WFTW Body: 

Ny Romana 8 dia miresaka momba ny fiainana ao amin'ny Fanahy. Rehefa tafiditra ao anatin'izany fiainana manoa tsara ny Fanahy Masina izany isika, dia hanomboka hiasa ao amin'ireo toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainantsika ny Raintsika mba hahatonga ny zavatra rehetra hiara-hiasa hahasoa antsika mandrakizay. Na dia misy olona te-hanisy ratsy antsika aza, dia ampiasain'Andriamanitra izany hahasoa antsika ary fantatsika fa ataon'Andriamanitra izay hampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo (Rom 8:28). Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy (sy anabavy) maro Izy (Rom 8:29). Tena filazantsara mahagaga tokoa anie izany ! Ny Romana 8:28 no anisan'ny fampanantenana mahagaga indrindra ao amin'ny Testamenta vaovao ary mahasahana ireo toe-javatra rehetra mety hatrehinao izany, izany hoe azo antoka ary tsy misy avakavaka. Noho izany dia mitenena amin'ny Tompo hoe : " Tompo ô, tsy manana afa-tsy tanjom-piainana tokana aho ety an-tany dia ny hanao ny sitraponao ety an-tany tahaka ny nataonao teo amin'ny fiainanao ihany koa. Tsy te-hamono tena hitady vola aho, na hitady voninahitra na laza na fiadanana. Tsy mila zavatra ho an'ny tenako aho eto ambonin'ny tany. Maniry hanao izay hahafaly Anao isan'andro fotsiny aho. Ary handini-tena mandrakariva ny amin'ireo zavatra ireo aho ". Amin'izay dia hiara-miasa hahasoa anao tokoa ny zavatra rehetra. Ary izany " soa " voalaza ao amin'ny andininy manaraka izany, ao amin'ny Romana 8:29, dia ny fanamboarana anao hitovy amin'i Jesosy mihitsy. Tsy misy soa lehibe mihoatra noho izany fanamboarana anao hitovy amin'i Jesosy izany, azon'ilay Andriamanitra Tsitoha atao ho anao.

Vakiantsika ao amin'ny Efesiana 1:4,5 fa " notendren'Andriamanitra amin'ny fitiavana isika ". Ilay hoe " notendrena " dia teny anankiray izay tena diso be ny fandraisan'ny olona azy. Inona moa no notendren'Andriamanitra ho antsika ? Ny ho any an-danitra ve sa ny ho any amin'ny helo ? Tsia. Tsy nisy olona notendren'Andriamanitra ho any an-danitra na ho any amin'ny helo. Izao no voalaza eto " notendreny isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony ". Notendreny isika mba ho zanaka lehibe efa matotra ao amin'i Kristy fa tsy ho kristiana mbola zaza. Natao ho zanaka azo omena andraikitra ianao izay hihevitra ny asa aman-draharahan'ny Rainao any an-danitra. Noho izany dia mitondrà tena tahaka ny zanaka izay mahatsapa tena fa tompon'andraikitra amin'ny asa fandraharan'ny Rainy.

Ao amin'ny Kolosiana 1:28 dia izao no lazain'i Paoly " Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra ". Sady faminaniana izany no fampianarana, miaraka amin'ny fahendrena rehetra. Ny tanjon'i Paoly lehibe indrindra dia mba " hatolotra ho tanteraka ao amin'i Kristy ny olona rehetra ". Raha ohatra ka nanana fiangonana nisy olona 100 i Paoly, dia ho nataony izay rehetra azony natao mba hahatonga ireo olona 100 ireo, dia ny rahalahy sy ny anabavy rehetra tsirairay, ho tanteraka ao amin'i Kristy tokoa. Namporisihany izy ireny, nanariny, ary nampianariny tamin'ny fahendrena rehetra, satria amin'ny andro iray dia tsy maintsy hatolony an'Andriamanitra izy ireny. Vitsy dia vitsy ny mpitandrina sy ny mpiandry manana izany vesatra izany ao am-pony. Izy rehetra dia mitory fotsiny. Tsy manao afa-tsy izay. Fa i Paoly kosa dia nanana vesatra mba hitondra ny olona tsirairay avy ho tonga amin'ny fahamatorana ara-panahy. Tsy azonao atao ambanin-javatra ny andraikitra maha-loholona anao ao am-piangonana. Tamin'izaho loholona tao amin'ny fiangonanay tao Bangalore nandritra ny 25 taona, dia niezaka aho hahafantatra ny toe-panahin'ny olon-dehibe rehetra tao amin'ny fiangonako, mba hahafahako manitsy azy ireo, mibedy azy ireo, manome fahendrena azy, manome teny fampaherezana sy teny mahery ho azy, mba hahafahako manolotra azy ho tanteraka ao amin'i Kristy amin'ny andro iray. Tsy nitady zavatra avy tamin'izy ireny ho an'ny tenako aho. Noho ny amin'izy ireny sy noho ny amin'ny Tenan'i Kristy dia tsy maintsy nandalo fanorotoroana aho tao amin'ny fiainako manokana. Maro be ireo fomba nitondran'Andriamanitra ahy hampipololotra avy ao anatiko ny hanitr'i Kristy mba hitahiana ny hafa. Izany no asa fanompoana kristiana tena izy. Ao amin'ny Kolosiana 1:29, dia tohizan'i Paoly ihany ny teniny hoe " Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra " . Niezaka tamin'ny fomba ahoana izy ? " Miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina mahery vaika, voalohany indrindra dia Andriamanitra no miasa mahery ato anatiko ". Tsy maintsy miasa ao anatintsika foana aloha Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ary avy eo vao afaka miasa amin'ny alalantsika izy mba hitahiana ny hafa. Ho anareo izay manao asa fanompoana ao am-piangonana, ataovy tanjona ireo andininy anankiroa ireo, ny manolotra ny olona rehetra tsirairay ho tanteraka ao amin'i Kristy (Kol. 1:28), ary ny manana ny fahafenoan'ny Fanahy Masina, izay fomba hahatrarana izany tanjona izany (Kol. 1:29).

