WFTW Body: 

Ao amin'ny mangingina dia aoka ianao hiaina eo anatrehan'Andriamanitra ary aoka hihiaka ho an'Andriamanitra ny fonao. Ny fivavahana kristiana dia lasa fivavahana maina sy poak'aty rehefa tsy ao izany fanembonana an'Andriamanitra izany. Noho izany dia tehirizo izany faniriana an'Andriamanitra izany araka izay rehetra azonao atao. Izany no ampahany ambony indrindra ao amin'ny finoanao. Tsy maintsy manina an'Andriamanitra tahaka ny diera maniry ny rano ao an'ony isika.

Ao amin'ny fanabeazan'Andriamanitra antsika dia misy zavatra maro izay antsoin'izao tontolo izao hoe "fahadisoam-panantenana". Kanefa ireny dia "fanomezan-tokin'Andriamanitra" fa hisy zavatra tsaratsara kokoa ho azontsika. Raha tsy miatrika ireny fahadisoam-panantenana ireny isika dia tsy ho haintsika mihitsy ny hanoro hevitra ny hafa. Tafiditra ao anatin'ny fanabeazana antsika koa ny tsi-fahombiazana, satria ilaina ny tsi-fahombiazana raha te hanampy ny 99,9 isan-jaton'ny olona tsy mahita fahombiazana eto amin'izao tontolo izao isika. Anankiroa ny tanjon'ny tsi-fahombiazana (1) mba hampanetry tena antsika (mba hanorotoroana antsika) ary (2) mba hahatonga antsika hangoraka ny hafa.

Anisan'ny anabeazana anao koa ny adim-panahy atrehinao. Raha miady mafy ianao hahazo mari-pankasitrahana ety an-tany, izay mandalo ihany, tsy tokony vonona hiady mafy kokoa ve ianao hahazoanao ny mari-pankasitrahan'ny lanitra, izay maharitra mandrakizay. Fohy ny fotoana ary ratsy izao andro izao. Tsy maintsy mifantoka amin'ny mandrakizay ny saintsika na inona na inona katsahintsika ety an-tany. Amin'ny fotoana rehetra dia aoka ianao hitsara tena ary aoka hiara-mandeha anaty amin'ny Tompo amin'ny fahadiovana.

Hoy Paoly tamin'i Timoty " ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika " (2 Tim.1:14). Nomen'Andriamanitra antsika ny vatantsika ho harena masina tsy maintsy hotehirizintsika ho Azy mandritra ny fivahiniantsika ety an-tany. Tokony atolotra Azy isan'andro ny tenantsika mba ho voadio amin'ny fahotana rehetra ary ho voatahiry amin'ny fahamasinana mandra pahatongan'ilay andro anankiray hifaranan'ny diantsika.

Andeha hampiasa fanoharana. Azo oharina amin'ny orinasa anankiray izany, izay nampitondra antsika vola 1 miliara ariary mba haterintsika soa aman-tsara any amin'ny toerana anankiray. Kanefa nolanilaniantsika ny sasany tamin'io vola io ary teny an-dalana teny dia very avokoa ny ambiny. Eny, mibebaka isika ary miverina any amin'ny Tompo noho ny tsi-fahombiazantsika. Inona no hataony ? Tsy handà antsika Izy. Fa hamela antsika ary hampitondra antsika 1 miliara ariary indray entintsika ho tody soa hatrany amin'ny faran'ny fiainantsika. Endrey izany fahatsaran'Andriamanitra.

Amin'ny maha kristiana antsika, ny fanambarantsika (témoignage) dia tsy maintsy ambony lavitra noho izay efa fandren'izao tontolo izao. Tsy mahazo manao zavatra mety hanana endrika tahaka ny faharatsiana akory aza isika. Rehefa misy zavatra mampisalasala dia tsara kokoa ny misafidy ny hitandrina loatra sy ho malina loatra toy izay manao ny mifanohitra amin'izany.