WFTW Body: 

Ao amin'ny Efesiana toko faha-4 dia misy didy manao hoe "Tezera fa aza manota" (Efesiana 4:26). Ny dikan'izany dia hoe tokony hisy fahaterezana tsy fahotana eo amin'ny fiainana. Koa rehefa nampakarin'i Jesosy ny fenitry ny Testamenta taloha, ka ilay hoe "Aza mamono olona" dia novainy hoe "Aza tezitra" dia tokony ho fantatsika ny fahatezerana ratsy sy ny fahatezerana tsara.

Rehefa misy andinin-tSoratra Masina tsy mazava amintsika tsara dia tsy maintsy jerentsika ny rakibolana ara-panahy : ilay Teny tonga nofo, izany hoe ny fiainan'i Jesosy Kristy. Nolazain'i Jesosy fa Izy no fahazavan'izao tontolo izao ary izao no voalaza momba Azy "Izy no nisiam-piainana ; ary ny fiainana no fanazavana ny olona" (Jaona 1:4). Ny fiainan'i Jesosy Kristy Tompontsika no fahazavana hanazavana ny andininy tsirairay ao amin'ny Soratra Masina. Koa rehefa mamaky isika hoe "Tezera fa aza manota" ary ezahintsika ny manavaka ny fahatezerana manota sy ny fahatezerana tsy manota dia tsy maintsy mandeha mijery ny Fahazavana ao amin'ny fiainan'i Jesosy isika.

Oviana moa Jesosy no tezitra ary oviana Izy no tsy tezitra ? Vakiantsika ao amin'ny Marka 3:1-5 fa rehefa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy dia nijerijery tamin'ny fahatezerana ireo olona izay nitady hanakana ny fanasitranana ilay lehilahy maty tànana. Tezitra tamin'ireo Fariseo Izy satria ny fitandremana ny fombafomban'ny Sabata no nahamaika azy ireo kokoa noho ny fanasitranana ilay olona maty tanana. Izany ilay fahatezerana marina, izany hoe fahatezerana amin'ny mpitondra fivavahana sy mpivavaka izay manao ny fombafomba ho zava-dehibe kokoa noho ny olona ary manao ny fitandremana ny fombafomba sasany ho zava-dehibe kokoa noho ny famonjena ny olona mararin'ny paralysisa.

Ankehitriny ny paralysisa dia hita ao amin'ireo kristiana resin'ny fahotana sy ao amin'ireo mpitondra fivavahana izay manao ny fandoavana fahafolon-karena ho zava-dehibe kokoa noho ny famonjena ny olona amin'ny fahotana. Mitovy sokajy tamin'ireo Fariseo izay nanakana ny fanasitranana an'ilay lehilahy maty tanana izany satria ny fandoavana ny ampahafolon-karena sy ny fitandremana ny Sabata no zava-dehibe kokoa taminy. Maro ny mpitory sy mpitandrina tahaka izany ankehitriny, izay tsy liana amin'ny famonjena ny mpino amin'ny herin'ny fahotana fa aleony manara-maso tsara ny fandoavan'ny olona ampahafonon-karena. Jeren'i Jesosy amin'ny fahatezerana ny olona tahaka izany satria tsy hampadoa ampahafolon-karena ny olona no nahatongavan'i Jesosy. Tonga Izy mba hamonjy ny olona amin'ny fahotany. Tsy hampadoa ampahafolon-karena ny olona no nahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana. Maty teo amin'ny hazofijaliana Izy mba hamonjy antsika amin'ny fahotantsika.

Ny anaran'ny Mpamonjintsika dia Jesosy tonga Izy hamonjy antsika amin'ny fahotantsika (Matio 1:21). Rehefa misy olona manakana ny hafa tsy ho voavonjy amin'ny fahotana ka miteny izy hoe "Aza mihaino an'io olona io ianareo satria fandresena ny fahotana no toriany fa izaho ihany henoina satria izaho no milaza aminareo ny fomba fandoavana ny ampahafolon-karena", dia matokia fa ho tezitra amin'izany olona izany Jesosy. Ary raha manana firaisana amin'i Jesosy Kristy ianao, amin'ny maha-mpanompon'Andriamanitra anao, dia tsy maintsy tezitra amin'izany olona izany koa ianao izay manakana ny olona tsy ho vonjena.

