WFTW Body: 

Voasoratra ao amin'ny Baiboly momba an'i Jesosy fa nijery an'Andriamanitra Rainy teo anatrehany mandrakariva Izy, ary voalaza koa fa nampifaly ny fony lalandava izany. Nanana « fahavokisam-pifaliana » Izy. Ary ny Ray dia teo an-tanana ankavanan'i Jesosy mandrakariva hanohana Azy ( Asa 2:25,26 mitatitra ny Salamo 16:10:11). Koa ataovy eo anatrehanao mandrakariva ny Tompo amin'ny fotoana rehetra dia fahavokisam-pifaliana foana no ho anjara lovanao. Ary ho eo an-tananao ankavanana mandrakariva koa ny Tompo hanohana anao. Noho izany àry dia aza avela hisy olona na zavatra izay manjo anao hanelanelana anao sy ny Tompo.

Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an'Andriamanitra (Matio 5:8). Ary na inona na inona mitranga dia tsy hahita afa-tsy Andriamanitra izy. Tsy ho hitany na ny olona na ny zava-mitranga aza. Rehefa voasariky ny hakanton'i Jesosy ianao, dia hiha-malemy ny sinton'ny fakam-panahy. Ary rehefa jerenao ao ambadik'i Jesosy ny olona sy ny zava-manjo dia hahita fitsaraharana ianao. Satria hatoky ianao fa ataon'Andriamanitra miara-miasa ny zavatra rehetra handraisanao ny soa indrindra, ao amin'ireo zava-mitranga ireo ary amin'ny alalan'ireo olona ireo (Romana 8:28). Tsy maintsy mizatra ianao ny hanana fitsaharana na inona na inona mitranga, ao anatin'ireo fahoriana kely izay atrehinao andavanandro. Rehefa manana izany fahazarana izany ianao dia afaka handresy ireo fahoriana lehibe kokoa izay miandry anao any aoriana.

Aza mba mankalaza olona na asa soratra nataon'olona mihitsy. Ny tena olon'Andriamanitra sy ny boky tena ara-panahy dia samy hitarika anao ho any amin'i Jesosy (Ilay Teny Velona), sy ho any amin'ny Baiboly (Ilay Teny Voasoratra). Araho fotsiny ny torolalana omen'ny olon'Andriamanitra ary vakio ny boky dia izay ihany atao .

Ny tena mampiseho miharihary ny halehiben'ny herin'Andriamanitra dia tsy tamin'ny famoronany an'izao tontolo izao akory fa kosa tamin'ny fahafatesan'i Jesosy Tompo sy ny fitsanganany tamin'ny maty, izay nandreseny an'i Satana (Efe. 1:19,20). Ny nanomboana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana no zavatra ratsy indrindra nataon'ny olona teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Nefa koa dia izany nanomboana an'i Jesosy izany no zavatra tsara indrindra izay tonga teto amin'ity tany ity. Raha toa ka manana izany hery hanova ny zava-dratsy indrindra teo amin'ny tantara izany ho zava-tsoa indrindra Andriamanitra, dia azo antoka fa ho hainy koa ny hanova izay rehetra tonga eo amin'ny fiainanao ho zavatsoa mamiratra (Romana 8:28).

Tian'Andriamanitra ny miasa tsy misy mpahita. Tsy mila dera na fisehosehoana na fitsofana trompetra Izy. Ny vokatr'izany dia mihevitra ianao indraindray fa fifanojoana fotsiny na kisendrasendra ny zavatra miseho. Kanefa dia tena valim-bavaka natokana ho anao ireny, valin'ny vavaka nataonao, na valin'ny vavaka nataon'ny hafa ho anao. «Andriamanitra miafina » Izy amin'ny fomba fiasany (Isaia 45:15). « Tsy azontsika fantarina velilvely ny lalany » (Rom. 11:33 - dikan-teny Living Bible).

Ataovy avokoa ny ala-nenina rehetra, dia avelao ho an'Andriamanitra ny sisa. Izy no handidy sy hanapaka tokoa izay zavatra rehetra momba anao. Na dia ireo fahadisoanao sy tsi-fahombiazanao aza dia hatsimbadik'Andriamanitra mba hampitombo ny ara-panahinao noho ny amin'ny Tompo. Izany ilay Andriamanitra izay ivavahantsika. Izany ilay Andriamanitra izay manjaka amin'ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany. Noho izany dia tsy tokony hiaina ao anaty nenina ianao noho ny amin'ireo fahadisoana vitanao. Aza avela hangalarin'i Satana ny fifalianao amin'ny fanenenana toy izany. Andriamanitra dia tena Masimandidy tokoa k a na dia ny fahadisoantsika aza dia ataony fitaovana ampiasaina mba ho an'ny voninahiny sy hanasoavany antsika . Ny zavatra tokony hampalahelo antsika sisa dia ny fireharehana sy ireo fahotana izay tsy mbola nibebahana. Satana dia mbola hampahatsiahy anao foana ireo fahadisoana nataonao tamin'ny lasa, mba handavo anao anaty fahakiviana. Kanefa raha kivy sy ketraka foana ianao noho ny amin'ireo tsi-fahombiazanao taloha dia ho mora ho an'i Satana ny hamingana anao indray.

Rehefa misamboaravoara ny alon-drano, dia tena zava-dehibe tokoa ny ampifantohanao ny fijerinao any amin'i Jesosy tenany mihitsy. Ary aza mijery ny alon-drano manodidina anao tahaka an'i Petera ( Matio 14:30). Mety hisy ady saritaka ao amin'ny toeram-piasanao, na eo amin'ny manodidina anao. Kanefa raha Jesosy irery ihany no banjininao, dia am-pandresena no hamakivakianao ny ranomasina misamboaravoara.