WFTW Body: 

« Izy no anton'izao zavatra rehetra izao » (Rom. 11:36). Andriamanitra no Alfa sy Omega, ny Fiandohana sy ny Fiafarana, ny Voalohany sy ny Farany. Koa noho izany, satria Andriamanitra no nihavian'ny zavatra rehetra izay maharitra mandrakizay, dia ao aminy koa izany no hahatanterahan'izy rehetra. Ny zavatra rehetra dia noforonin'Andriamanitra mba hanomezam-boninahitra Azy. Tsy sanatria tsiriritin'Andriamanitra ho an'ny tenany akory ny voninahitsika. Andriamanitra dia feno sy ampoka, ary tsy misy azontsika omena azy ka afaka hanampy izany fahafenoan'Andriamanitra izany. Raha miantso antsika hikatsaka ny voninahiny Andriamanitra dia satria izany no lalana hahasoa antsika indrindra. Raha tsy izany dia hataontsika ho ivon'ny fiainantsika ny tenantsika ary hahantra isika.

Ny fanaovana an'Andriamanitra ho ivom-piainana dia lalàna napetrak'Andriamanitra ho an'ny zavaboariny. Ny zavamananaina manana safidy malalaka ihany no afaka mandika izany lalàna izany. Fa ny zavaboary tsy mananaina kosa dia mankato am-pifaliana izany lalàna izany sy manome voninahitra an'Andriamanitra. Tsy nankatoavin'i Adama anefa izany lalàna izany, ary hitantsika ankehitriny ny vokatr'izany eo amin'ny fahorian'ny zanak'olombelona.

Ao amin'ny vavaka izay nampianarin'ny Tompo ny mpianany, ny fangatahana voalohany indrindra dia hoe « Hohamasinina anie ny Anaranao ». Izany no faniriana voalohany indrindra tao am-pon'i Jesosy Tompo. Nivavaka Izy nanao hoe « Ray ô, Mankalazà ny Anaranao » ary dia nisafidy ny lalan'ny hazo fijaliana Jesosy satria ho voninahitr'Andriamanitra izany ( Jaona 12:27,28).

Fitiavana faratampony tokana no nifehy ny fiainan'i Jesosy Kristy, dia ny fitiavana ny voninahitry ny Ray. Izay rehetra nataony dia ho an'ny voninahitry ny Ray avokoa. Tsy nisy efitra nampisaraka ny zava-masina sy ny zavatra andavanandro teo amin'ny fiainan'i Jesosy. Zava-masina tamin'i Jesosy avokoa ny zavatra rehetra. Nanamboatra seza sy dabilio ho an'ny voninahitr'Andriamanitra Izy tahaka ny nitoriany teny sy nanasitranany ny marary ho an'ny voninahitr'Andriamanitra. Samy masina taminy avokoa ny andro rehetra tsirairay ary ny vola lany amin'ny zavatra ilaina andavanandro dia masina tahaka ny vola omena ny asan'Andriamanitra na omena ny mahantra.

Jesosy dia niaina tamin'ny fiadanam-po tanteraka tamin'ny fotoana rehetra, satria tsy nikatsaka afa-tsy ny voninahitr'Andriamanitra Izy ary ny fankasitrahan'ny Rainy irery ihany no zava-dehibe taminy. Teo anatrehan'ny Ray Izy no nivelona ary tsy niraharaha izay laza na dera avy amin'ny olona. « Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany » hoy Jesosy (Jaona 7:18).

Ny Kristiana ara-nofo, na dia fatra-piseho sy fatra-pilaza tena fa mikatsaka ny voninahitr'Andriamanitra aza, ny ao anatiny lalina ao kosa dia ny voninahitry ny tenany no tena mahaliana azy. Jesosy kosa anefa dia tsy mba nitady voninahitra ho an'ny Tenany. Ny zavatra miainga avy amin'ny fahendren'olombelona ka tanterahina amin'ny faharanitantsain'ny olombelona sy ny talentan'ny olombelona dia tsy maintsy hiafara amin'ny fankalazana olombelona. Ny zavatra izay atomboka ao amin'ny nofo dia tsy hankalaza afa-tsy ny zavatra nohariana. Kanefa tsy hisy na inona na inona any an-danitra na ety an-tany, any amin'ny mandrakizay, izay hitondra laza na voninahitra ho an'ny olona na iza na iza. Ny zavatra rehetra izay mahatratra ny mandrakizay sy miditra any amin'ny vavahadin'ny mandrakizay dia izay nipoitra avy tamin'Andriamanitra, nohazonin'Andriamanitra ary ho an'Andriamanitra.

Izany no antony manome vidiny sy lanjany ilay asa atao, raha amin'Andriamanitra. Ny fanaovantsika zavatra dia zava-dehibe, kanefa ny antony anaovantsika ilay zavatra no zava-dehibe kokoa.