WFTW Body: 

Ny iray amin'ireo fitaovam-piadian'i Satana lehibe indrindra dia ny "tahotra". Ampiasainy tsy tapaka izany. Rehefa misy mpino miezaka hampitahotra na handrahona olona (na tsy fantany aza) dia miray amin'i Satana izy izay, satria mampiasa fiadiana avy tao amin'ny trano fitehirizam-piadian'i Satana. "Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy matahotra isika" (2 Tim. 1:7). Ny tahotra dia fitaovam-piadian'i Satana foana. Noho izany isika dia tsy tokony hatahotra izay tetika fandrahonana sy fampitahorana ampiasain'ny olona hamelezana antsika. Ny olona manao an'ireny dia solontenan'i Satana avokoa, na dia milaza ny tenany ho "mpino" aza izy. Izany no lesona tokony hianarantsika mandritra ny androm-piainantsika manontolo.

Tsy tokony hitory amin'ny fomba "mampitahotra" akory aza isika. Samy hafa ny mampitandrina ny olona ny amin'ny helo sy ny mampitahotra azy. Jesosy dia tsy mba nampitahotra ny olona mihitsy. Isika koa dia tsy tokony hanaiky ampitahorin'ireo mpitory teny izay miezaka mitondra antsika ao ambany fahadisoana sy fanamelohana amin'ny fitanisany andinin-tSoratra Masina isan-karazany. Misy mpitory teny mampitahotra ny mpino fa hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izy ireo raha miala ao amin'ny fiangonany na tsy mandoa ny ampahafolon-karena sy ny sisa. Izany rehetra izany dia hevidratsin'i Satana avokoa.

Ny tena zava-dehibe dia ianao "mora manimbolo ny fahatahorana ny Tompo" ( Isaia 11:3 - dika ara-bakiteny). Tahaka ireo alikan'ny polisy izay mahay manimbolo ny mpanao ratsy, na dia misy sampanan-dalana marobe aza. Ataon'ny Fanahy Masina izay hahatonga antsika ho mora mahatsapa ny zavatra ankasitrahan'ny Tompo, mba ho fantatsika izay làlana manome voninahitra an'Andriamanitra any amin'ny sampanan-dalana rehetra izay andrenesantsika feo marobe. Enga anie ianareo rehetra mba ho mora manimbolo rehefa eo amin'izany toerana izany. Miaina eo amin'ny tany sady ratsy no voahodidina fahotana sy fahalovana ianareo. Tehirizo ho madio ny tenanareo.

Ny fitaovam-piadian'i Satana lehibe anankiray hafa koa dia ny fahakiviana. Ny fahakiviana dia avy amin'i Satana foana, eny avy aminy foana, fa tsy avy amin'Andiamanitra velively mihitsy. Koa aza avela hisy na inona na inona hanakivy anao, na zavatra ara-nofo izany, na ara-materialy, na ara-pianarana na ara-panahy na inona na inona.

Ny tanjon'i Satana dia ny hitarika anao any amin'ny fahotana amin'ny fanakiviany anao aloha voalohany. Ny fahatsapan-tena ho irery sy ny fanembonana ny tany nihaviana koa dia mety ho lasa loharanom-pahakiviana raha tsy mitandrina ianao. Tsy maintsy mitolona sy mandresy an'ireny ianao. Hanome anao fahasoavana Andriamanitra.

Enga anie ny Tompo hampitandrina anao mialoha amin'ireo loza hitany eo alohanao, izay tsy hitanao, ary koa amin'ireo lafin-javatra izay tsy noeritreretinao. Enga anie ny Tompo hanome anao fahendrena ary hiaro anao.

Andriamanitra dia nampanantena fa hanome fahendrena ho an'ireo izay mangataka Aminy am-pinoana(Jakoba 1:5). Tsy ho azonao izany raha tsy mangataka ianao na raha magataka ihany ianao kanefa tsy mino fa homen'Andriamanitra anao tokoa tokoa ny fahendrena ilainao .

Tsarovy anefa fa ny tanjon'Andriamanitra dia tsy ny hanampy anao hahangom-bola bebe kokoa fa ny mba hitovizanao bebe kokoa amin'i Kristy. Na inona na inona fanambinana ara-nofo hitan'Andriamanitra fa mety ho anao dia homeny anao. Kanefa tsy izany no laharam-pahamehana Aminy, satria ny asa fanangonam-bola dia efa nomen'Andriamanitra ny olon'zao tontolo izao, fa tsy nomeny antsika (Jereo Mpitoriteny 2:26b).