WFTW Body: 

Ny anisan'ny zavatra tena mampahery indrindra nolazain'i Paoly ao amin'ny Asa 20:24 dia hoe "Nefa tsy ataoko ho zavatra (tsy asiako vidiny) akory ny aiko…". Endre izany famporisihana nomen'i Paoly antsika mba hanahaka azy.

Indray andro aho dia nanatrika fandevenana ny vehivavy anankiray. Nahita ny fianakaviany niresaka momba ny fiainan'ilay vehivavy : ireo zava-tsarotra nodiaviny, ny namoizany ny vadiny raha mbola kely ny zanany, ny niezahany nanabe ireo zananivavy tamin'ny lalana tsara, ary ny nanampiany ireo zafikeliny tao anivon'ny zavatra maro sy ny sisa. Kanefa ny zavatra tena nanohina ahy indrindra dia ny tenin'ny zafikeliny. Hoy izy sady nitomany "Raha mba voalazako taminao bebe kokoa mantsy hoe tena sarobidy tamiko ianao". Ary nieritreritra ireo olona efa nodimandry teo amin'ny fiainantsika aho, ary impiry moa isika no nieritreritra hoe "Raha mba nanana iray andro fotsiny aho mantsy …"

Kanefa avy eo aho dia nieritreritra zavatra manan-danja kokoa ao amin'izany lafiny izany ihany, tsy ho an'ireo malalantsika fa ho an'Andriamanitra : tsy manana afa-tsy ity fiainana tokana ity isika hanehoana amin'Andriamanitra ny hasarobidiny eo amin'ny fiainantsika.

Ary izao ny fanontaniana : Rehefa tonga ny andro ahafatesana (na ny fiverenan'ny Tompo raha mialoha izany), moa ve aho hilaza hoe "Raha mba nasehoko ny Tompo bebe kokoa mantsy ny hasarobidiny tamiko".

Hanova ny fomba fijerintsika ny zavatra rehetra izany fisainana izany. Ho satrintsika hiezaka mafimafy kokoa hanohitra ny fahotana ka hiara-mandany fotoana tsotra sy madio bebe kokoa amin'ny Tompo : tsy amin'ny vavaka tsara lahatra fa izaho sy Jesosy irery, mpinamana anankiroa miara-mitokana, mba ho tia an'i Jesosy amin'ny alalan'ny fitiavana ny hafa sy ny fanehoana famindrampo sy fampaherezana amin'ny hafa, mifaly ao anatin'ny fisedrana sy ny fijaliana, noho ny amin'ny Tompo, mba hidera Azy ao anatin'ny zavatra rehetra, mba HIARA-miasa amin'Andriamanitra hamonjy ny hafa amin'ny fivavahana ho azy, ka tsy mety kivy, mba hikatsaka mandrakariva ny fanatrehan'Andriamanitra, ary hankamamy Azy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, mba hanao tsinontsinona ny zavatry ny tany, mba hihevitra ny zavatra rehetra eto an-tany ho taimboraka noho ny Aminy, mba hahalala Azy sy hanao izay hahafaly Azy, sy ny sisa

Endrey mbola manam-bitana isika ankehitriny. Kanefa amin'izao andro ankehitriny izao ihany no ananantsika an'izany. 2 Kor.6:2 "Indro ankehitriny no ANDRO FANKASITRAHANA, indro ankehitriny no ANDRO FAMONJENA".

Efa naheno aho hoe "Ny olona dia tsy inona fa ny zavatra eritreretiny mandritra ny tontolo andro". Anisan'ny tanjoko eo amin'ny fiainana ny mizatra mandrakariva hampiala moramora ny saiko amin'ny fialam-boly mba hampiverina azy any amin'ny Tompo sy ny fanatrehany mandritra ny tontolo andro. Fa tsy hampifantoka ny saiko amin'ireo "fiahiana hafa" tsy akory. Tsy mora izany. Tsy mino aho fa kristiana maro no mahatratra fifandraisana akaiky amin'ny Tompo tahaka izany. Kanefa ny Tompo no nametraka tato am-poko ny faniriana hanana izany fiainana izany, ary mino aho fa izany no fomba hanaovana ny zavatra rehetra ho amin'ny fitiavana sy ho amin'ny voninahitr'Andriamanitra (1Kor 10:31) dia ny hiara-mitondra ny hazo fijaliana amin'i Jesosy ao amin'ny fahitako (Heb 12:2) sy ao am-poko. Raha tsy misy izany dia ho tahaka ny vehivavy anankiray mahandro sakafo sy mikarakara tokantrano tsy tapaka aho, kanefa tsy manam-paniriana ny vadiny ary tsy maniry ho tia ny vadiny sy hiara mitoetra aminy. Izany dia fiainana kristiana tsy misy aina. Tsy maintsy mihazona ny Ray sy Jesosy ao am-poko aho ao anatin'izany rehetra izany. Mila miaina fiainana tsara aho MIARAKA amin'ny antony tsara.

