WFTW Body: 

Ny ministera na ny asa fanompoana ao amin'ny fanekena vaovao dia tsy maintsy ateraky ny fiainana fa tsy ateraky ny fahaizana.

Tao ambanin'ny fanekena taloha dia nampiasain'Andriamanitra na dia ireo olona ratsy fitondran-tena aza. Samsona dia nahavita nanavotra ny zanak'Isiraely na dia niaina tao anaty fahotana aza. Tsy niala taminy ny Fanahin'Andriamanitra na nijangajanga aza izy. Tsy niala taminy ny hosotr'Andriamanitra raha tsy tamin'izy nanety ny volon-dohany ka nivadi-panekena tamin'Andriamanitra. Nanana vady marobe i Davida. Kanefa ny hosotr'Andriamaintra dia nitoetra teo aminy ary nanoratra ny Soratra Masina mihitsy aza izy.

Fa ny ministera ao amin'ny fanekena vaovao kosa dia hafa tanteraka mihitsy. Ny 2 Korintiana toko 3 dia mampifanohitra ny fanompoan'ny fanekena taloha sy ny fanompoan'ny fanekena vaovao. Ny tena mahasamy hafa azy dia izao : Tao ambanin'ny fanekena taloha dia nandinika tsara ny Lalàna ny mpisorona ary nampianarin'izy ireo ny vahoaka izay voalazan'Andriamanitra tao amin'ny Teniny. Fa ao amin'ny fanekena vaovao kosa isika dia manara-dia an'i Jesosy Izay niteny ny Tenin'Andriamanitra avy tamin'ny fiainany anaty sy avy tamin'ny fandehananyniaraka tamin'ny Rainy. Tena samy hafa be tokoa ny hoe manao asa fanompoana avy amin'ny fiainana sy ny hoe mitory teny avy amin'ny fahalalana.

Ny mpitory rehetra izay tsy mampita afa-tsy fampahalalana (informations) dia mpitory ao amin'ny fanekena taloha. Ny fampahalalana rehetra omeny dia mety ho marina avokoa. Kanefa tsy ainano ampitainy tsinona, tsy mpanompo ao amin'ny fanekena vaovao izy. Ny fanekena taloha dia fanekena natao an-tsoratra fa ny fanekena vaovao kosa dia fanekena atao an'aina. Fa ny soratra mahafaty fa ny Fanahy no mahavelona .

Tao amin'ny fanekena taloha dia nomen'Andriamanitra lalàna hotandremany ny Zanak'isiraely. Fa ao amin'ny fanekena vaovao dia Modely no nomen'Andriamanitra, izay tamin'ny alalan'i Jesosy. Ny FIAINAN'i Jesosy no fahazavan'ny olona. Ny fahazavana ankehitriny dia tsy tsangan-kevitra na fampianarana, fa ny fiainan'i Jesosy mihitsy izay miseho amin'ny alalantsika. Izay zavatra rehetra ankoatr'izay dia fahamaizinana avokoa, na dia lazaina fafoto-pampianarana ara-pilazantsara aza.

Tao amin'ny Testamenta Taloha dia nyLalàn'Andriamanitra voasoratra no fanazavana araka izay vakiantsika ao amin'ny Salamo 119:105.Fa tonga nofo ilay Teny iny avy eo ary dia Jesosy mihitsy no tonga Fahazavan'izao tontolo izao (Jaona 8:12). Ny fiainan'i Jesosy no fanazavana ny olona (Jaona 1:4). Kanefa nilaza tamin'ny mpianany Jesosy fa mandritra ny androm-piainany eto an-tany ihany Izy no ho Fahazavan'izao tontolo izao (Jaona 9:5). Efa niakatra any an-danitra Izy, efa nilaozany eto amin'izao tontolo izao isika mba ho tonga fahazavan'izao tontolo izao (Matio 5:14). Noho izany dia lehibe tokoa ny andraikitsika amin'ny fanehoana izany fahazavana izany amin'ny alalan'ny fiainantsika.

Ny tabernakely tao amin'ny Testamenta taloha dia sarin'ny fiangonana. Araka ny fantatrareo dia nisy fizarana telo tao amin'izany tabernakely izany dia ny kianja ivelany, ny fitoerana masina ary ny fitoerana masina indrindra (izay nitoeran'Andriamanitra). Ireo olona tao amin'ny kianja ivelany dia anehoana ireo mpino izay vao avy nandray famelan-keloka. Tsy mandray andraikitra ao amin'ny fiangonany izy ireny. Tonga manatrika fivoriana izy, mihaino toriteny, manao fanatitra, mandray ny fanasan'ny Tompo dia mody any an-tranony. Ny olona ao amin'ny fitoerana masina dia ireo olona izay te hanao asa fanompoana ao am-piangonana, tahaka ny Levita izay nandrehitra ny lahinjiro sy nanisy ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara. Fa ny olona ao amin'ny fi toerana masina indrindra kosa dia ireo olona izay miditra ao amin'ny fanekena vaovao, olona mitady firaisana amin'Andriamanitra ary olona izay miray amin'ny mpianatra hafa ho tonga Tena iray aminy. Avy amin'ny fiainany no anompoany sy ananganany ilay tena fiangonana , ilay fiangonana velona, izany hoe miady amin'i Satana izy ary mitandro ny Tenan'i Kristy ho madio. Any amin'ny ankamaroan'ny fiangonana anefa dia tsy misy olona ho andry ijoroana tahaka izany eo anivony.

Any amin'ny fiangonana rehetra, na amin'ny fiangonana tsara indrindra na ny amin'ny ratsy indrindra, dia mitovy avokoa ireo olona rehefa mipetraka eo amin'nykianja ivelany. Olona miroa fo, tia an'izao tontolo izao, mpila tombony, tia vola ary tia fiainana sy tia fahafinaretana. Any amin'ny fiangonana tsara kosa dia hisy olona tena andry ijoroana matanjaka ao anivon'ireo mpitarika matahotra an'Andriamanitra. Ireo andry ireo no hamaritra izay lalana hizoran'ilay fiangonana.

Ny andry ijoroana matetika dia manomboka amin'ny lehilahy anankiroa izay niaraka ka tonga anankiray. Homba azy ireo Andriamanitra ary ho andry hitombo amin'ny habe sy ny firaisampo. Ny tenan'ny olombelona koa dia manomboka amin'ny fikambanan'ny singan-javatra anankiroa tsy mitovy kanefa tonga anankira y ao an-kibon'ny reny. Rehefa manomboka mitombo izany tsimoka izany dia mifampitambatra avokoa ny sela. Fa raha vao misaratsaraka ireo sela ireo, dia tsy hisy intsony io zaza io!

Dia mitovy amin'izany koa amin'ny fananganana ny fiangonana ho tonga fanehoana ny Tenan'i Kristy. Raha misaratsaraka ny andry ijoroany, dia tsy hisy intsony ilay fiangonana, na dia mbola tafajanona ho fiangonana ihany aza ny rafitra ivelany !

(Mbola hitohy…)