WFTW Body: 

Izao no tena votoatin'ny filazantsaran'ny fanekena vaovao : ny mba hahazoantsika miombona toetra (mandray anjaran-toetra) amin'Andriamanitra. Ny toetra maha-Andriamanitra an'Andriamanitra dia FITIAVANA, ary ny zava-dehibe indrindra izay maha-fitiavana ny fitiavana dia izy tsy mba mitady izay soa ho an'ny tenany. Ary satria Jesosy dia tsy mba nitady izay soa ho an'ny tenany dia nidina avy tany an-danitra ho ety an-tany Izy mba hamonjy antsika. Ny fitiavan'Andriamanitra antsika dia ampitahain'Andriamanitra amin'ny fitiavan'ny reny ny zanany minono ( Isaia 49:15). Ny fitiavan'ny reny ny zanany kely vao teraka no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra izay hitan'ny olona rehetra ety ambonin'ny tany, satria ny tena reny dia manao ny zavatra rehetra tsy misy fitiavantena ho an'ny zanany, tsy manantena tambiny na inona na inona avy amin'ny zanany. Dia tsy misy hafa amin'izany koa ny fitiavan'Andriamanitra, ary izany no toetra izay tokony hiombonantsika Aminy. Ary dia hahavita hanompo ny vahoakan'Andriamanitra tahaka ny nataon'i Jesosy mihitsy isika.

Ny fitiavana no solika mampandeha ny fiainana kristiana. Ny fiarakodia dia tsy maintsy atosika rehefa lany lasantsy. Noho izany, rehefa ritra ilay fitiavana mivaivay itiavantsika ny Tompo, dia ho mavesatra mila tsy ho zakantsika ny asa fanompoana ataontsika ho an'ny Tompo, ka ho tahaka ny hoe manosika fiarakodia isika. Dia ho sarotra amintsika koa amin'izay fotoana izay ny hitondra ny fahalemena sy ny hadalan'ny olona manodidina antsika. Noho izany dia mila miverina tsy tapaka any amin'ny paompy (fivarotan-dasantsy) hatrany isika mba hofenoina solika. « Aoka hofenoina tsy tapaka ny Fanahy ianareo » (Efe. 5:18).

Ny fandresena ny fahatezerana sy ny fandresena ny filàn'ny maso dia tsy inona akory fa fiomanana hahatratrarana ilay tanjona fara tampony dia ilay fiombonan-toetra amin'Andriamanitra mihitsy . Ny nofontsika dia faran'izay tia tena, ary izany toetra tia tena izany no tsy maintsy atao maty isan'andro isan'andro. Tsy natao hitady tombontsoa na voninahitra na fiadanana, na inona na inona ho an'ny tenantsika isika, satria izany no lalana mitondra any amin'ny fahafatesana mandrakizay. Ny lalana mitondra any amin'ny fiainana dia ny lalan'ny fanoloran-tena feno sy tanteraka ka tsy hanaovana afa-tsy ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany eo amin'ny fiainana, na mety ho vidiantsika faran'izay lafo aza izany. Tsy maintsy mandini-tena isan'andro isika, ary imbetsaka isan'andro mihitsy, tsy amin'ny fibanjinana ny ao anaty, fa amin'ny fibanjinana miandrandra any amin'i Jesosy , ary amin'izany dia ho hitantsika ireo sehatra izay mbola itadiavantsika tombontsoa fa tsy itadiavantsika ny voninahitr'Andriamanitra. Rehefa izany dia azontsika atao ny manadio ny tenantsika tsy ho azon'ny fitadiavana ny soa ho an'ny tena. Izany no lalana mitondra amin'ny fahatanterahana. Vitsy dia vitsy ny olona no te hanadio ny tenany marina tokoa mba ho afaka amin'ny fahalotoan'ny nofo sy ny fahalotoan'ny fanahy REHETRA ( 2 Kor. 7:1), ary izany no antony mahavitsy dia vitsy ny olona mitombo amin'ilay fiainana tena araka an'Andriamanitra.

Jesosy dia nilaza fa ireo « olona mpandrombaka » ihany no handova ny fanjakan'Andriamanitra (Mat. 11:12). Ny dikan'izany dia tsy maintsy anaovantsika herisetra ny ao anatintsika rehetra ao, izay mibahana ny lalana mitondra any amin'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Tsy amin'ny fankatoavantsika ny didy lehibe no azo hanaporofoana ny fankatoavantsika. Tsia. Jesosy dia nilaza fa izay mankato sy mampianatra hankato ireo didy madinika indrindra no hatao hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra (Mat. 5:19). Ny fankatoavan'ny ankizy kely dia tsy azo fantarina amin'ny hoe tsy mamono olona ary tsy mijangajanga izy any am-pianarana. Tsia. Fa amin'ny fankatoavany ny reniny rehefa antsoin'ny reniny hanampy azy ilay ankizy, amin'ilay fotoana tiany hilalaovana iny indrindra. Dia tahaka izany koa ny amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. Any amin'ireo zavatra madinika kelin'ny fiainantsika andavanandro no tsy maintsy mahatoky isika. Raha tsy izany dia tsy mpakato an'Andriamanitra isika.

Ao amin'ny Matio 13:43 dia hoy Jesosy : « ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ». Ny masoandro dia mirehitra miredareda tsy tapaka mahatratra hatramin'ny anapitrisany degre. Tsy misy otrik'aretina na bakteria afaka mivelona ao anatin'ny masoandro. Dia tahaka izany no itiavan'ny Tompo antsika koa, izany hoe miredareda ho Azy foana, mirehitra sy mafana fo hanana fahadiovana, mirehitra sy mafana fo mba hanompo ny olona sy hitahy ny olona, mba hanetrentsika tena, mba hijoroantsika vavolombelona amin'ny fotoam-bavaka, ary mba hiredareda foana amin'ny fanorenana ny fiangonana. Ny tanora tahaka anareo dia tokony ho lohalaharana amin'izany zavatra izany. Ao amin'ireo andininy anankitelo manaraka (Mat. 13:44 hatramin'ny 46), dia hazavain'i Jesosy ny fomba atao mba hirehetantsika tsy tapaka, amin'ny alalan'ireo fanoharana anankiroa (ny iray mikasika ny harena nafenina tany an-tsaha ary ny anankiray mikasika ny vatosoa iray lafovidy). Ao amin'ireo fanoharana roa ireo, dia hitantsika miverimberina ity fehezanteny anankiray ity « Nivarotra ny fananany rehetra izy». Izay ilay tsiambaratelo. Tsy maintsy afointsika ny sitrapontsika, ny zontsika, ny voninahitsika, ny tombontsoantsika, ny zavatra rehetra. Amin'izay ihany isika vao ho tahaka ny masoandro, izany hoe hiredareda lalandava.