnezara (Dan. 4:30). Avy hatrany dia naetrin'Andriamanitra sy narian'Andriamanitra i Nebokadnezara.

Ny fireharehana ara-panahy koa dia hiteraka tsi-fanajana ireo zoky ara-panahy sy ireo olona izay nohamarinin'Andriamanitra. Ny mpitondra tsy misy fanajana tahaka izany dia manantena fa hanaiky azy ny olona ao am-piangonana, kanefa izy tenany tsy vonona akory hanaiky na iza na iza manana fahefana ara-panahy sy napetrak'Andriamanitra eo amboniny. Izany tsi-fanajana izany dia hiha mateti-pitranga eo amin'ireo kristiana amin'ny andro farany. Hitantsika izany izao eny amin'ny manodidina antsika rehetra eny, eny amin'ireo ankizy sy tanora, amin'ny fomba firesahany amin'ireo rahalahy zokiny sy matahotra an'Andriamanitra.

Izay voalaza momba an'i Diotrefa (3 Jaona 1:9) sy momba ireo loholona dimy mpiodina nosoratan'i Jaona ( Apok. Toko faha-2 sy toko faha-3) dia fampitandremana ho antsika avokoa. Araka ny efa nolazaintsika tetsy aloha, raha toa ka nitsara ny tenany ireo mpitondra ireo dia Andriamanitra mihitsy no ho naneho mivantana tamin'izy ireo ny fahadisoany. Tsy ho voatery namosaka ireny fahadisoana ireny tamin'ny alalan'ny Apostoly Jaona Andriamanitra.

Rehefa tsy mitsara tena intsony isika dia hanomboka hitory teny, tahaka ny olona manam-pahaizana amin'ny fitorianteny. Koa tsy hitsangana eo anilantsika ny Tompo. Noho izany, dia tsy maintsy mitsara tena isan'andro isika ary tsy maintsy misaintsaina foana fa ny tenantsika sy ny asa fanompoantsika dia zavatra bitika. Tsy maintsy mandini-tena tsy tapaka isika mba hamantarantsika rahahamarinin'Andriamanitra ny fiainantsika sy ny asantsika ( Gal. 6:4). Raha tsy izany dia misy zavatra tena tsy mandeha ao izay.

Ireto misy fananarana telo sosona izay tiako atolotra ny mpitondra fiangonana rehetra.

1. Aoka ianao ho mpivavaka amin'Andriamanitra hanohoka ny vavanao eo amin'ny vovoka foana.

2. Tadidio mandrakariva fa ianao dia tsy inona fa rahalahy tsotra.

3. Ny fitiavan'ny Tompo anao no saintsaino lalandava fa tsy ny fiheveranao hoe Azy tokoa ianao.

Ny atao hoe « mahantra ara-panahy » dia « manakilasy ny tenanao ho tsinontsinona » (Mat. 5:3 Baiboly Amplified), ary mahatsapa tena mandrakariva fa mila fanampiana ara-nofo ary fanampiana ara-panahy.