WFTW Body: 

Hitako fa ny 2 Kor. 3:18 no andinin-tsoratra Masina mahalaza mazava indrindra ny asan'ny Fanahy Masina rehetra ao amin'ny Testamenta Vaovao iray manontolo. Rehefa nataoko Tompon'ny fiainako ny Fanahy Masina dia fahafahana no nentiny ho ahy (2 Kor. 3:17). Nanafaka ahy Izy. "Ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana". Fahafahana tamin'ny inona moa izany ? Fahafahana tamin'ny fahotana, tamin'ny fitiavam-bola, tamin'ny fomban-drazana ratsy nolovana tamin'ireo ray, ireo raibe, ireo loholona sns, ary fahafahana tamin'ny vavan'olona na ireo mpanatsara na ireo mpanakiana. Tena fahafahana miezinezina izany. Misy ny fahafahana hanompoana an'Andriamanitra ka tsy hanompoana olona intsony. Izany no entin'ny Fanahy Masina. (2 Kor. 3:18). Ny Fanahy Masina no mampiseho amiko ny voninahitr'i Jesosy ao amin'ny Baiboly. Ny fitaratra dia ny Baiboly. Hitako eo amin'ny fitaratra ny voninahitr'i Jesosy. Tsy foto-pampianarana sy toriteny fotsiny ihany no asehon'ny Fanahy Masina antsika, izany mantsy no antony amakian'ny olona sasany ny Baiboly, mba hahazoana fampianarana sy toriteny, fa ny Fanahy Masina koa dia mampiseho amintsika ny voninahitr'i Jesosy ao amin'ny Baiboly. Ny zavatra rehetra ao amin'ny Testamenta vaovao dia fanehoana amiko ny voninahitr'i Jesosy Kristy. Rehefa hitako izany voninahitra izany, dia misy asa anankiray koa ataon'ny Fanahy Masina ao anatin'ny foko, dia ny fanovàna ahy hitovy endrika amin'izany. Izany no ataon'ny Fanahy masina.

Ny olona manao hoe "Dia ahoana ny amin'ny asa fanompoana ?" . Hitako ny fomba nanompoan'i Jesosy, ary dia nanomboka nanompo tahaka Azy koa aho. Hitako ny fahafoizan-tenan'i Jesosy nandeha nitory tetsy sy teroa, dia mba nahafoy tena koa aho nandeha nitory tetsy sy teroa. Aza mieritreritra hoe hampihena ny asa fanompoanao izany. Hanao ny fanompoanao miaraka amin'ny fahafoizan-tena bebe kokoa hatrany ianao. Hiova ny fiainanao sy ny fanompoanao rehefa avelanao ny Fanahy Masina hanao ireo asa voalaza ao amin'ny 2 Kor. 3:17-18 ireo. Ho tonga mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny fanekena vaovao ianao, kanefa tsy voatery ho mpiasa matihanina ianao amin'izany. Ny rahalahy rehetra sy ny anabavy rehetra ao am-piangonana dia tsy maintsy mpanompo ao amin'ny Fanekena vaovao avokoa.

"Tsy manana fahaleovana avy aminay hanao izany asa fanompoana izany izahay" (Kor. 3:5) . Tsy mihambo ho manana ny ampy rehetra ho enti-manao izany asa fanompoana izany izahay, fa avy amin'Andriamanitra ny fahaleovanay. Ny mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny fanekena vaovao dia tsy miankina amin'izay zavatra ananany mba hanompoany an'Andriamanitra. Avy amin'Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra. "Andriamanitra ô, Ianao no manome ahy, ary izaho hizara ho an'ny hafa". Tahaka ireo mpanompo izay nizara ny divay. Rano no nentin'ireo mpanompo ireo teo amin'i Jesosy. Jesosy no namadika ny rano ho divay ary ireo mpanompo no nizara ny divay. Ny mpianatra no nitondra ny mofo dimy teo amin'i Jesosy. Jesosy no nampitombo ny mofo ary ny mpianatra no nizara izany. Dia tahaka izany koa amintsika, entitsika eo amin'Andriamanitra izay kely ananantsika. Hosoran'Andriamanitra ireny dia tsofiny rano ary ampitomboiny. Izany no fomba natao hanompoantsika. Ny ankamaroan'ny olona manao ny asan'Andriamanitra, rehefa ela no nanompoany, nandritra ny taona maro, dia lasa kivy sy malahelo ary rera-tsaina. Reraka izy ireo satria niezaka nanompo tamin'ny fahaleovana avy tamin'ny tenany. Izaho dia mino fa ilaintsika Andriamanitra na dia hanome fahasalamana ara-batana hanompoantsika Azy fotsiny aza. Mety handeha hanompo an'Andriamanitra any amin'ny faritra saro-dalana ianao, ilainao ny fahasalamana ara-batana hanaovanao izany asa izany. Eritrereto fotsiny izao teny fampanantenana izao, "Fa izay miandry an'i Jehovah na dia kely hery aza dia omeny hery be, na ny zatovo aza mety ho tafintohina, fa izy kosa, elatra no iakarany tahaka ny voromahery" . Ny fahaleovantsika dia avy amin'Andriamanitra. Raha mandalo fahasahiranana ara-bola ianao, dia ity misy andinin-tsoratra Masina anankiray ho anao "Ny fahaleovako dia avy amin'Andriamanitra". Na inona na inona mahory anao ao amin'ny fanekena vaovao, ny faheleovantsika dia avy amin'Andriamanitra.

