WFTW Body: 

Raha misy olona milaza fa manana fahamasinana kanefa tsy maneho ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy fahamasinana tena izy ny azy fa 'fahamarinan'ny Fariseo'. Raha misy olona milaza fa manam-pitiavana be ny olon-drehetra kanefa tsy miaina amin'ny fahadiovana sy ny fahitsiana dia mamita-tena koa izy ireo satria manafangaro fihetsempo tsy misy hamamiana amin'ny tena fitiavan'Andriamanitra.

Ny Fariseo dia nanana 'fahamarinana' miridiridy sy makiana. Tahaka ny taolamaina izy ireo, mafy fo tsy maha te ho tia. Nisy fahamarinana nananany ihany kanefa nivilana tanteraka sy nivaona.

Jesosy no nanana ny fahamarinana rehetra. Niaro ny litera sy tendron-tsoratra tsirairay tao amin'ny lalànan'Andriamanitra mihoatra noho ny Fariseo Izy. Tsy taolana fotsiny no tao amin'i Jesosy. Ny taolana dia norakofana nofo, araka izay nokasain'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ilay Fahamarinana dia nosaronana Fitiavana. Niteny ny fahamarinana Izy, kanefa niteny izany tamin'ny fitiavana (Efesiana 4:15). Nisy fahefana tao amin'ny teniny, kanefa tenin'ny fahasoavana koa (Lioka 4:22,36).

Izany no toetra tian'ny Fanahy Masina hampitaina ao amintsika sy haseho amin'ny alalantsika.

Andriamanitra DIA Fitiavana. Tsy hoe manao zavatra am-pitiavana fotsiny Izy. IZY mihitsy no maha-fitiavana ny FITIAVANA. Ny voninahitr'Andriamanitra hita tao amin'i Jesosy dia maneho mazava tsara izany. Jesosy dia tsy nanao zavatra tam-pitiavana fotsiny. "Nandehandeha nanao soa" (Asa 10:38) Jesosy. Kanefa ny antony nanaovany izany dia satria nanenika ny tenany manontolo ny fitiavan'Andriamanitra.

Ny fitiavana dia manana ny fototra nihaviany, toy ny fahamasinana sy ny fanetren-tena, dia ao amin'ilay toetsika anaty. Avy any amin'ny ati-fanahin'ny olona anankiray feno ny Fanahy Masina dia misy ony maro mikoriana (Jaona 7:38,39). Ny fisainantsika sy ny fihetsika (na dia tsy hita ety ivelany aza) dia mandraraka fofona ao amin'ny tenintsika sy ny asantsika ary ny toetrantsika. Mora foana ho an'ny olona ny mahare izany fofona izany. Tsy misy dikany ny tenim-pitiavana sy ny asam-pitiavana ataontsika raha toa ny fisainantsika sy ny toetrantsika mbola tia tena sy tia mitsikera. Ny zavatra ankasitrahan'Andriamanitra dia "fahamarinana ao am-po" (Salamo 51:6).

Sarobidy tamin'i Jesosy avokoa ny olombelona rehetra ary noho izany dia nanaja ny olona rehetra Izy. Mora amintsika ny manaja ny olona tia vavaka sy olona mivoatra ary olona manan-tsaina. Mihevitra aza isika fa efa tafakatra avo mihitsy satria efa tia ireo mpino namantsika ao amin'i Kristy. Kanefa ny voninahitr'Andriamanitra dia hita tao amin'ny fitiavan'i Jesosy ny olona rehetra. Tsy mba nanamavo olona Jesosy noho ny fahantran'ilay olona na noho ny tsi-fahaizany na haratsian-tarehiny na tsi-fivoarany. Nambarany manokana mihitsy fa izao tontolo rehetra izao sy izay rehetra ao aminy dia tsy mitovy vidy amin'ny ain'ny olona anankiray (Marka 8:36). Izany no fomba nanomezany lanja ny olona. Koa nifaly tamin'ny olona rehetra Izy. Hitany fa ny olona dia voafitak'i Satana sy voafatotr'i Satana, ary naniry fatratra ny hanafaka azy ireny Izy.

Hitan'i Jesosy fa ny olona dia sarobidy lavitra noho ny zavatra. Tian'i Jesosy loatra ny olona ka nampitoviany tanteraka tamin'ny olona ny Tenany ary nataony tsapan'ny olona tsirairay fa misy mpitia izy ireo. Nizara ny enta-mavesatry ny olona Jesosy ary nanana teny feno famindram-po Izy ho an'ny olona tia mandefitra, ary teny fampaherezana ho an'ny olona resin'ny adim-piainana. Tsy mba nisy olona nataon'i Jesosy tsinontsinona mihitsy. Mety ho mpanevateva sy mpaniratsira ny olona kanefa dia mbola olona mila fanavotana foana izy ireny.

Etsy an-daniny, ny zavatra dia tsy nisy vidiny tamin'i Jesosy. Ny harena ara-nofo dia tsy nisy vidiny taminy na kely aza fa nataony hanasoavana ny hafa fotsiny. Azontsika alaina sary an'eritreritra fa raha nisy ankizy tao an-tanàna niditra tao amin'ny trano fandrafetan'i Jesosy ka namaky fanaka lafo vidy, dia tsy ho nampaninona an'i Jesosy akory izany na kely aza, satria sarobidy lavitra taminy ilay ankizy noho ilay zavatra simba. Ny olona no tian'i Jesosy fa tsy ny zavatra. Ny zavatra dia natao hanampiana olona.

Ny Fanahy Masina dia manavao ny saintsika mba hahafahantsika "mijery ny zavatra tahaka ny hoe eo amin'ny toeran'Andriamanitra isika no mijery" (Kolosiana 1:9 - dikan-teny Phillips). Ny atao hoe mitia olona dia mijery ilay olona tahaka ny fijerin'Andriamanitra azy, feno fangorahana.

Mifaly amin'ny vahoakany amin'ny fihobiana Andriamanitra (Zefania 3:17). Ary satria feno ny Fanahy Masin'Andriamanitra Jesosy dia nizara ny hafalian'ny Ray tamin'ny zanany Izy. Dia tahaka izany koa, ny olona rehetra izay efa nohavaozina ny sainy dia tokony hijery ny olona tahaka ny fijerin'Andriamanitra. Saina feno fitiavana foana no nisainan'i Jesosy ny hafa fa tsy saina nisy fanomezan-tsiny noho ny hadalana sy ny habibian'ny olona. Koa nandre ny fofomanitry ny Fanahin'i Jesosy ny olona "ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana" (Marka 12:37). Izany ilay fitiavana entin'Andriamanitra manafotra ny fontsika rehefa feno ny Fanahy Masina isika (Romana 5:5).