WFTW Body: 

Ao amin'ny Samoela voalohany toko 18 no amakiantsika ny saina mendrika nananan'i Jonatana zanakalahin'i Saoly tamin'i Davida. Jonatana dia azo antoka fa zokin'i Davida sady izy koa no mpandova ny fanjakana. Noho izany dia tokony ho nankahala an'i Davida izy izay nohindrahindrain'ny vahoaka Israely ka tokony ho natahorany. Kanefa ny nifanohitra tamin'izany no niseho, hitantsika ny fitiavana madio sy ny fanajany an'i Davida tao ampony. Izany dia mampiseho fa Jonatana dia olona nihevitra kokoa ny momba ny voninahitr' Andriamanitra sy izay mahasoa ny Israely noho ny fisondrotan'ny tenany. Noho izany dia tsy nisy tao anatiny na kely aza tamin'ireo fialonana izay nanimba an'i Saoly rainy. Ny fony dia niraikitra tanteraka tamin'i Davida. Nomeny an'i Davida ny fitafiam-panjaka teny ankodiny, ny sabatra sy ny tsipikany, mba hilazany hoe : « Ireto ry Davida. Amin'ny fanomezako anao an'ireo zavatra ireo no ampisehoako fa ianao no mpandova ara-dalàna ny fanjakana (ny fitafiana) ary tsy hiady aminao na oviana na oviana aho (sabatra sy tsipika). Hanaiky ny fahefanao aho (1 Sam 18 :4). Tena mahafatrapo tokoa izany tovolahy izany. Vakiantsika ao amin'ny Samoela voalohany toko 14 ny finoany an'Andriamanitra izay nandreseny ny Filistina. Ary hitantsika eto fa tsy nahazo azy ny fialonana ary nanana fahiratantsaina arapanahy izy hamantarany izay olona nohosoran'Andriamanitra.

Mahafinaritra be rehefa mahita rahalahy zokiolona izay manaiky ny hosotr'Andriamanitra eo amin'ny rahalahy tanora kokoa noho izy ka mandefitra sy mamela izany rahalahy zandriny izany hitarika sy hanolo azy ao am-piangonana. Mahita ohatra tsara tarehy amin'izany isika tao amin'i Barnabasy. Ao amin'ny Asan'ny Apostoly 13 :2 dia vakiantsika fa nantsoin'Andriamanitra « Barnabasy sy Saoly » hanao ny asany. Barnabasy dia sady ambony kokoa no antitra kokoa noho Saoly ary tsy mahagaga raha ny anarany no voatonona voalohany. Kanefa fotoana fohy taorian'izany dia lasa hoe « Paoly sy Barnabasy » (and 43). Nahoana moa ? Nihemotra tsimoramora hankao aoriana Barnabasy rehefa hitany fa lehibe kokoa noho ny azy ny hosotra teo amin'i Paoly izay rahalahy tanora kokoa noho izy. Efa hatraiza re ohatr'izay ny herin'ny fiangonan'i Jesosy Kristy teto amin'ity tany ity raha maro kokoa ny olona tahaka an'i Jonatana sy Barnabasy e, izay tsy mba nihevitra izay ho an'ny tenany, tsy mba nanana fialonana na tamin'ny inona na tamin'ny inona, fa kosa, nitady ny voninahitr'Andriamanitra irery ihany, ary tsy misalasala manohana ireo rahalahy tanora noho izy ireo kanefa nandray hosotra mahery vaika kokoa.

Ao amin'ny 1 Sam 24 :4-5 dia hitantsika ny saina mendrika nananan'i Davida tamin'ny tsy namonoany an'i Saoly kanefa teo ampelatanany ny ainy. Tamin'izay ny feon'ny fieritreretan'i Davida dia namporisika azy handrovitra lamba kely avy amin'ny akanjon'i Saoly, nataony izany mba hanehoany amin'i Saoly fa azony natao tsara ange ny namono azy. Na dia tohina sy latsadranomaso aza Saoly tamin'ny nahenoany izany ary lasa nody dia mbola niverina nihaza an'i Davida indray izy taorian'izany. (1 Sam 26 :2). Ny fialonana, ny fahatezerana ary ny fankahalana dia mahita lalana iverenana sy iverenana foana tahaka ny onja eny amoron-dranomasina raha vao tsy fongorana hatramin'ny fakany.

Ao amin'ny 1 Samoela toko 30, tafiditra tao anatin'ny sarotra Davida. Raha mbola tany an'ady izy sy ireo lehilahy nomba azy dia tonga ny Amalekita ka nandrava ny tanàna nitoeran'ireo vahoakan'i Davida dia nambabo azy ireo. Ratsy dia ratsy loatra izany toejavatra izany ka nanomboka nitomany fatratra ny lehilahy rehetra ary nanondro an'i Davida ho tompon'andraikitra ny amin'izao manjo azy ireo izao. Nifampitaona hitorabato hamono azy izy ireo (and 6). Avy eo dia vakiantsika ireto teny mahafinaritra be ireto : « Fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny »(and 6). Tsy fianarana tsara tokony arahintsika ve izany rehefa miodina hamely antsika na dia ny namantsika aza. Mbola nitady an'i Jehovah indray Davida ary Jehovah niteny taminy mba handeha hanenjika ny amalekita sady nanome toky azy fa ho tafaverina avokoa izay azy rehetra (and 8). Kanefa tsy fantatr'i Davida ny lalana nomban'ireo Amalekita ireo.

Mampihaiky ny mahita ny fomba nitondran'Andriamanitra an'i Davida ho any amin'ireo Amalekita ireo. Tamin'ny fiantrana fotsiny izay nataony tamin'ny olona vahiny iray izay efa ho faty. Nahita lehilahy egyptiana iray nivalampatra teo amin'ny tany efitra, tsy nahatsiaro tena intsony sady efa ambavahoana Davida sy ireo namany. Nokarakarainy ilehio ka nomeny hanina sy nampisotroany rano. Rehefa velombelona izy dia nampahafantariny fa narian'ny Amelekita teo izy satria narary (1 Sam 30 :11-13). Izany dia fampianaran'Andriamanitra antsika fa mamaly soa antsika izy rehefa miantra vahiny isika. Koa dia hitan'i Davida sady resiny ireo Amalekita. Ary dia voasoratra intelo fa « azon'i Davida avokoa » izay rehetra nobaboin'ny Amalekita (1 Sam 30 :18-20). Sary mahafinaritra anoharana an'i Jesosy izany satria azon'i Jesosy avokoa izay rehetra nangalarin'i Satana tamintsika.

Rehefa tapitra ny ady ary niverina tany antobiny Davida dia nisy lehilahy 200 tamin'ireo mpiadiny no reraka loatra ka tsy afaka niantafika niaraka taminy, koa dia navelany hiambina entana ireo. Fa ireo olona sasany ratsy fanahy dia nilaza fa tsy tokony hozaraina amin'ireo nijanona ny babo satria izy ireo tsy mba nandeha niady. Kanefa dia jereo ange izany halalaky ny fon'i Davida. Nilaza izy fa izay nijanona sy niandry entana dia mahazo anjara babo mitovy amin'ny azon'ireo nandeha niady. Ary dia natao lalàna tany Israely izany nanomboka tamin'io andro io (1 Sam 30 :21-25).