Efa nanao antsika ho mpanompony ao amin'ny fanekena vaovao Andriamanitra. Ao amin'ny fanekena vaovao dia tsy mpanompon'ny soratra isika fa mpanompon'ny Fanahy (2 Kor. 3:9). Misy asa fanompoana anankiroa voambara ao amin'io andininy io, dia fanompoana mitondra fanamelohana sy fanompoana mitondra fahamarinana. Inona moa ny fanompoana mitondra fanamelohana ? Ao amin'ny fanompoana mitondra fanamelohana dia mahatsiaro tena fa voaheloka ny olona rehefa avy mihaino ny toriteninao. Hihevitra ianao fa tena fatratra ny fanompoanao satria niaiky ny helony avokoa ny olona rehetra. Izany no atao hoe Testamenta taloha. Ny lalàna no manameloka ny olona : "Mbola tsy mendrika ianao, tsy ho mendrika na oviana na oviana ianao". Misy toriteny marobe ankehitriny izay toriana any amin'ireny toeram-pivavahana antsoina hoe fivoriam-pifohazana ireny no faly milaza amin'ny olona fotsiny hoe "Tsy mendrika ianao e, tsy ho vitanao mihitsy izany, efa tahak'izao ianao dia hijanona tahak'izao foana". Izay mipetraka eo dia mahatsiaro voaheloka avokoa. Tsy toriteny kristiana izany. Ny toriteny kristiana dia mitondra ny olona ho amin'ny fahamarinana sy voninahitra. Mahatsiaro fa voaheloka izy ireo kanefa mahatsiaro fa natraka, nositranina ary nohafahana rehefa mifarana ny fivoriana, ary lasa mandeha amin'ny fanantenana. Raha sanatria mitondra ny olona ho amin'ny fanandevozana ny toriteninao dia azo antoka fa tsy mpanompo ao amin'ny fanekena vaovao ianao. Raha toa ny vokatry ny toriteninao ka fahatsiarovan-tena fa nohelohina fa tsy nampitrakaina, dia toritenin'ny fanekena taloha no nataonao. Raha manetry ny olona no ataonao fa tsy mampitraka azy, dia izany no toritenin'ny fanekena taloha. Ny toritenin'ny fanekena vaovao dia mampitraka ny olona sy manome fanantenana ny olona.

Ao amin'ny 2 Kor. 4:1, dia tohizan'i Paoly ihany ny filazalazana ny momba ny asa fanompoana nataony. " Satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka ". Ny dikan'ny hoe 'ketraka' dia kivy. Na dia ny Apostoly Paoly aza dia nalaim-panahy ho kivy. Noho izany raha alaim-panahy ho kivy ianao, dia zavatra tsy tokony hahataitra izany ao amin'ny fanompoana. Efa imbetsaka aho no nalaim-panahy ho kivy. Kanefa izao no lazain'i Paoly, " Tsy ketraka izahay. Lavinay ny ho ketraka satria mibanjina an'i Jesosy mandrakariva izahay sady mieritreritra ny fanompoana lehibe tokoa izay nomen'Andriamanitra anay" (2 Kor. 4:2) .