Ny ohatra anankiray hafa tamin'ny nahatezeran'i Jesosy dia ao amin'ny Jaona toko faha-2 rehefa niditra teo an-kianjan'ny tempoly i Jesosy ary nandroaka ny mpanakalo vola. Voalaza ao fa nanamboatra karavasy Izy ary nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sady niteny hoe "Ento mivoaka ireto zavatra ireto". Tena nitroatra ny fahatezeran'i Jesosy, koa tsaroan'ny mpianany ilay Tenin'Andriamanitra hoe "Ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy" (Jaona 2:15-17). Ny firehetana ny amin'ny fahadiovan'ny tranon'Andriamanitra dia tokony hampirehitra ny fahatezerantsika rehefa mahita olona manararaotra ny mahantra isika ka manao fitadiavam-bola amin'ny anaran'ny fivavahana. Dia tahaka ireo mpivarotra voromailala sy ondry izay nanararaotra ny mahantra ka niteny hoe "Hanaovanareo fanatitra no ivarotanay ireto ondry sy voromailala ireto nefa mazava ho azy fa lafo kokoa noho ny any an-tsena ny ividiananareo azy satria tsy maintsy maka tombony izahay". 

Oviana moa Jesosy no tsy tezitra ? Ohatra anankiray, rehefa nantsoin'ny olona Izy hoe Belzeboba (lohan'ny demonia) (Matio 12:22-24). Ny nisehoan'izany dia rehefa namoaka demonia tamin'ny lehilahy anankiray moana sy marenina i Jesosy. Nahita izany ny vahoaka rehetra ka faly dia faly ary nanao hoe "Ity no Zanak'i Davida. Jereo ny fahagagana lehibe nataony ka namonjeny an'ity lehilahy ity". Fa nialona ny Fariseo ary namaly avy hatrany hoe "Tsy misy amoahan'Ilehiny ny demonia afa-tsy Belzeboba lohan'ny demonia" (Matio 12:24). Nantsoin'izy ireo hoe Satana i Jesosy. Eritrereto ange hoe misy miantso anao hoe Satana rehefa manompo ny Tompo ianao. Kanefa izao no navalin'i Jesosy "Zanak'olona ihany ange Aho, toy ny olona tsotra rehetra ihany. Raha manao teny hanohitra Ahy hianareo dia hahazo famelan-keloka. Fa tandremo sao manao teny hanohitra ny Fanahy Masina" (Matio 12:32).

Tsy tezitra Jesosy rehefa nantsoin'ny olona hoe devoly. Hoy Izy "Tsy maninona na manao teny manohitra Ahy aza hianareo, izaho ange Zanak'olona ihany. Voavela ny helokareo". Andriamanitra Tsitoha ilay Jesosy nantsoin'izy ireo hoe devoly nefa tsy tezitra Izy. Navelany ny helok'izy ireo. Ny tena kristiana dia tsy ho tezitra mihitsy rehefa ompain'ny olona, rehefa antsoin'ny olona hoe devoly na kisoa na alika na inona na inona. Tsy mampihontsi na azy izany. Raha manahaka an'i Kristy ianao dia hamela ny helok'ilay olona ary tsy ho tezitra. Tsy hitahiry lolompo aminy akory aza ianao na ho tezitra amin'izay manome anaran-dratsy anao.

Vitsy dia vitsy ny kristiana te hitovy amin'i Jesosy Kristy, kanefa samy te ho an-danitra avokoa izy rehetra rehefa maty. Te ho any an-danitra ny kristiana rehefa maty kanefa firy amin'izy ireny no te hiaina tahaka ny niainan'i Jesosy Kristy teto an-tany alohan'ny hankanesany any an-danitra ? Vitsy dia vitsy. Izany no olana. Ny ankamaron'ny olona dia tsy tena kristiana. Mitondra anarana hoe kristiana izy satria teraka tao amin'ny fianakaviana kristiana kanefa tsy mbola nanolotra ny fiainany manontolo ho eo ambany fifehezan'i Jesosy Kristy. Noho izany dia tsy kristiana izy ireny amin'Andriamanitra. Ho gaga tokoa izy ireny amin'ny fiverenan'i Kristy rehefa ho hitany fa hay tsy kristiana akory izy satria tsy ny fahaterahana ao amin'ny ankohonana kristiana no maha kristiana ny olona. Safidy tsy maintsy noraisinao manokana izany.

Tena zava-dehibe loatra ny mahafantatra an'izany. Izany no hevitry ny Efesiana 4:26 hoe "Tezera fa aza manota". Ary eo amin'ny andininy fahadimy aorian'izany, ao amin'ny Efesiana 4:31 dia izao no voalaza "Esory aminareo ny fahatezerana rehetra". Toa mifanipaka ny fijery an'ireo andininy anankiroa ireo. Etsy ambony izy milaza hoe "Tezera fa aza manota" ary etsy ambany indray hoe "Esory ny fahatezerana rehetra". Inona ilay fahatezerana tokony esorina ? Ilay fahatezerana tia tena, manao ny tena ho ivo ary manota. Inona ny fahatezerana tokony hananana ? Ilay fahatezerana manao an'Andriamanitra ho ivo, miaro ny voninahitry ny anaran'Andriamanitra. Tokony tsy hahazo aina isika rehefa tsy omem-boninahitra ny anaran'Andriamanitra eto an-tany.