WFTW Body: 

Eo amin'ny toerana iray dia mitady olona anankiray foana farafaharatsiny Andriamanitra mba hiandany Aminy (araka izay vakiantsika ao amin'ny Ezekiela 22:30). Taloha dia nahita Enoka anankiray Izy, avy eo Noa anankiray, dia Abrahama, taty aoriana dia Elia anankiray sy Jaona Mpanao Batisa sy ny sisa.

Tany Babylona dia nahita Daniela anankiray Izy. Na dia miresaka mikasika ireo sakaizan'i Daniela telo lahy aza ny Baiboly : Hanania, Misaela ary Azaria (izay novaina anarana taty aoriana hoe Sadraka sy Mesaka ary Abednego) ao amin'ny Daniela 1:7, dia voalaza ao amin'nyDaniela 1:8 fa i Daniela irery no " ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany". Tamin'izay fotoana izay ihany ireto telolahy ireto vao sahy nijoro. Marobe ny Hanania sy Misaela ary Azaria eny anivon'ny mpino any amin'ny toerana maro eto amin'izao tontolo izao, izay tsy manana herimpo hiandany amin'ny Tompo raha irery, kanefa sahy hijoro izy ireny raha misy Daniela mitsangana eo afovoany sy mijoro ho an'ny Tompo. Koa manapaha hevitra ho tonga 'Daniela' anankiray ho an'ny Tompo ianao na aiza na aiza toerana misy anao.

Misy zavatra mitovitovy amin'izany koa hitantsika, saingy ratsy, amin'ny lafiny iray mifanohitra amin'izany. Nisy anjely marobe tany an-danitra tamin'ny voalohany izay angamba nanana tsi-fahafahampo nandevilevy tao anatiny momba ny zavatra iray na zavatra hafa. Kanefa tsy nanana herimpo hiodina tamin'Andriamanitra izy raha tsy nitsangana teo afovoany Losifera. Rehefa nambaran'i Losifera (lohan'ny anjely) ny fiodinany dia nikambana taminy niaraka tamin'izay ny ampahatelon'ny anjely (Apok. 12:4). Ireo anjely anapitrisany maro ireo dia noroahin'Andriamanitra niaraka tamin'i Losifera, ary izy ireny no demonia ao anatin'ny olona demoniaka ankehitriny. Fitsipik'Andriamanitra mandrakizay ny hoe " manaisotra ireo miavonavona, mibitaka amim-pireharehana Andriamanitra, nefa mamela olona ory sy malahelo eny rehetra eny " (Zefania 3:11,12). Izany no fomba nanadiovan'Andriamanitra ny lanitra tany aloha elabe, ary tahaka izany koa no anadiovany ny fiangonany ankehitriny.

Amin'izao fotoana izao dia misy hetsika roa miaraka mandroso eto amin'izao tontolo izao. Ireo Daniela dia manangona roa sy telo mba hijoro ho an'ny Tompo, ary ireo Losifera dia manangona ny olony anapitrisany, entiny any amin'ny fahalotoana, any amin'ny fiodinana amin'ny manam-pahefana ary any amin'ny tsi-fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Kanefa ireo roa na telo miaraka amin'ireo Daniela no handresy amin'ny farany, satria na olona iray fotsiny aza no miaraka amin'Andriamanitra dia maro anisa foana iny olona iny. Raha tsy manana Daniela anankiray eo amin'ny toerana anankiray Andriamanitra, dia hahita olona hitarika ny vahoaka any amin'ny lalany ny Devoly. Noho izany dia tena zava-dehibe ny hahatongavanao ho Daniela anankiray ho an'Andriamanitra eo amin'ny toerana misy anao, Daniela izay manomboka minia ao am-ponao tsy handoto ny tenanao amin'ny tsi-fankatoavana na dia ny kely indrindra aza amin'ny didin'Andriamanitra, ary dia hiandany amin'Andriamanitra ianao na dia hatsipy any an-davaky ny liona aza.

Mivavaka izahay mba hanomezan'Andriamanitra fahasoavana sy hery ary fahendrena ho anao. Ity misy fanovàna kely amin'ny vavaka izay mety ho efa hitanao : " Tompo o, omeo herimpo aho hanao hoe TSIA amin'ireo zavatra tianao ho laviko, omeo hery aho HANAO ireo zavatra tianao hataoko, ary omeo fahendrena aho hahaizako manavaka azy roroa ireo ".