WFTW Body: 

Isan'andro dia makà ianao fotoana hihainoana an'Andriamanitra.

Ny fehezanteny miverimberina matetika ao amin'ny toko voalohany ao amin'ny Baiboly dia izao : "Ary Andriamanitra nanao hoe".

Nandritra ireo andro enina voalohany dia nilaza zavatra foana Andriamanitraisan'andro isan'androrehefa nanamboatra ny tany izay tsy nisy endrika Izy. Ary isak'izay niteny Andriamanitra dia niova ho toerana tsaratsara kokoa ny tany.

Noho izany, vao tao amin'ny pejy voalohany mihitsy ao amin'ny Baiboly dia mianatra fahamarinana anankiray tena lehibe isika, dia hoe tsy maintsy mihaino izay lazain'Andriamanitraisan'andro . Ary raha manaiky izay lazain'Andriamanitra isan'andro isika dia voaova ho kristiana tsara kokoa sy mahefa kokoa.

Misy fahasamihafana be ny hoe mihaino izay lazain'Andriamanitra amintsika sy ny hoe mamaky fotsiny ny Baiboly. Tadidio fa ireo olona mpandalina isan'andro ny Baiboly no nanombo ny Tompo teo amin'ny hazo fijaliana. Nianatra ny Baiboliny izy ireo kanefa tsy mba nandre an'Andriamanitra niteny tao am-pony (Jereo Asa 13:27). Izany koa no loza mety hanjo antsika. Ary aorian'izany dia mety ho tonga jamba tahaka azy ireo isika.

Mampianatra antsika koa ny Genesisy toko voalohany fa te-hiresaka amintsika isan'andro Andriamanitra.

Kanefa tsy mihaino an'Andriamanitra isan'andro ny ankamaroan'ny kristiana. Ny zavatra nosoratan'olona ihany no vakian'izy ireo.

Ao amin'ny Genesisy 1 dia vakiantsika fa isak'izay miteny Andriamanitra dia misy zavamahagaga mitranga. Dia tokony izany koa ny mitranga ao amin'ny asa fanompoantsika rehefa toriantsika izay zavatra notenenin'Andriamanitra tao am-pontsika.

Paoly dia nilaza tamin'i Timoty mba hitandrina tsara ny fiainany aloha mialoha ny hampianarany raha te hamonjy ny tenany sy hamonjy ny hafa izy (1 Timoty 4:16). Ny lalana tokana hialantsika amin'ny famitahan-tena dia ny fihainoantsika izay lazain'Andriamanitra amintsika.

Indray mandeha dia niteny mafy an'i Marta Jesosy noho izy sahirana mafy tamin'ny asa isan-karazany nefa tokony ho nanao tahaka an'i Maria izy izay nipetraka nihaino ny resak'i Jesosy. Notohizan'ny Tompontsika ihany ny teniny hoe Maria no nanao ny zavatra IRAY LOHA tokony natao (Lioka 10:42). Tsy maintsy manana ny toe-tsaina nananan'i Samoela isika izay nanao hoe "Mitenena Jehovah o fa mihaino ny mpanomponao".

Inona moa no zavatra hitantsika ao amin'ny pejy voalohany indrindra ao amin'ny Baiboly ? Isak'izay miteny Andriamanitra dia misy zavatra tontosa avy hatrany : misy mazava, mivoaka avy ao anaty rano ny tany, misy hazo sy hazandrano ary biby, sy ny sisa

Isaia 55:10,11dia milaza amintsika fa ny Teniny izay aloaky ny vavan'Andriamanitra dia tsy miverina Aminy foana raha tsy efa mahatanteraka izay sitrak'Andriamanitra ary ambinina amin'izay nampandehanany azy.

Mariho ny teny anankiroa voalaza ao amin'ireo andininy ireo izay tena sarobidy amin'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany : "tontosa" sy "nambinina".

Isika rehetra dia samy te hanatontosa zavatra eo amin'ny fiainantsika ary samy te hambinina avokoa. Kanefa fohy ny fiainana ary tsy manana fotoana hanandramana fomba isan-karazany isika mba hahatontosa zavatra sy hahomby, indrindra amin'ny lafiny ara-panahy. Tsy tokony hoe hanandrana fomba fiasa anankiray isika amin'ny asan'ny Tompo ary hahita avy eo rehefa afaka 20 taona fa hay tsy izany no fomba fanaovan'Andriamanitra zavatra fa isika no diso lalana tanteraka ! Azontsika atao ny miala amin'izany fandaniam-potoana izanyraha miahino ny teny izay lazain'Andriamanitra isika. Izany foana no hanatontosana zavatra sy hahazoana fahombiazana.