WFTW Body: 

Ny zava-dehibe indrindra eto ambonin'ny tany dia ny mahalala an'Andriamanitra. Satria rehefa mahalala an'Andriamanitra isika dia ho fantatsika izay tokony atao na inona toe-javatra atrehintsika na inona. Ho feno fahasahiana koa isika miatrika ny fiainana, na dia manohitra antsika aza izao tontolo izao, satria fantatsika fa miorina tsara isika. Mila fotoana ny fahalalana an'Andriamanitra, noho izany dia tsara raha atombokao dieny mbola tanora izany. Raha tianao ny hahalala an'Andriamanitra dia tsy maintsy vonona ianao hihevitra fa ny zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao dia fakofako raha oharina amin'ny fahalalana an'Andriamanitra. Ny dikan'izany dia izao, ny zavatra izay heverin'ny olona ho zava-tsoa dia tsy tokony hahasarika anao, fa tokony hataonao taimboraka ! Tahaka izany izy ireny tamin'i Paoly (Jereo Filipiana 3:8).

Raha toa ka fatra-pitady vola na fahafinaretana na voninahitra na fahamboniana isika eto amin'izao tontolo izao, dia ho hitantsika indray andro any, rehefa hazava amintsika kokoa ny mandrakizay, fa hay taimboraka no mameno ny tanantsika. Ho hitantsika amin'izay fotoana izay fa ny nandaniantsika ny fiainantsika tety an-tany dia famikirana tamin'ny taimboraka, kanefa Andriamanitra tsy nitsahatra niantso antsika mba handova ny harenany. Koa hendre ianao, ary ampiasao fotsiny ireny zavatry ny tany ireny (satria ilaina ireny amin'ny fiainantsika eto an-tany), fa aza miraikipo amin'ireny mihitsy, fandrao hamidinao tsaramaso iray vilia ny fizokianao.

Raha hitan'Andriamanitra fa tsy ataonao ambanin-javatra ny maha-kristiana anao, dia hohozongozonin'Andriamanitra izay mety hozongozonina rehetra eo amin'ny fiainanao, mba tsy hisy fitaka ny amin'ny fifandraisanao Aminy. Saropiaro amin'ny fanahinao Izy. Tian'Andriamanitra ny hahalalanao Azy mivantana, fa tsy ny hahalalanao Azy ao amin'ny boky (Baiboly) na amin'ny alalan'ny olon-kafa.

Derao Andriamanitra noho ny fitiavany, izay mampiseho amintsika ny tena toe-panahintsika marina, ka hahafahantsika manitsy izay tokony hahitsy, izao dia izao ihany. Tsy ampy fotsiny ny hoe mankahala fahotana sy ny hoe mitahiry ny tenantsika ho madio. Tsia. Tsy maintsy tonga eo amin'ny fifandraisam-po akaiky amin'ny Tompo Jesosy isika. Raha tsy izany dia ho lasa « ezaka fampivoaran-tena » fotsiny ny fanadiovantsika ny tenantsika. Voalohany indrindra raha hanorina fifandraisam-po akaiky amin'ny Tompo ianao dia tsy maintsy mitandrina mba hadio lalandava ny feon'ny fieritreretanao, amin'ny fanenenanao sy ny fiaikenao ny fahotana rehetra fantatrao, raha vantany vao tsapanao ny fisiany. Avy eo dia tsy maintsy kolokoloinao ny fahazarana miresaka matetika amin'ny Tompo mandritra ny andro. Izany ihany no hahafahanao mijoro, rehefa mirodana sy mianjera avokoa ny zavatra rehetra manodidina anao ao amin'ny indray andro.

Izany ny ahy no tena faniriako indrindra, dia ny hahalala ny Tompo, satria izay ihany no « fiainana mandrakizay » (Jaona 17:3). Ny fahalalako ny Tompo irery ihany no nanampy ahy nijoro tsy nivena, sy nanam-pitsaharana, ary indrindra indrindra, feno fitiavana, rehefa nisy fikambanana Kristiana sy pastera maro izay nanohitra ahy sy niteny ratsy ahy, na taty Inde izany na tany ivelany. Izaho koa dia maniry fatratra ny hahalalanao ny Tompo tahaka izany, eny tsara kokoa mihoatra noho ny nahalalako Azy aza.