WFTW Body: 

Na iza na iza manompo ny Tompo dia tsy maintsy lasibatry ny fanafihana ataon'i Satana. Ny olona ampiasain'Andriamanitra be indrindra no tafihan'ny fahavalo mafy indrindra. Zavatra tsy azontsika ialàna izany. Satana dia hanafika antsika amin'ny fanalam-baraka, amin'ny fiampangana lainga ary amin'ny tantara foroniny. Ary hanafika ny vady aman-janantsika koa izy.

Eritrereto fotsiny ireo fanaratsiana maro nataon'ny olona mikasika an'i Jesosy tamin'ny androny, sy ataon'ny olona mikasika Azy na ankehitriny aza. Nomen'izy ireo anarana hoe fatra-pitia hanina sy mpisotro divay Jesosy (Lioka 7:34), very saina (Marka 3:21), manana demonia (Jaona 8:48), lohan'ny demonia (Matio 12:24) sy anaran-dratsy maro tahaka izany. Nolazain'izy ireo fa olona mpivadi-pinoana mitory fampianarana mifanohitra amin'ny an'ny Baiboly sy Mosesy Jesosy (Jaona 9:29). Izany no fomba nandroahan'izy ireo ny olona tsy hihaino ny Tompo. Kanefa tsy mba nahoan'i Jesosy mihitsy ny hamaly an'ireny olona ireny. Tsy namaly ny fiampangana ny Tenany mihitsy Izy na indray mandeha aza. Tsy tokony hamaly koa isika. Tsy nisy novalian'i Jesosy afa tsy ireo fanontaniana mikasika ny foto-pampianarana ihany. Amin'izao androntsika izao aza dia misy olona milaza zavatra mahamenatra mikasika ny Tompontsika. Kanefa tsy mitsara azy ireny Andriamanitra.

Paoly dia nantsoin'ny olona hoe mpamitaka sy mpaminany sandoka tao amin'ny sekta anankiray efa ratsy laza eny tontolo eny (Asa 24:14;28:22). Izany no fomba nanakanan'izy ireo ny olona tsy hihaino an'i Paoly koa.

Tao anatin'ny tantaran'ny fivavahana kristiana dia izany koa no nitranga tamin'ireo olon'Andriamanitra lehibe, tamin'i John Wesley, Charles Finney, William Booth, Watchman Nee sy ireo tena mpaminanin'Andriamanitra.

Moa ve isika vonona ny hanefa ny vidiny tahaka azy ireo mba hitovizantsika amin'i Jesosy? Sa kosa isika mbola mitady voninahitra aman'olona foana ?

Manorotoro antsika Andriamanitra amin'ny famelany ny olona ho diso fihevitra amintsika, ho diso fitsara antsika, hiampanga lainga sy hanalabaraka antsika imason'olona. Ao anatin'ireny toe-javatra rehetra ireny dia tsy maintsy mandà tsy hijery ireo olona mampahory antsika isika. Mety ho rahalahitsika izy ireny mety ho fahavalontsika. Tsy mampaninona. Ao ambadik'iny tànan'ny Jodasy Iskariota iny dia misy kapoaka omen'ny Raintsika any an-danitra hosotrointsika. Raha ny tànan'ny Ray no hitantsika ao anatin'ireny toe-javatra ireny, dia hosotrointsika am-pifaliana ny kapoaka, na mangidy sy mafaitra aza. Fa raha tsy mahita afa-tsy Jodasy isika, dia hanatsoaka ny sabatra (tahaka an'i Petera) ary hikapa ny sofin'ny olona (na ny lazan'ny olona) na zavatra hafa.

Rehefa misy manafika na misy manendrikendrika isika dia tian'Andriamanitra hanetry tena eo ambany tàna-maheriny. Mora ny manao an'izany rehefa hitantsika fa tànan'Andriamanitra no eo fa tsy tànan'olombelona.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia nandre "mpino" sasany nilaza fanaratsiana maro mikasika ny tenako sy ny fampianarana omeko aho. Niampanga lainga ahy sy ny ankohonako koa izy ireo ary nanoratra lahatsoratra sy boky maro feno fanaratsiana ahy. Saingy tsy navelan'ny Tompo hamaly mihitsy aho. Dia nangina aho. Vokatr'izany dia nanaovan'ny Tompo asa fanamasinana lehibe tato anatiko sy tao anatin'ny ankohonako ! Ataon'Andriamanitra miasa hahasoa antsika ny fanaratsiana.

Fantatro fa amin'ny fotoanan'ny Tompo dia hanaisotra ny rahona ary hampamiratra ny masoandro Izy. Kanefa Izy irery ihany no hanendry izay fotoana izay fa tsy izaho (araka ny vakiantsika ao amin'ny Asa 1:7). Mandra-pahatongan'izany dia ny manetry tena eo ambanin'ny tàna-maheriny no anjarako. Tsy anjarako ny manamarin-tena eo anatrehan'ny olona. Raha vao manomboka manao an'izany aho dia tsy hanam-potoana hanaovana zavatra hafa intsony.

Araka ny nolazain'i Paoly mikasika an'i Aleksandro mpanefy varahina, dia ny Tompo mihitsy no hamaly ny fahavalontsika indray andro any araka ny asany (2Timoty 4:14). Noho izany dia azontsika avela soa aman-tsara eo an-tanan'Andriamanitra ny momba ny famaliana ratsy (Romana 12:19).

Ny tsara indrindra dia ny mamela ny zavatra rehetra eo amin'Andriamanitra. Mahafantatra ny ataony Izy ary eo ambany fifehezany avokoa na inona na inona. Izy no mipaika ny vato mba hanaovany sary sokitra mitovy endrika amin'i Jesosy ao anatintsika.. Ny faritra sasany amin'ilay vato dia tena mafy loatra ka voatery mampiasa fiampangana lainga sy fanenjehana Andriamanitra mba hanendahany azy. Raha mamela Azy hipaika ny vato ao anatintsika isika dia ho tonga olona mitovy endrika amin'i Kristy izay manana fahefana ara-panahy amin'ny farany.

Rehefa namadika an'i Jesosy i Jodasy dia mbola nantsoin'i Jesosy hoe "Sakaiza" ihany izy, satria ny tànan'ny Rainy no hitany mazava tsara. Raha mahita isika fa Andriamanitra no masimandidy ao anatin'ny toe-javatra rehetra misy antsika dia ho mora amintsika ny manetry tena. Ary ho mora amin'Andriamanitra ny manandratra antsika amin'ny fotoanany. Andriamanitra no mahafantatra ny fotoana mety izay hanesorany ny vesatra eo ambony sorotsika sy hanomezany antsika ny fahefany. Noho izany dia aoka hiandry Azy isika. Tsy misy olona miandry an'Andriamanitra ka ho menatra na hangaihay (Isaia 49:23).