WFTW Body: 

Zac Poonen

Ny tenin'Andriamanitra dia miresaka « famonjena » amin'ny fotoana telo : ny lasa (Efe. 2:8), ny ankehitriny (Fil. 2:12) ary ny ho avy (Rom. 13:11). Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao, ny tenin'Andriamanitra dia miresaka fanamarinana, fanamasinana, ary fandraisam-boninahitra.

1. FANAMARINANA :

Ny famonjena dia manana fototra sy vatan-trano. Ny fototra iorenana dia ny famelan-keloka sy ny fanamarinana. Ny fanamarinana dia lehibe lavitra noho ny famelan-keloka. Ny fanamarinana dia midika koa fa efa nambara ho marina teo imason'Andriamanitra isika. Ny fanamarinana antsika dia avy tamin'ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiakarany tany an-danitra. Izany dia tsy avy amin'ny asantsika (Efe. 2:8-9), satria na dia ny asa marina ataontsika aza dia tahaka ny lamba mihosin-drà eo anatrehan'Andriamanitra (Isaia 64:6). Nitafy ny fahamarinan'i Kristy isika (Gal. 3:27). Ny fibebahana sy ny finoana no fepetra hahafahanao ho voavela heloka sy ho voamarina (Asa 20:21). Ny fibebahana marina dia tsy maintsy mampamoa voan'ny fanonerana, manonitra ny vola sy ny zavatra sy ny hetra izay hazonintsika tsy ara-dalàna eo am-pelantanantsika (satria misy tompony ireny), ary koa mifona mangatam-pamelana amin'ireo olona izay noratraintsika, araka izay tratry ny fitadidiantsika (Lioka 19:8-9). Rehefa avelan'Andriamanitra ny helotsika, dia asainy mamela ny heloky ny hafa koa isika, tahaka ny namelany ny helotsika. Raha tsy ataontsika izany, dia esorin'Andriamanitra ilay famelan-kelony (Matio 18:23-35). Ny fibebahana sy ny finoana dia tsy maintsy arahina batisan'ny rano asitrika, izay anambarantsika ampahibemaso amin'Andriamanitra sy amin'ny olona ary amin'ireo demony fa ilay adama taloha na ilay toetsika taloha dia efa nalevina tokoa ( Rom. 6:4,6). Azontsika raisina amin'izay avy eo ny batisan'ny Fanahy Masina, izay hanafiana antsika amin'ny hery ary ho tonga vavolombelon'i Kristy amin'ny fiainana sy amin'ny molotra isika ( Asa 1:8). Ny batisan'ny Fanahy Masina dia fampanantenana natao ho raisin'ny zanak'Andriamanitra rehetra amin'ny finoana ( Matio 3:11 ; Lioka 11.13). Tena tombontsoa ho an'ny mpianatra tsirairay ny fandraisany ny fanambaran'ny Fanahy fa tena zanak'Andriamanitra tokoa izy (Rom. 8:16) sy ny fahazoany antoka fa tena efa nandray ny Fanahy Masina tokoa izy (Asa 19:2).

