WFTW Body: 

Ny fehezanteny voalohany indrindra ao amin'ny Hebreo dia milaza fa tamin'ny alalan'ny mpaminany no nitenenan'Andriamanitra fahiny, fa ankehitriny kosa dia efa miteny amin'ny alalan'ny Zanany Izy. Ny fanekena taloha dia saika fampitàna ny didin'Andriamanitra tamin'ny hoe "Aza manao an'izao" na "Izao atao". Fa ny fanekena vaovao kosa dia fampitana AINA avy amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Zanany.

Izany no antony nanirahan'ny Ray an'i Jesosy tety an-tany fony Jesosy mbola zazakely. Tsy sarotra tamin'Andriamanitra ny naniraka an'i Jesosy efa olon-dehibe tety an-tany. Kanefa tonga zazakely Izy mba hiainany koa ny zavatra izay iainanatsika, sy mba hihatra aminy ny fakam-panahy izay mihatra amintsika nanomboka hatramin'ny fahazazany.

Kanefa ny ankamaroan'ny kristiana dia tsy mieritreritra afa-tsy ireo 3 taona sy tapany nanaovan'i Jesosy ny asa fanompoany sy ny nahafatesany tao Kalvary. Heveriko fa marina raha lazaina hoe 99% mpino no tsy mba mieritreritra mihitsy ny fomba niainan'i Jesosy nandritra ireo 30 taona nipetrahany tao Nazareta. Eritreretin'izy ireo ny fahaterahan'i Jesosy. Ankalazainy isan-taona izany. Eritreretin'izy ireo ny fahafatesan'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Ankalazain'ny olona isan-taona koa izany. Ary eritreretiny ireo fahaganana nataon'i Jesosy. Dia izay ihany.

Zara raha misy mieritrritra ilay ampahany manan-danja tamin'ny fiainan'i Jesosy. Ny fotoana nanaovany ny asa fanompoany dia 10 isan-jaton'ny fiainan'i Jesosy tety an-tany fotsiny, 3 taona sy tapany tao anatin'ireo 33 taona sy tapany.. Ary ny fahaterahan'i Jesosy sy ny fahafatesany dia zavatra nitranga tao anatin'ny indray andro monja. Ny ampahany lehibe indrindra tamin'ny fiainan'i Jesosy dia ireo 30 taona nolaniany tao Nazareta. Ny asa fanompoan'i Jesosy manontolo dia nifototra tamin'ireo 30 taona ireo. 30 taona maninjitra no laniny nanomanany ireo toriteny izay notoriany nandritra ny asa fanompoany manontolo. Tsy mitovy amin'ny fomba fanomanan'ny mpitory ankehitriny ny nanomanan'i Jesosy ny "toriteny teo an-tendrombohitra". Ny mpitory ankehitriny dia mipetraka ao amin'ny biraony sy mandinika boky sy kônkôrdansa ary mandray an-tsoratra sy manomana zava-mahaliana kely vitsivitsy samy mitovy litera fanombohana !!. Tsia. Io toriteny teo an-tendrombohitra io dia nivoaka avy tamin'ny fiainan'i Jesosy. 30 taona no nolaniany nanomanana azy. Izany no nampahery vaika loatra ny toriteny ary izany no nahatonga ny vahoaka ho talanjona tamin'ny fahefana izay nitenenan'i Jesosy (Matio 7:28,29).

Tao amin'ny fanekena taloha dia vakiantsika fatamin'ny andro sasany ihany nonitenenan'Andriamanitra tamin'i Jeremia. Notononin'i Jeremia tamin'i Baroka mpanoratra izay zavatra nolazain'Andriamanitra ary Baroka dia nanoratra marina ny teny rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia. Dia tahaka izany koa, tamin'ny fotoana sasantsasany ihany no nitenenan'Andriamanitra tamin'i Ezekiela ka nilazany taminy izay tokony nolazainy tamin'ny vahoakan'i Joda. Ary nandeha Ezekiela ka nilaza marina izany tamin'ny vahoaka. Tsara izany. Raha manana mpitory fivavahana tahaka izany fotsiny aza isika ankehitriny dia efa tsara be !

Saingy tsara kokoa ny asa fanompoana ao amin'ny fanekena vaovao ! Tsy tamin'ny andro sasany ihany no nitenenan'Andriamanitra tamin'i Jesosy toy izay nitenenany tamin'ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha.Isan'andro isan'androno nitenenan'Andriamanitra tamin'i Jesosy ary isan'andro isan'andro no nitenan'i Jesosy tamin'ny olona avy tamin'ny fiainany. Ny asa fanompoan'i Jesosy dia niboiboika avy tamin'ny fiainany. Izany no dikan'ny hoe "onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony" (Jaona 7:38)

Ny mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha dia tsy inona fa mpitondra teny ihany. Mba hampitàna ilay teny dia fitadidiana tsara fotsiny no ilaina ananana. Fa ao amin'ny fanekena vaovao kosa dia tsy misy teny ampitain'Andriamanitra amin'ny olona afa-tsy ny Fiainany ! Amin'izany dia tsy fitadidiana tsara no ilaina ananana fa fiainana tsara, dia ilay fiainan'Andriamanitra.

Mamelà ahy haneho an-tsary ny fahasamihafana : raha manovo rano eo amin'ny paompy ianao (mahazo teny avy amin'Andriamanitra) k mandrotsaka an'iny avy eo dia sarin'ny asa fanompoana tao amin'ny fanekena taloha izany. Avy eo ianao dia afaka miverina hanovo rano bebe kokoa (mahazo teny anankiray hafa avy amin'Andriamanitra) ary mandeha mandrotsaka an'iny koa.

Fa ao amin'ny fanekena vaovao dia nomena loharano miboiboika (ny fiainan'i Jesosy mihitsy) isika ao anatintsika. Ary miboiboika tsy tapaka avy ao anatintsika izany. Koa tsy voatery hankany amin'Andriamanitra isaky ny mihetsika isika vao hahazo teny. Isika mihitsy no ataon'Andriamanitra toriteny. Ny fiainantsika mihitsy no toriteny ary avy aminy no itenenantsika !

Ny ankamaroan'ny olona dia manana asa fanompoana fandrotsahana. Ny sasany rehefa mandrotsaka dia tsy misy na inona na inona mitete akory ary ny sasany manan-javatra homena. Kanefa izy roa ireo dia samy mandrotsaka. Ary izy roa ireo dia samy ho ritra.

Jesosy anefa nilaza tamin'ilay vehivavy Samaritana fa hanisy loharanon'ny fiainana mandrakizay ao anatin-dravehivavy izay hiboiboika tsy miato avy ao aminy Izy. (Ny fiainana mandrakizay dia midika hoe ilay tena fiainan'Andriamanitra)

Izany fiainana izany no tian'ny Tompo hiboiboika avy ao anatintsika koa, fa tsy toriteny ihany. Izany no asa fanompoana ao amin'ny fanekena vaovao