Izao no lazain'ny lalàna ao amin'ny Testamenta taloha "Aza mianian-tsy to, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao" ary koa "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao". Raha amin'ny fiteny amin'izao andro izao ny atao hoe fianianana dia velirano. Mametra-tanana eo ambony Baiboly ny olona dia mianiana fa tsy hilaza afa tsy ny marina. Izao no tiany lazaina rehefa manao izany izy "Matetika dia mandainga foana aho fa amin'ity indray mitoraka ity aho hilaza ny marina". Izany no dikan'ny fianianana rehefa mametraka ny tanany sy mianiana amin'ny Baiboly ny olona anankiray. Kanefa ny ao amin'ny Jakoba dia mamporisika antsika hilaza ny marina mandrakariva (Jakoba 5:12) ary izany no amafisin'i
Jesosy eto.
Raha fintinina ny Matio 5:33-37 dia izao no votoatiny : tokony ho mahitsy fo mandrakariva isika. Tsy tokony ho olona fetsifetsy na kinga sainga na malina be amin'ny teny atao na milaza ny marina amin'ny fomban'ny lalàna tahaka ny atao any amin'ny fitsarana. Tokony ho fantatry ny olona hoe mahitsy fo isika ary tsy mandainga na amin'ny inona na amin'ny inona. Ny "eny" lazaintsika dia tsy maintsy "eny" ary ny "tsia" dia tsy maintsy "tsia". Ny zavatra hafa ankoatr'izany dia avy amin'ny ratsy. Raha manao "eny" an-kolaka aho dia misy zavatra tsy mety ao ary hiafara amin'ny fihatsaram-belatsihy izany.
Raha vakianao ny Didy folo ao amin'ny Eksodosy toko faha-20 dia tsy ho hitanao ao mihitsy ny didy hoe "'Aza mandainga". Ny didy fahasivy dia hoe "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao". Rehefa any amin'ny fitsarana no tena tiany ambara amin'izany, ary tsy azo atao ny mandainga any amin'ny fitsarana. Raha lazaina tsotra dia izao, rehefa mianiana ianao dia voatery tsy maintsy milaza ny marina. Izany ny haavon'ny fenitra tao amin'ny Testamenta taloha satria fantatr'Andriamanitra fa tsy misy olona hahavita mankato ny didy hoe aza mandainga. Ao amin'ny Testamenta taloha koa dia tsy misy didy hoe "Aza tezitra" satria fantatr'Andriamanitra fa tsy misy olona mahatandrina izany didy izany. Ny didy tamin'izany dia hoe "Aza mamono olona". Dia sahala amin'izany ihany, tsy misy didy ao amin'ny Testamenta taloha manao hoe "Aza mitsiriritra vehivavy" satria fantatr'Andriamanitra fa tsy misy olona mahatandrina izany. Noho izany, ny didy dia hoe "Aza mijangajanga amin'ny vatanao".
Fa ankehitriny kosa ao amin'ny fanekena vaovao dia miditra ao am-pon'ny olona ny Fanahy Masina ary vitan'ny olona ny miaina tahaka izany. Rehefa tonga amin-kery ny Fanahy Masina dia mitovy amin'ny herinaratra izay mandrehitra ny jiro sy mampandeha ny fitaovana elektrika isan-karazany. Ary vitantsika amin'izay ny manao ireo zavatra tsy vitan'ny olona raha tsy miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina. Ankehitriny dia azo atao tsara ny mandresy ny fitsiriritan'ny maso, azo atao tsara ny mandresy ny hatezerana, azo atao tsara ny tsy mivazavaza amin'ny vady, azo atao tsara ny milaza ny marina mandrakariva, ary azo atao tsara ny miteny hoe "Eny" rehefa eny ary "Tsia" rehefa tsia.
Andeha hampiasa fanoharana moderna isika : raha manao sonia taratasy fivarotana na taratasy fifanarahana any amin'ny tribonaly misy vavolombelona ianao dia hovakianao tsara mihitsy ilay fifanarahana alohan'ny hanaovanao sonia azy satria fantatrao fa hampiharin'ny tribonaly izany. Ny teny ataon'ny kristiana dia tokony hitovy lanja amin'ny fifanarahana vita sonia. Sahy milaza ve ianao fa marina izany eo amin'ny fiainanao ?
Tsaroako fa indray mandeha dia nifanaraka tamin'ny olona anankiray hividy entana tao an-tranoko aho. Somary lafolafo ihany ilay entana ary nifanaraka tamin'ny vidiny izahay kanefa nandritra ny volana maro dia tsy niverina naka ilay entana izy. Nandritra izany fotoana izany dia efa niakatra ny sandan'ilay entana ary azoko natao ny niteny taminy hoe "Efa niakatra ange ny vidin'ilay entana kanefa tsy nalainao ilay izy". Na dia tsy nanao fifanarahana vita sonia aza aho dia efa nanaiky am-bava fa homeko azy amin'io vidiny io ilay entana. Dia hoy ny Tompo tamiko "Aoka ny teninao ho "eny", eny" ary "tsia" ho "tsia". Somary sahirana io rahalahy io ary izany koa no antony lehibe tsy maintsy nihazonako ny teny nataoko. Hoy aho "Eny e omeko anao amin'iny vidiny iny e", ary tena faly tokoa izy. Inona no fatiantoka ho ahy ? Mety nisy fatiantoka ara-bola. Mety ho nahazo vola nisinisy fanampiny aho raha nampitomboiko ny vidin'ilay entana kanefa hanenjika ahy ny eritreritro satria ilay "eny" nataoko dia tsy tena "eny".