2. FANAMASINANA :

Ny fanamasinana dia rafitry ny vatantrano. Ny fanamasinana (izay midika hoe 'tafasaraka' amin'ny fahotana sy amin'izao tontolo izao) dia dingana izay atomboka eo amin'ny fahateraham-baovao (1 Kor. 1:2) ary tsy maintsy tohizana mandra-pahatapitry ny fiainantsika ety an-tany ( 1 Tesa. 5:23,24). Izany dia asa izay Andriamanitra no manomboka azy ao anatintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, amin'ny fanoratany ny lalàny ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika. Kanefa misy anjara izay tsy maintsy efaintsika, dia ny miasa amin'ny tahotra sy ny hovitra ho fampiharana ny famonjena antsika (Fil. 2:12,13). Isika no tsy maintsy mamono ny asan'ny tenantsika amin'ny alalan'ny hery izay omen'ny Fanahy Masina antsika (Rom. 8:13). Isika no tsy maintsy manadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoan'ny nofo sy ny fanahy, sy manatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra ( 2 Kor. 7:1). Raha misy mpianatra tena vonona sady manana zotom-po hiara-miasa amin'ny Fanahy Masina amin'ireo asa voalaza ireo, dia handroso haingana dia haingana tokoa ny asa fanamasinana ao amin'ny fiainany. Izany asa izany dia mazava ho azy fa hiha-miadana ary hiato eo amin'ny fiainan'ny olona izay malaina rehefa tarihin'ny Fanahy Masina. Amin'ny fotoanan'ny fakam-panahy no tena mandalo fitsapana mafy ny zotom-pontsika maniry fanamasinana. Rehefa tanteraka ao anatin'ny fontsika ny fahamarinan'ny lalàna, fa tsy tanteraka ety ivelany fotsiny tahaka ny tamin'ny fanekena taloha, dia lazaina fa nohamasinina isika (Rom. 8:4). Izany no namafisin'i Jesosy ao amin'ny Matio 5:17-48. Ny fitsipiky ny lalàna dia nofintinin'i Jesosy tamin'ny hoe fitiavana an'Andriamanitra amin'ny fontsika manontolo ary fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika (Mat. 22:36-40). Izany lalànan'ny fitiavana izany ankehitriny no tadiavin'Andriamanitra hosoratana ao am-pontsika, satria izany no toetrany (fomban'Andriamanitra) (Heb. 8:10 ; 2 Pet. 1:4). Ny fomba fisehon'izany ety ivelany dia fiainana maharesy izay fahotana fantatra rehetra ary fankatoavana ny didin'i Jesosy rehetra (Jaona 14:15). Tsy azo atao ny miditra ao amin'izany fiainana izany raha tsy efa nahatanteraka ny fepetra napetrak'i Jesosy izay takiany amin'izay te ho mpianany (Lioka 14:26-33). Ny tena ventin'ireo fepetra ireo dia ny fanomezantsika toerana ambony indrindra ny Tompo mihoatra noho ny havantsika sy ny tenantsika ary koa ny fihatahantsika amin'izay mety ho harena sy fananana ara-nofo. Izany no vavahady ety izay tsy maintsy idirantsika voalohany aloha. Ary aorian'izany no misy ny lalan-terin'ny fanamasinana. Izay tsy miezaka mitady ny fahamasinana dia tsy hahita ny Tompo mihitsy (Heb. 12:14).

3. FANDRAISAM-BONINAHITRA:

Na dia azontsika atao aza ny tanteraka ao amin'ny fieritreretana amin'izao andro ankehitriny izao (Heb. 7:19;9:9,14), dia tsy afaka ny ho tanteraka sy tsy hanana ota isika mandra-pitafintsika ny vatam-boninahitra amin'ny fisehoan'i Jesosy (1 Jaona 3:2). Amin'izay fotoana izay vao ho TAHAKA Azy isika. Nefa kosa isika da tsy maintsy MANDEHA tahaka ny nandehanany (1 Jaona 2:6). Raha mbola mitoetra ato anatin'ity vatana mety lo ity isika, dia mbola hisy ota tsy fantatry ny saintsika foana ao, na efa nohamasinina tokoa aza isika (1 Jaona 1:8). Fa ao anatin'ny fieritreretantsika kosa dia azontsika atao ny tanteraka ( Asa 24:16) sy tsy manana ota fantatra (1 Jaona 2:1a), raha manana zotom-po isika, na dia izao ankehitriny izao aza ( 1 Kor. 4:4). Izany no iandrasantsika ny fiverenan'i Kristy izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny (fandraisam-boninahitra). Ny tapany farany amin'ny famonjena antsika dia ny fahatongavantsika ho tanteraka tsy hanana ota ( Rom. 8:23 ; Fil. 3:21).