written_by :   Zac Poonen categories :   Tanora Mpianatra
WFTW Body: 

Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra (Heb. 11:6). Ny fahalavoan'i Eva tao an-jaridaina dia fahalavoan'ny finoany. Raha mba natoky ny fitiavana sy ny fahendren'Andriamanitra tonga lafatra mantsy izy dia tsy ho azon'ny fakam-panahin'io hazo tsara ho hihinana io. Na dia tsy azony aza hoe nahoana moa ilay Andriamanitra fitiavana no nandrara azy tsy hihinana ny voan'io hazo io, dia tsy ho nanota izy. Fa raha vao vitan'i Satana ny nanisy fisalasalana tao amin'i Eva dia vetivety foana dia lavo izy.

Marobe koa ny zavatra andraran'Andriamanitra antsika, ary marobe ny vavaka ataontsika no heverin'Andriamanitra fa tsy tokony hotanterahina. Amin'ireny fotoana ireny dia tsy maintsy matoky ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahendreny tonga lafatra isika. Jesosy dia natoky ny Ray teo amin'ny hazo fijaliana na dia nafoin'Andriamanitra aza Izy. Jesosy dia tsy niteny hoe "Andriamanitra o, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao", fa hoy Izy " ANDRIAMANITRO", ny dikan'izany dia hoe, "na dia tsy fantatro aza ny antony nahafoizanao Ahy dia mbola Andriamanitro foana ianao". Tsy nisy valiny avy tany an-danitra tamin'ny fanontaniana napetrak'i Jesosy. Kanefa dia maty tamin'ny fahatokiana Izy. Hoy Jesosy "Raiko o, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko". Izany no atao hoe maharitra amin'ny finoana hatramin'ny farany.

Jesosy dia nilaza tamin'i Petera fa nangataka alalana hanakororoka an'i Petera tahaka ny vary i Satana. Izany dia nitovy tamin'ny fomba nangatahan'i Satana alalana tamin'Andriamanitra mba hanakororohany an'i Joba (tao amin'ny Testamenta taloha). Tsy afaka manao na inona na inona amintsika i Satana (na dia maka fanahy antsika aza) raha tsy efa nahazo alalana avy tamin'Andriamanitra. Rehefa ndeha hokororohan'i Satana anefa i Petera dia nanome toky azy Jesosy fa hivavaka ho azy mba tsy ho levona ny finoany (Lioka 22:31,32). Izay ihany no zava-dehibe indrindra, Jesosy dia tsy mivavaka mba tsy ho azon'ny fakam-panahy isika, na mba tsy ho levona ny fahasalamana sy ny harena sy ny asantsika, fa mivavaka Izy mba tsy ho levona ny FINOANTSIKA.

Noho izany dia ny finoana no harenantsika lehibe indrindra amin'i Jesosy. Raha manana finoana isika dia tsy ho kivy na oviana na oviana, na dia lavo tanteraka tahaka an'i Petera aza. Hitsambikina hiakatra isika (tsy hitsangana fotsiny fa hitsambikina) ary handresy an'i Satana amin'ny teny vavolombelona manambara ny ràn'ny zanak'ondry izay manadio antsika tanteraka rehefa miodina miala amin'ny fahotantsika isika sy miaiky ny fahotantsika amin'Andriamanitra (Apok. 12:11). Tsy maintsy lazaintsika amin'i Satana fa efa voadion'ny ràn'i Jesosy isika ary Andriamanitra dia tsy mahatsiaro ny fahotantsika lasa rehetra intsony (Heb. 8:12). Tsy maintsy lazaintsika amin'i Satana amin'ny vavantsika izany satria tsy afaka mihaino ny eritreritsika izy. Amin'izany fomba izany no handresentsika an'i Satana ary dia hitsoaka handositra antsika izy.

"Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany. Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy.Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, ka ho faly aho mahita ny fahamarinany. Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, dia ilay nanao tamiko hoe Aiza izay Jehovah Andriamanitrao ? Ho faly mahita azy ny masoko, ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy" (Mika 7:8-10) .

Isika dia tsy maintsy miteny am-pahasahiana foana hoe "Ny Tompo no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra mihitsy aho (na olona izany na demonia na ny zavamiseho na inona na inona), satria Andriamanitra efa nampanantena fa tsy handao ahy mihitsy na hahafoy ahy akory" (Heb.13:6,5) . Izany no fanekem-pinoana feno fahasahiana ataontsika.