Hoy Jesosy " Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana (na ho voky)" (Matio 5:6). Koa rehefa misy olona miteny hoe "Ry rahalahy, efa niezaka mafy aho handresy ny fahotana fa tsy vitako mihitsy". Azoko valiana araka io andinin-tSoratra Masina io fa tsy tena noana sy mangetaheta fiainana masina izy. Tsy tena iriny fatratra izany hoe handresy fahotana.
Diniho ny fivavahana mafy nataon'i Jesosy mba handreseny fahotana. Fantatsika fa nalaim-panahy tahaka antsika Kristy tety an-tany ary tsy nanota mihitsy Izy. Saingy tsy moramora taminy izany. Ny Hebreo toko faha-5 dia mitantara ny niatrehan'i Jesosy ny fakam-panahy. Voalaza ao amin'ny Hebreo 4:15 fa efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika Izy. Voalaza koa fa izany Kristy izany no Mpisoronabe ho antsika araka ny fanaon'i Melkizedeka (Hebreo 5:6). Izao no voalaza ao amin'ny andininy faha-7 : "Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'Izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra" (Hebreo 5:7). Tsy ny andro farany niainan'ny nofony tao Getsemane akory no nolazaina tamin'ny hoe 'tamin'ny andron'ny nofony' fa ny androm-piainany manontolo izay nitafiany nofo teto an-tany. Izany hoe nandritra ny telo amby telopolo taona sy tapany. Nanao fivavahana sy fangatahana Izy.
Ny fangatahana (supplications) dia fiangaviana manokana nataony tamin'ny Rainy. Tsy fivavahana ankapobe fotsiny hoe "Tahio aho" fa tena fiangaviana manokana. Ary tamin'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso no nivavahany. Fa inona marina no mahatonga Azy hitaraina mafy sy handatsa-dranomaso rehefa nivavaka ? Izany ve ny fomba fivavak'i Jesosy ? Mba efa nisy fotoana anankiray ve teo amin'ny fiainanao nivavahanao tamin-dranomaso ? Angamba rehefa narary ny zanakao na nisy zavatra tena tianao nefa very dia mety niantsoantso sy nivavaka tamin'Andriamanitra ianao. Ny nivavahan'i Jesosy kosa dia tsy tamin'ny zavatra tahaka izany. Efa nivavaka tamin'ny fitarainana mafy ve ianao ? Mety hoe nisy maty na nisy zava-doza nitranga, fa ny an'i Jesosy dia tsy tamin'izany no nivavahany. Voalaza fa nivavaka tamin'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso tamin'Izay (tamin'ny Ray) afaka namonjy Azy amin'ny fahafatesana Izy. Ary nohainoina ny vavaka nataony noho ny fahatahorany an'Andriamanitra.
Io andininy io dia mampianatra antsika zavatra vitsivitsy mikasika ny atao hoe hanoanana sy hetaheta ny fahamarinana. Tsy nomena an'i Jesosy maimaimpoana akory ny fahamarinana fa tsy maintsy nitolona sy niady mafy toa antsika Izy hahazoany izany. Tsy maintsy noana sy nangetaheta izany, tahaka antsika koa, satria olona tahaka antsika Izy mba hataontsika modely. Niatrika ny toe-javatra rehetra Izy, ny fakam-panahy rehetra mahazo antsika, ary ny fomba niadiany tamin'ireny no fomba tsy maintsy iadiantsika koa mba handresentsika ilay fakam-panahy. Izany no dikan'ny hoe mivavaka amin'Izay mahavonjy amin'ny fahafatesana.
Inona moa ilay fahafatesana lazain'ny Soratra Masina ? Tsy natahotra ny hankany Kalvary Jesosy. Tia antsika loatra Izy ka vonona Izy na dia hiverina injato aman'arivo any Kalvary aza mba hamonjy antsika amin'ny fahotana; Tsy natahotra fahafatesana ara-batana i Jesosy. Maritiora kristiana marobe no nihira teny an-dalam-pahafatesana. Nahoana moa Jesosy no hatahotra an'izany ? Voalaza koa fa ny vavaka nataony dia "voahaino", kanefa tsy voavonjy tamin'ny fahafatesana ara-batana Izy. Koa nahoana no lazaina hoe nohainoina ny vavaka nataony ? Ireo fanambarana anankiroa ireo dia samy milaza fa karazana fahafatesana hafa no nivavahany mafy mba tsy hahazo Azy.
Ny Baiboly dia miresaka momba ny fahafatesana ara-batana sy ny fahafatesana ara-panahy. Hoy Jakoba toko-1 "ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana". Rehefa alaim-panahy ianao ka resin'ny fakam-panahy dia mitarika any amin'ny ota izany, ary miafara amin'ny fahafatesana. Izany ilay fahafatesana izay tian'i Jesosy hamonjena Azy rehefa tonga ny fotoanan'ny fakam-panahy. Mba tsy hisy akory na dia fofompofona fahafatesana ara-panahin'ny fahotana aza tamin'ny nanoherany ny fakam-panahy. Na tamin'ny eritreritra izany na tamin'ny toe-tsaina na tamin'ny toe-po na tamin'ny teny na tamin'ny asa. Tsy tokony hisy fofom-pahotana mihitsy. Ary satria tena naniry mafy dia mafy ny ho madio tanteraka sy hankasitrahan'ny Ray Izy dia tsy maintsy nivavaka tamin'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso.
Nandritra ireo 30 taona nipetrahany tao Nazareta sy ireo telo taona sy tapany nanompoany (tamin'ny andron'ny nofony rehetra) dia nivavaka Izy hoe : "Ray ô, tsy te hanota mihitsy Aho. Tsy te hanao ny sitrapoko mihitsy Aho (izay fototry ny ota rehetra)". Izany zavatra izany no nivavahany sy nitolomany mafy tao Getsemane. Nipatrapatraka toy ny rà ny hatsembohany, satria tsy te hanao ny sitrapon'ny Tenany Izy. Koa voahaino Izy noho ny fahatahorany an'Andriamanitra.
Koa inona moa ny marika hamantarana ny fahatahorana an'Andriamanitra, araka ny voalazan'io andininy io ? Anisan'ny mariky ny fahatahoranao an'Andriamanitra dia ny fitarainanao fatratra mba tsy hampalahelo an'Andriamanitra mihitsy. Ary novonjena Jesosy, nohainoina ny fivavahany, tsy nanota mihitsy Izy. Izao angamba no mahatonga antsika hanota, satria isika tsy maniry mafy ny hovonjena amin'izany. Hoy ny Baiboly "mandosira ny fijangajangana". Ao anatin'izany no misy ny sekren'ny fiainana matahotra an'Andriamanitra. Ny dingana voalohany dia hoe "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana". Avy eo dia misy fampanantenana hoe hovokisana hianao. Tena marina tokoa izany.