Izao no lazain'i Paoly ao amin'ny 2 Korintiana 2:14 : « Isaorana anie Andriamanitra Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy ». Izao no andikan'ny Baiboly Living an'izany « Isaorana anie Andriamanitra ! Satria tamin'izay nataon'i Kristy, dia efa nandresy antsika Izy ». Noho izany dia tokony handresy antsika Andriamanitra any amin'ny sehatra rehetra tsirairay eo amin'ny fiainantsika, mba hananantsika fiainana toy ny fanaon'izay avy nandresy.
Indray andro any dia handohalika avokoa ny lohalika rehetra ary hanaiky fa Jesosy no Tompo (Fil. 2:10,11). Kanefa izao ankehitriny izao ihany, ny lohaliky ny faniriana ao amin'ny nofontsika dia tsy maintsy mandohalika sy manaiky fa Jesosy no Tompo. Ireo filàna mifehy anao ao anatinao dia tsy maintsy mandohalika sy manaiky fa Jesosy no Tompon'ny tenanao.
« Ny sabatry ny Tompo no hamely ny nofo rehetra hatrany amin'ny loha (avaratra) ka hatrany amin'ny tongotra (atsimo) ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro hamelezana azy» ( Ezek. 21 :9,10).
Ny tanjona ezahin'Andriamanitra hotratrarina dia ny mba « ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Jesosy Kristy » ( Kol. 1:18). Raha izany koa no ataonao tanjona dia matokia fa hahazo fanampiana avy amin'Andriamanitra mandrakariva ianao, na eo amin'ny fiainanao izany na eo amin'ny fijoroanao vavolombelona ho an'Andriamanitra.
Kristy no tsy maintsy Lohanao amin'ny fomba fandanianao ny fotoananao sy ny volanao, amin'ny boky vakianao, amin'ny mozika henoinao, amin'ny fandaharana télé jerenao, amin'ny namana ifaneraseranao, amin'ny fiteninao, amin'ny zavatra rehetra. Izany no dikan'ny hoe manao an'i Jesosy ho Tompon'ny zavatra rehetra. Amin'izay ihany vao afaka hilaza ianao fa efa nandresy anao Andriamanitra tany amin'ny sehatra rehetra tsirairay avy. Tsy ho tanteraka ao anatin'ny indray alina izany. Kanefa ataovy tanjona lavitra ezaka ho anao, ary ezaho mafy izay hahatratraranao azy. Dia hanakaiky kokoa hatrany izany tanjona izany ianao rehefa mivadika ny andro sy ny taona.
Jesosy no Zanak'ondrin'Andriamanitra izay nitondra ny fahotan'izao tontolo izao. Ankehitriny dia isika no antsoina mba ho « ondry hovonoina » (Rom. 8:36), hitondra ny fahotana izay nataon'ny olona tamintsika. Efa vonona eo ambonin'ny tendrombohitra Moria avokoa ny afo sy ny kitay (ny toe-javatra eo amin'ny fiainantsika). Fa ny fanontaniana mipetraka (tahaka izay napetrak'Isaka tamin'ny rainy) dia izao : « Aiza izay ondry » (Gen. 22:7) ? Ny valiny dia hoe « Ianao no hatao ondry ».