WFTW Body: 

Inty ny anankiray amin'ireo ohabolana tiako : "Ny hendry dia handray lesona avy amin'ny fahadisoan'ny hafa. Ny olon-tsotra dia handray lesona avy tamin'ny fahadisoan'ny tenany. Fa ny adala kosa dia tsy handray lesona na dia avy tamin'ny fahadisoan'ny tenany aza".

Amin'ny maha-raim-pianakaviana ny tenako dia te handray lesona avy amin'ny fahadisoan'ireo raim-pianakaviana hafa aho. Koa nanontany tena aho hoe inona re no mba fianarana avelako ho an'ireo zanako lahy, mba harahin'izy ireo. Manantena aho fa izao izany : Mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha ary miaritra amin'ilay fitiavana miharo fahendrena ny olona rehetra, mandra-pahatapitry ny fiainantsika .

Ny fahendrena dia midika hoe alavirinao ireo olona tia miditra amin'ny fiainan'ny hafa, ary ny fahendrena no tsy maintsy mifehy ny fitiavanao. Ny fitoeran-tsoliky ny fiaranao (ny fonao) dia tsy maintsy feno fitiavana, kanefa ny fahendrena no tsy maintsy maka ny toeran'ny mpamily. Raha tsy izany dia mety manao hadalana marobe ny fitiavan'olombelona. Ny fitiavanao dia tsy maintsy "mitombo amin'ny fahafantarana (fahendrena)" (Fil.1:9). Tsy mahazo mankahala olona na manevateva olona ianao, na iza na iza. Arahabao ny olona tsy miarahaba anao. Manajà mandrakariva ny olona rehetra (araka ny voalaza ao amin'ny1Petera 2:17). Asio soa ireo izay manisy ratsy anao.

Rehefa niantso an'i Jesosy hoe "Belzeboba" ny Fariseo dia navelan'i Jesosy ny helok'izy ireo (Mat. 12:24,32). Rehefa natolotry ny olona teo amin'ny fitsarana Jesosy ary nendrikendrehan'izy ireo dia tsy mba nandrahona azy Izy, fa natolony ny Rainy ny adiny (1Pet. 2:23). Tsy maintsy manaraka ny dian'i Jesosy isika.

Koa raha misy Fariseo miampanga anao (na manolotra anao any amin'ny fitsarana indray andro any), dia tadidio izay nolazain'i Jesosy : " Ho halan'ny olona rehetra ianareo… hanolotra anareo eo amin'ny fitsarana izy… koa hendre tahaka ny menarana ary morà tahaka ny voromailala… homena anareo amin'izany ora izany izay holazainareo (ary amin'izay fotoana izay dia tsy voatery hangina intsony ianareo!)... Koa amin'izany aza matahotra azy hianareo, fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra… fa izay maharitra (miaritra am-pitiavana ny olona rehetra) hatramin'ny farany no hovonjena… eny ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy" ( Mat. 10:16-30; Mat.24;9-13; Jaona 16:2).

Noho izany dia :

(1) katsaho mandrakariva aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinan'Andriamanitra ary

(2) mamakà sy miorena mandrakariva ao amin'ilay fitiavana miharo fahendrena .

Ireo vondrona rehetra tsirairay ao anatin'ny fivavahana kristiana dia samy milanja ny Baiboliny ary samy manao hoe "Ny anay no marina. Andriamanitra momba anay". Iza amin'izy ireo no manana ny marina ? Nahazo valiny mazava avy tamin'ny Tompo aho hoe : " Andriamanitra dia momba mandrakariva ireo olona izay milaza mandrakariva ny fahamarinana (na dia mamely azy ireo aza zany)sy ireo izay mitoetra lalandava ao anatin'ilay fitiavana miharo fahendrena(izany hoe, ireo olona tsy mba manisy ratsy olona na maniry loza ho an'ny hafa na oviana na oviana).

Enga anie ianao handany ny fiainanao amin'ny fikatsahana mandrakariva ny fanjakan'Andriamanitra aloha. Ny dikan'izany dia hoe ataovy izay hahombiazanao any an-tsekoly sy any am-piasana, asehoy fa any amin'ny sehatra rehetra, ny kristiana dia manao zavatra, amin'ny fahitsiana sy fahamarinana ary amin'ny fitiavana tsy mila tambiny.

Manana torohevitra vitsy ho anao aho ny amin'izay tokony hatao rehefa misy olona mitsikera anao na amin'ny inona na amin'ny inona.Aza miloa-bava hiaro tena ianao. Avelao ny Tompo Izy tenany mihitsy no hiaro anao araka ny ao amin'i Isaia 54:17 "Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy ambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah, sy fahamarinany avy Amiko hoy Jehovah". Zavapoana ny miezaka manazava ny raharaha amin'ny ankamaroan'ny olona. Andriamanitra dia Mahery Tsitoha ary tahaka ny afo ny fahamarinan'Andriamanitra ka tsy mila olona malemy tahaka antsika Izy hiaro izany.