WFTW Body: 

"Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy, ary Jehovah nihaino ka nandre izany ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany. ... Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka" (Malakia 3 : 16-18).

Ireo andini-tsoratra Masina eo ambony ireo dia milaza antokon'olona anankiroa, dia ny marina sy ny meloka. Voalaza eo fa Andriamanitra dia manana "bokin'ny fahatsiarovana" izay tsy mirakitra afa-tsy ny anaran'ireo kristiana izay tena matahotra an'Andriamanitra sy manome voninahitra ny anarany. Ary nilaza Andriamanitra fa amin'izany no hanavahana ny tsi-fitovian'ny tena olo-marina amin'ny olo-meloka .

Ireo teny ireo dia azo ampifandraisina amin'ilay nolazain'i Jesosy tao amin'ny Matio 23:25,26. Ireo Fariseo ratsy fanahy, dia nolazain'i Jesosy, fa manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia fotsiny ; fa ny tena olo-marina kosa dia sady manadio ny ao anatin'ny kapoaka no manadio ny vohony. Izany no hanavahantsika ny marina amin'ny meloka.

Ny mpino izay tena matahotra an'Andriamanitra tokoa dia hiaro ny fony ho madio mandrakariva eo anatrehan'Andriamanitra sy hiaro ny fahazavany (ny fiainana hita ety ivelany) hamirapiratra eo anatrehan'ny olona. Ireo olona izay hanao ny fiainany anaty ho zava-dehibe indrindra ihany no manana fiainana mandresy marina tokoa ny fahotana.

Misy fahasamihafana be koa ny fananana fieritreretana madio sy ny fananana fo madio. Ny fieritreretana madio dia fieritreretana afaka tamin'ny fahotana fantatra rehetra. Fa ny fo madio kosa dia fo tsy hoe afaka tamin'ny fahotana fantatra rehetra fotsiny, fa fo tsy manana firaiketam-po afa-tsy amin' Andriamanitra irery ihany. Ny olona izay manana fo madio dia tsy mahita afa-tsy Andriamanitra fa tsy mahita zavatra hafa na olon-kafa. Hoy Jesosy "Sambatra izay madio am-po fa izy no hahita an'Andriamanitra". Izay madio am-po irery ihany no mahita an'Andriamanitra, ao anatin'ny zava-mitranga rehetra (Matio 5:8) . Ny fisainan'izy ireo dia tsy hifantoka amin'ny olona (na ratsy na tsara) na amin'ny zava-misy (na mora na sarotra). Ny sain'izy ireo dia hifantoka amin'Andriamanitra irery ihany.

Ny olona be taraina noho ny ataon'ny hafa dia manaporofo amin'izany fa tsy madio ny fony, satria tsy Andriamanitra no ifantohan'ny sainy fa ny ratsy hitany eny amin'ny hafa. Raha ho nadio ny fony, dia tsy ho nahita afa-tsy Andriamanitra izy, na dia tao anatin'ny zava-tsarotra vokatry ny nataon'ilay olona aza ! Izany olona izany dia hahita an'Andriamanitra miasa ao anatin'ireo zava-tsarotra, tsy hoe hahasoa azy fotsiny ( Romana 8 :28) fa ho an'ny voninahitr'Andriamanitra koa. Ary dia hidera an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra izy.

Raha tena madio tokoa ny fonao, dia tsy hisy afaka hisakana ny planin'Andriamanitra tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainanao na ny olona rehetra eto ambonin'ny tany na ny demonia rehetra eto amin'izao tontolo izao mitambatra, satria hiasa ho anao Andriamanitra ao anatin'ny zava-mitranga rehetra. Ary dia ho tonga mpandresy ianao ao anatin'ny zava-mitranga rehetra, ka ho afaka hanatanteraka ny planin'Andriamanitra tonga lafatra ho an'ny fiainanao ianao.

Izao no lazain'ny Baiboly, "Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona" (Ohabolana 27:19) . Ny azo andikana an'io andininy io dia izao, rehefa heverinao fa antony ratsy no manosika ny olona hanao zavatra anankiray, dia mampiharihary ny toetry ny fonao izany, satria mihevitra ianao fa tsy maintsy natosiky ny faharatsiany izy tahaka ny nataonao raha ianao no nanao ilay izy. Jesosy anefa dia nilaza tamintsika mba hamantatra ny olona amin'ny voany ihany (ny asa ety ivelany) ("Ny voany no hahafantaranareo azy" - Matio 7:16 ), fa tsy amin'ny fakany (izay nanosika azy, izay tsy hitan'ny olona!). Raha tsy mitsahatra manadio ny tenantsika isika, dia ny tenantsika no hotsaraintsika fa tsy ny zavatra manosika ny olon-kafa. Amin'izany dia ho haintsika ny mitahiry ny fontsika ho madio lalandava. Ary dia Andriamanitra mihitsy no hanome antsika ny fahaiza-manavaka mikasika ny olon-kafa, mba tsy ho voafitaka isika. Ny fon'i Jesosy dia nadio lalandava, satria tsy mba nitsara na iza na iza izy (Jaona 8:15), fa nahay nanavaka ny olona tsirairay avy (Jaona 2:24,25).

Inty misy ohatra anankiray maneho ny dikan'ny hoe miaro ny fontsika ho madio. Nisy rahalahy anankiray, Juniper no anarany, lehilahy natahotra an'Andriamanitra izy ary nonina tany Italia tamin'ny taonjato faha 13. Nitafy fitafiana tsotra foana izy. Indray andro dia nahita ny rahalahiny anankiray izy nitafy fitafiana tena lafo vidy. Tsy nitsara azy noho izany anefa i Juniper. Fa niteny anakampo izy nanao hoe "Angamba ao anatin'ireo fitafiana lafo vidy ireo, dia manana fo manetry tena noho ny ahy ato ambanin'ireto fitafiana tsotra ireto ny rahalahiko". Tamin'izany toetra madio sy feno fanetren-tena izany no niarovany ny tenany ka tsy nanotany tamin'ny fitsarana ny rahalahiny. Izany no anisan'ny misterin'ny fahatahorana an'Andriamanitra ary izany dia tsara alaintsika rehetra tahaka. Enga anie ho tahaka izany foana isika. Amena.