WFTW Body: 

Raha ny miaramila aza mahavita manao sorona be dia be mba hiarovana ny fahaleovantenan'ny tanindrazany, mainka ve isika tsy tokony hanao sorona ny zavatra rehetra (hatramin'ny aintsika aza) mba hanomezam-boninahitra ny Tompo amin'ny fianantsika manontolo sy mba hanalantsika baraka an'i Satana?

Manantena aho fa mahita fahasoavana mahagaga avy amin'Andriamanitra ianao ao amin'ny asa aman-draharahanao. Azonao angatahina Andriamanitra hanoro hevitra anao momba ny fianaranao sy momba ny asanao. Hanampy Anao tokoa Andriamanitra. Mangataha amin'ny finoana dia ho hitanao izany fahagagana maro hataony ho anao. Izany dia hanaporofoantsika amin'Andriamanitra ao anatin'ireny toe-javatra iainantsika ireny fa manana finoana matanjaka isika. Omeo voninahitra foana an'Andriamanitra. Ny olona manome voninahitra Azy no handray mandrakariva ny tsara indrindra eo amin'ny lafim-piainany rehetra. Efa noporofoiko izany hatramin'ny totoana nahaterahako indray, ary lehibe loatra ny porofo ka te hitety ani'zao tontolo izao aho hanambara amin'ny olona rehetra hatraiza hatraiza hoe :

- Omeo voninahitra Andriamanitra any amin'ny sehatra rehetra

- Ataovy lohalaharana amin'ny fitiavanao Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra

- Ataovy madio lalandava ny feon'ny fieritreretanao

- Amin'izay ihany voa afaka miaina fiainana mendrika ianao

Ny olona adala indrindra eto an-tany dia ny olona tsy manome lanjany an'ireo zavatra ireo, ka mihevitra fa afaka miaina fiainana mendrika izy noho ny talentany sy ny zavabitany maro ara-nofo. Tsy misy amin'ireny zavatra ireny anefa afaka hanome fahafahampo any am-parany.

Jaona faha-15 dia toko mahafinaritra loatra. Ny hoe mitoetra dia sary anehoana fitsaharana tonga lafatra (tahaka ny sampana miray amin'ny voaloboka), tsy misy tebiteby tsy manana ahiahy. Fitsaharana vokatry ny finoana fa Andriamanitra dia mihevitra ny antsipiriany rehetra amin'ny fiainantsika. Tsy maintsy hisy fisasarana, tsy maintsy hisy asa mafy, kanefa tsy hisy ahiahy na tebiteby. Ny fikorianan'ny ranonkazo tsy miato mankany amin'ny sampan-kazo dia anehoana an-tsary fa mila fenoina tsy tapaka ny Fanahy Masina isika.

Mitadiava ny Tompo hahazoanao ireto zavatra anankiroa ireto :

(1) Ny mba hanehoany aminao amin'ny alalan'ny Teniny fa mahery vaika loatra ny fanamarinan'ny Tompo anao ka rehefa mijery anao Izy dia olona tsy nanota hatramin'izay niainany no hitany

(2) Mba ho afaka tanteraka amin'ny tahotra vavan'olona ianao

Tsy tsapantsika mantsy fa tena andevozin'ny tahotry ny vavan'olona tokoa isika.

Raha ireo zavatra anankiroa ireo no iadianao fo dia ho fanaka mahomby eo an-tanan'ny Tompo ianao. Mazàna dia ataon'i Satana izay hinoantsika hoe manetry tena isika rehefa mametsovetso ireo fahotantsika taloha. Kanefa ny fotoana tokana izay tokony hisainantsika ireny fahotantsika fahiny ireny, dia rehefa alaim-panahy hitsara ny hafa isika ( 2 Pet.1:9), ary amin'izay ihany.

Rehefa mazava tsara aminao ireo zavatra anankiroa (1) sy (2) ireo, dia hisidina ambony tahaka ny bala afomanga ny fiainanao ary tsy hisy na inona na inona hihazona anao. Aza miezaka manakatra an'ireo zavatra ireo ara-tsaina na ara-pahaizana amam-pahalalana. Minoa fotsiny ny Tenin'Andriamanitra dia mitokisa amin'izany.

Ny

fanamelohan-tena sy ny fahakiviana

dia avy amin'i Satana

foana

. Tsy azo atao mihitsy miaina ao anatin'ny lasa. Ajanony ny famisavisana ireo fahotanao taloha, eny na dia ireo fahombiazanao taloha koa aza. Rehefa lavo ianao, dia

mitsangàna

haingana ary tohizo avy hatrany ny fihazakazahanao. Aza miraviravy tanana mihitsy.