Indray mandeha dia nomen'ny Tompo ahy ity sary ity : misotro kafe amin'ny kaopy plastika fanary tsy azo sasana aho. Tiako ilay kafe. Kanefa amin'ny ankapobeny ny kaopy dia tsy ilaina afa-tsy hasiana kafe mandritra ny fotoana fohy. Dia nariako iny rehefa lany ny kafe. Ary hitako fa TENA IZANY mihitsy ny fiainantsika. Fanary. Izany no tian'i Paoly nolazaina rehefa nilaza izy hoe "Tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako" (Asa 20:24). Ny hany zavatsarobidy azon'ity fiainana ity hazonina dia ny fahafahany mitahiry an'i Jesosy mandritra ny fotoana fohy hahavelomantsika eto. Fanary izy. Fiainana fanary. Mety ho feno zavatsoa izy mandritra ny fotoana kely eto an-tany kanefa avy eo dia hariana ihany.

Kanefa ity fiainantsika fanary ity dia azontsika atao kaopy feno fanoloran-tena sy firaiketam-po amin'i Kristy, ary izany firaiketam-po izany dia midika hoe Kristy no ZAVA-DREHETRA ho ahy. Izany firaiketam-po izany ihany no zava-tsarobidy tokana azon'ity fiainana fanary ity fihinina mandritra ny fotoana fohy.

- Ho kaopy fanary feno fanahafana an'i Kristy ka hivelona eto an-tany sy hampifaly ny Tompo, tsy ety ivelany fotsiny fa ao anaty, fitiavana madio sy fikasana madio mikoriana avy ao ampontsika.

- Ho kaopy fanary feno fanetrentena izay manandratra ny Ray sy Jesosy, ary faly mietry sy mihena satria mitombo i Kristy. Izany hoe ho kaopy fanary feno fahatokiana sy finoana izay manaiky ny fahendren'Andriamanitra sy ny fitiavany, ao anatin'ny fanaintainana mafy sy taom-pialiana maro, manolotena am-pifaliana eo an-tanan'ny Tompo eo am-pamakivakiana izany rehetra izany, mba hanao araka ny sitrapony.

Izany no zavatsoa mandrakizay azon'ity kaopintsika fanary ity fihinina mandritra ny fotoana fohy mandra-pifindrantsika any amin'ny mandrakizay.

Izao no voalazan'ny Jakoba 4:14 "Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia ho levona"

Noho izany dia mahasoa ny ara-panahintsika ny mieritreritra ny ho avy sy misaintsaina izay zavatra mbola hisy vidiny rehefa afaka 1000 taona, na afaka 100 taona. Izany fomba fisainana izany no nanampy ahy teo amin'ny fiainako kristiana tany am-boalohany. Ary ezahiko ampianarina ny zanako izany izao.

Ity misy tononkalo izay nampahery ahy fony aho mbola kely, mba hiaina amin'ny fomba matotra kokoa ho an'Andriamanitra, sy hampifantoka ny saiko amin'ny zavatra any ambony (Kol 3:2)

REHEFA AFAKA 100 TAONA ANY

Tsy hampiova zavatra ry namako

Rehefa afaka zato taona any

Na tranobe soa no nipetrahanao

Na lakan-drafitra tambony rano

Na akanjo tsara zaitra no nanaovanao

Na rovi-damba natao bemiray

Na hanimpitoloha no fihinanao

Na tsaramaso ro

Rehefa afaka zato taona any

Tsy miteny ny volanao tany amin'ny banky

Na ny firentin'ny fiara nentinao

Satria ny fasana hitaky ny harena aman-dazanao

Sy izay rehetra nilofosanao

Misy fe-potoana tsy maintsy hatrehintsika mantsy

Ary tsy misy olona afaka ny ho tara

Amin'izay dia tsy mampiova n'inon'inona,

Na taiza avy no nalehanao na taiza

Hanaja an'io fotoana io isika tsirairay

Izay nafointsika tety an-tany ihany

No fananantsika any amin'ny mandrakizay

Any am-pasana isika dia tsy afaka hitahiry

Afa-tsy izay zava-tsarobidy mandrakizay

Koa atao inona ry namana ny vola aman-karena

Izay iankohofan'ny olona ombieny ombieny ?

Satria ny anjara lahatrao dia efa raikitra

Rehefa afaka zato taona any