Ao amin'ny Efesiana 4:13, dia milaza ny Apostoly Paoly fa tsy maintsy mitombo miandalana isika " mandra-pahatongantsika ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy ". Ny tanjontsika dia tsy maintsy hoe mitombo ary manampy ny hafa hitombo hahatratra izany fahafenoana izany. Tsy mahazo mijanona ho zaza intsony isika " ka ahilangilana sy ampitambolimbolen'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana " (Efesiana 4:14).

Ao amin'ny Efesiana 1:15, dia entanina isika " mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo ". Mariho ny fifandanjana misy eo amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. Tokony hilaza ny marina ve isika ? Eny tokoa. Tsy mitsahatra. Kanefa mahazo milaza izany amin'izay fomba tiantsika hilazana azy ve isika ? Tsia. Tsy maintsy milaza ny marina amin'ny fitiavana isika. Raha tsy vitanao ny milaza ny marina amin'ny fitiavana dia tokony hiandry aloha ianao mandra-panananao fitiavana ho an'ny olona hilazanao ny marina. Ny fitiavana no solaitrabe ahafahanao mampiasa ny penin'ny fahamarinana. Raha miezaka manoratra ny marina tsy misy solaitrabe ianao, dia eo amin'ny rivotra ihany no hanoratanao. Tsy misy olona afaka hamantatra izay soratanao. Amin'ny firesahana ny marina amin'ny fitiavana ihany, na eo ambony pilipitra izany na mandritra ny resadresaka ifanaovana, no ahafahantsika " hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy ".

Ao amin'ny Hebreo 6:1, dia misy fananarana hoe miezaha hanatratra ny fahamatorana. Ao amin'ny Hebreo 5, dia ahitantsika fanoharana momba ny fisotroana ronono sy ny fihinanana ventin-kanina. Misy fanoharana roa hafa koa. Ny voalohany, fanoharana ny amin'ny abidim-pianarana sy ny fampianarana sarotra, ary avy eo dia fanoharana ny amin'ny fanorenana sy ny vatan-trano. Ireny fanehoana an-tsary rehetra ireny dia natao hahitana ny fifanoheran'ny kristiana zaza sy ny kristiana olon-dehibe. Ny mahasamy hafa azy roa ireo dia miseho rehefa tonga ny fakam-panahy. Ny olomasina efa matotra dia mitondra tena tahaka an'i Kristy rehefa tonga ny fakam-panahy, fa ny zaza kosa dia mitondra tena tahaka ny olombelona. Andeha hampiasa fanoharana hafa isika. Eritrereto tahaka ny mianika tendrombohitra avobe (10 000 metatra ohatra) ny fiezahana hanatratra fahamatorana. Jesosy dia efa tafakatra hatreny amin'ny tampony. Raha vao nateraka indray isika dia miainga avy eo ambodin'ilay tendrombohitra. Ny tanjontsika dia manara-dia an'i Jesosy ary miezaka hanatratra ny tampon-tendrombohitra, na mety ho elabe aza vao ho tratra izany. Amin'izany dia afaka miteny amin'ireo zandrilahy sy zandrivavintsika isika hoe "Manaraha ahy tahaka ny hanarahako an'i Kristy " ( 1 Korintiana 11:1), na dia mbola vao tafanika 100 metatra fotsiny aza isika.