WFTW Body: 

Miresaka ny toetra ratsy anankiray dia ny fankahalana olona i Jesosy. "Efa renareo fa voalaza hoe : Tiava ny namanao ary mankahalà ny fahavalonao" (Matio 5:43). Ny zanak'Isiraely tao amin'ny Testamenta taloha dia nankahala ny Kananita, ny Filistina, ny Amorita, ny Moabita sy ny sisa. Nitetika ny handringana an'ireo izy. Fa ankehitriny kosa dia hoy Jesosy "Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe tiava ny fahavalonareo". Fa niova ve Andriamanitra rehefa ela ny ela ? Tsia. Ankehitriny dia manana tombony isika afaka miaina tahaka an'i Jesosy. Tsy nahavita niaina tahaka an'i Jesosy ny olona tao amin'ny Testamenta taloha. Raha tsy miaraka amin'ny Fanahy Masina dia tsy misy olona mahay mitia ny fahavalony amin'ny fomba tena tadiavin'Andriamanitra aminy. Mety ny hahazoanao laza hoe olona tsara fanahy no antony itiavanao ny fahavalonao. Kanefa ahoana ny fitiavana ny fahavalo ho voninahitr'Andriamanitra ? Ny olona feno ny Fanahy Masina ihany no hahavita an'izany. "Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo".

Tadidio fa ireo no didy tokony hampianarintsika ny mpino rehetra, ny mpianatry ny Tompo rehetra manerana izao tontolo izao. Raha te hanorina fiangonana aho, ny fiangonana aoriko dia tsy maintsy hoe tia ny fahavalony avokoa ny olona rehetra ao. Raha folo ny isan'ny fahavalony ary ny sivy amin'ireo no tiany dia tsy nankato ilay didy izy. Hoy Jesosy "Mandehana hianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo". Raha lazaina tsotra dia izao tsy maintsy efa niainako aloha ilay traikefa. Koa izany no antony amelan'Andriamanitra ny mpanompony hiatrika fahavalo eo amin'ny fiainany, mba hahafahany mianatra mitia ny fahavalony. Izany no fomba hahaizany mampianatra ny olona hafa ho tia ny fahavalony koa.

Izany koa ny antony tsy maintsy hiatrehan'ny mpanompon'Andriamanitra rehetra fanenjehana, satria ao anatin'izany fanenjehana izany ihany no hahafahany mianatra mivavaka ho an'izay manenjika azy. Ary avy eo dia ho hainy ny mampianatra ny olona ny fomba fivavaka ho an'izay manenjika azy ireo. Izany no antony nilazan'i Jesosy hoe "Mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo". Asain'i Jesosy mijery ny Raintsika Izay any an-danitra isika, Izay "mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina" (Matio 5:45).

Eritrereto hoe misy tantsaha roa lahy, ny iray tsy mino an'Andriamanitra fa ny iray kosa matahotra an'Andriamanitra. Mifanakaiky ny tanimbolin'izy roa lahy ireo ary ilay lehilahy anankiray dia mivavaka tsy tapaka fa ilay anankiray kosa mihevitra fa tsy misy Andriamanitra ary tahaka ny fako izany rehetra izany aminy. Kanefa Andriamanitra dia mampiposaka ny masoandro amin'izy roa lahy sy amin'ny tanimboliny ! Samy androtsahan'Andriamanitra orana avy ny tanimbolin'izy ireo mba ho betsaka ny vokatra ary hamoa tsara ny hazo. Mba hitanao ve izany hatsaran'Andriamanitra ! Samy androtsahany fahasoavana avy na ilay tsy mino an'Andriamanitra na ilay mpivavaka ary asain'Andriamanitra manahaka Azy amin'izany koa isika. Aoka isika samy hanahaka an'Andriamanitra, izany hoe ho tsara fanahy na amin'ny olona manisy soa antsika na amin'ny olona manisy ratsy antsika. Tsy ho vita izany rehetra izany raha tsy miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina. Izany no mahatonga antsika tsy mahita didy mitovy amin'izany ao amin'ny Testamenta taloha.

Dia tohizan'i Jesosy ihany ny teniny hoe raha ny olona tia anao ihany no tiavinao dia inona no mampiavaka anao satria ny mpamory hetra, ny mpanota ratsy fanahy toy ny mpamono olona sy ny olona any amin'ny fivavahana sandoka sy ny sekta dia manao an'izany koa. Koa raha ny namanao ihany na ny rahalahinao ihany no arahabainao dia tsy tsara noho ny jentilisa hianao (Matio 5:47).

Moa ve ianao teny an-dàlana teny efa nivily sy niezaka niarahaba olona anankiray tsy te hiarahaba anao ? Efa imbetsaka aho nanao an'izany. Amin'ny maha mpanompon'Andriamanitra ahy dia maro ny olona no tezitra amiko noho ny fahamarinana izay toriako, dia ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Tahaka ny nahatezitra ny olona tamin'i Jesosy sy Paoly sy tamin'ireo mpanompon'Andriamanitra maro nandritra izay taonjato roapolo izay dia maro koa no tsy te hiarahaba ahy raha sendra mifanena amiko eny an-dàlana. Indraindray dia miampita arabe aho mba hiarahaba azy ireo satria asain'ny Baiboly miarahaba ny olona izay tsy te hiarahaba anao ianao, mba hampisehoanao aminy fa tsy manana alahelo aminy ianao.

Indray mandeha dia nisy nanontany ahy hoe firy ny isan'ny namanao. Novaliako hoe mitovy amin'ny isan'ny olona eran-tany ny isan'ny namako ary mitombo isan'andro ny isan'izy ireo ! Raha misy olona fito lavitrisa eto ambonin'ny tany dia namako avokoa izy rehetra raha ny amiko manokana. Tsy manana fahavalo aho, tiako daholo ny olona rehetra. Izy no mety mihevitra ahy ho fahavalony fa izaho tsy mihevitra azy ho fahavaloko. Te hivavaka ho an'ny olona izay nanisy ratsy ahy, nanenjika ahy aho. Te hitahy ny olona izay nanozona ahy aho. "Tahio izay manenjika anareo" (Matio 5:44). Manao an'izany ve ianao ?

Fantatrao fa tsy misy ozona mandaitra aminao velively. Tsy hisy mihitsy izany satria eo ambany fitahian'Andriamanitra isika. Efa nentin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana ny ozona rehetra ary ankehitriny dia eo ambany fitahian'Andriamnaitra isika. Koa tsy hahavita manao na inona na inona amintsika izay olona manozona antsika. Izy tsy mahafantatra an'izany fa izaho mahafantatra ary mitahy azy aho hoe "Tahian'Andriamanitra ianao". Afaka manatrika ny olona rehetra eto ambonin'ny tany aho ary mitsodrano azy hoe "Tahian'Andriamanitra ianao". Tena amin'ny foko mihitsy no aniriako an'izany ho an'ny olona tsirairay. Na hitahy azy Andriamanitra na tsy hitahy azy dia miankina amin'ny toe-panahiny sy ny sisa izany fa izaho kosa dia tena maniry ny hitahian'Andriamanitra azy.