Tsy mampaninona fa aleo very vola kely mba ho olo-marina sy manahaka an'i Kristy. Imbetsaka isika no zahana toetra amin'ny lafiny ara-bola mba hahitana na tena "eny" tokoa ny "eny" ataontsika ary "tsia" ny "tsia".
Mizaha toetra antsika amin'ny lafiny ara-bola Andriamanitra alohan'ny hitondrany antsika any amin'ny ambony kokoa. Teo amin'ny fiainako dia efa imbetsaka tokoa Andriamanitra no nizaha toetra ahy tao anatin'ny raharaha izay na nisy zavatra nahafaty antoka ahy na nisy zavatra tsy maintsy nafoiko. Mitsapa ahy Izy amin'ny alalan'ny didiny mba hahitany na mitandrina ireny aho na tsia. Mba hahitako koa avy eo na inoako marina ireny na tsia. Ankehitriny, ao anatin'ny toe-javatra maro, dia tsy vidiana lafo akory ny filazana ny marina. Tsy misy fitsapana izany ao no dikany. Fa rehefa ny asanao no mety ho very ohatra raha milaza ny marina ianao dia tsapain'Andriamanitra izay ianao hahitany na azony omena asa fanompoana lehibe kokoa na tsia. Izaho dia mino fa ao anatin'ireo sehatra ireo no izahan'Andriamanitra toetra antsika. Ary maro dia maro tokoa ny tanora no tsy mahomby rehefa tsapain'Andriamanitra.
Tsy manery na iza na iza ho tonga mpanompo mahatoky Andriamanitra. Izaho dia mino fa tiany ho tonga mpanompo mahatoky izaho sy ianao kanefa ny fahamarinanao, ny fanajanao ny fenitry ny Tenin'Andriamanitra, ny fanaovanao marimaritra iraisana mba hahazoanao sitraka aman'olona no hamaritra na ho lasa mpanompon'Andriamanitra marina ianao na tsia.
Eritrereto ohatra ity toe-javatra anankiray ity, mpiasa birao ianao ary mety misy fitaovana lafovidy be ao ary tsy hainao tsara ny nampiasa azy dia nosimbanao tsy nahy ilay izy nefa tsy nisy nahita. Maro ny olona mampiasa an'io fitaovana io koa rehefa afaka kelikely dia nisy nahatsikaritra fa tsy nandeha intsony ilay izy. Dia tonga ny tompon'andraikitra hanadihady. Tonga ny lehibe nanontany hoe iza no nanimba ilay fitaovana. Fantatrao fa ianao no nanimba azy kanefa tsy niteny tsy nivolana ianao satria tsy ho fantany mihitsy ny marina noho ireo olona marobe samy mampiasa azy. Dia mihevitra ianao hoe tsy nandainga satria tsy nanokatra ny vavanao, kanefa raha ny tena marina dia nandainga tokoa ianao. Nandainga tsy nisoka-bava ianao ! Mba hiarovanao ny asanao dia tsy niaiky ianao fa nanimba. Angamba raha niaiky ianao dia mety ho voaroaka satria lafo vidy be ilay fitaovana.
Inona no zava-dehibe indrindra tamin'io fotoana io ? Tonga ny devoly nilaza taminao fa tsy misy mandresy ny lainga koa raha mandainga ianao dia tsy ho voaroaka amin'ny asanao. Amin'izay fotoana izay dia mibitsika ao am-ponao koa ny Fanahy Masina hoe lainga izany. Tsy Andriamanitra ve no mahery indrindra ? Raha matoky an'Andriamanitra ianao ka milaza ny marina dia mety ho voaroaka amin'ny asa kanefa homen'Andriamanitra asa tsaratsara kokoa ianao. Manana izany finoana izany ve ianao ? Ao anatin'izany toe-javatra izany no itsapana antsika.
Tsy resaka "théorie" no lazaiko. Imbetsaka tokoa no efa nitsapa ahy tamin'io lafiny io Andriamanitra, tsy hoe mba hahafantarany na olona kinga saina aho na fetsifety ka mahita lalana hahatafavoahana, fa mba hahitany hoe olona mahitsy fo aho ary vonona ny hilaza ny marina na hovidiako lafo aza izany.
Tahaka izany no nanosoran'Andriamanitra ahy sy nanomezany ahy asa fanompoana hitory ny marina eny ambony piliitra na inona na inona vidiny. Mino aho fa tian'Andriamanitra hitory ny marina eny amin'ny pilipitra ireo mpaminaniny maro dia maro ao amin'ny tontolo kristiana ankehitriny na inona na inona vidin'izany, eny na dia horoahina aza ka tonga hamavoin'ny olona sy holaviny sy tsy hisy mpihaino sy hotsikeraina ary ho endrikendrehina. Manomana anao amin'ny asa fanompoana Andriamanitra amin'ny fizahany toetra anao ao anatin'ny toe-javatra iainanao andavanandro hahitany hoe vonona hilaza ny marina ve ianao na dia mety hovidianao lafo aza izany ka hahavery ny asanao, ary na mety ho very vola aza ianao satria mijoro amin'ny fahamarinana. Zava-dehibe tokoa io lafin-javatra anankiray io.