WFTW Body: 

Be dia be ny fahadisoan-kevitra eo anivon'ny kristiana momba ny hoe : mety ve ny mitsara olona sa tsia. Ny anton'izany dia ny tsy fahatakarana ny hevitry ny teny hoe "mitsara".

Amin'ny maha-mpino antsika dia tsy maintsy mitsara ny hafa isika amin'ilay lafiny anankiray hoe tsy maintsy mamantatra ny olona. Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa rehefa mandre olona mitory teny isika dia "aoka hamantatra" izay lazainy (1Kor.14:29). Noho izany dia tena mandidy antsika ny Fanahy Masina mba hitsarany toritenin'ny olona rehetra. Izany no fomba tokana hahafahantsika miala amin'ny famitahan'ireo mpitoriteny maro ao amin'ny fivavahana kristiana ankehitriny.

Ny Tenin'Andriamanitra koa dia milaza hoe : "Aza mino ny fanahy rehetra fa izahao toetra (tsarao) ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao" (1Jaona 4:1).

Nolazain'i Jesosy tamintsika koa ny fomba hitsarantsika ny olona. Hoy Izy " Aoka ho marina ny fitsaranareo ary aza mitsara ivelany na mitsara araka izay hitan'ny maso. Fa mbamitsarà amin'ny rariny sy ny hitsiny" (Jaona 7:4 - Baiboly Amplified).

Koa inona àry izany no tian'i Jesosy nolazaina raha Izy ihany no niteny hoe " Aza mitsara" (ao amin'ny Matio 7:1 ) ?

Ny teny hoe "mitsara" dia midika koa hoe "manameloka" (nalaina tamin'ny teny Grika). Tahaka izao no andikan'ny Baiboly Amplified an'io andininy io : "Aza manameloka ny hafamba tsy homelohina ianareo" (Mat. 7:1 - Amplified).

Ary mikasika ny Tenany dia nilaza koa Jesosy hoe "Izaho tsy manameloka na manasazy olona na dia iray akory aza" (Jaona 8-15 - Amplified).

Noho izany dia ny manameloka no sady manasazy olona (amin'ny vavantsika na ao amin'ny saintsika) no voarara. Andriamanitra irery ihany no manana ny zo hanao izany.

Kanefa tsy maintsy mizaha toetra sy mamantatra isika.

Ny faminaniana mikasika an'i Jesosy dia nilaza fa tsy hitsara na oviana na oviana "araka ny hitan'ny masony Izy na araka ny ren'ny sofiny, fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny olona" (Isaia 11:3,4). Isika koa dia tokony hanaraka izany modely izany ary tsy tokony hitsara na inona na inona ary na iza na iza mihitsy avy amin'izay hitan'ny masontsika na ren'ny sofintsika fotsiny. Tsy maintsy mamotopototra lalina tsara ny raharaha anankiray isika ary avy eo dia mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny, tsy misy fiangarana .

Ilazana koa isika, araka ny maha-ankohonan'Andriamanitra antsika, fa ny tenantsika aloha no tsy maintsy tsaraintsika voalohany (1Pet. 4:17). Saingy tsy mahazo mitsara ny tenantsika amin'ny fijerena ny ao anatintsika isika. Tsia. Jesosy no tsy maintsy modely jerentsika ary ao anatin'ny fahazavan'ny fiainany no hahitantsika ny tsi-fahatanterahantsika, ka hitsarantsika tena avy eo. Araka izay voasoratra hoe, "ny fahazavanao no hahitanay fahazavana" (Sal. 39:9).

Ny fitsarantsika tena ao anatin'ny fahazavan'Andriamanitra no anisan'ny lesona lehibe indrindra tsy maintsy ianarantsika eo amin'ny fiainantsika kristiana. Marobe ny olona no tsy mba mianatra an'izany lesona izany ka tsy mahita fandrosoana ara-panahy mihitsy.

Inty misy fampanantenana mahagaga anankiray : ireo olona izay mitsara tena ankitsi-po ankehitriny dia tsy ho tsarain'Andriamanitra amin'ny andro farany. "Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina " (1Kor. 11:31).

Na dia tsy mitsara ny hafa aza isika dia tsy maintsy manohitra fatratra ny fahotana ny toritenintsika. Jesosy dia nanohitra mafy mihitsy ireo fahotana sasany toy ny fahatezerana, ny fijangajangana amin'ny maso, ny fitiavam-bola, ny fanahiana, ny tahotra, ny eritreri-dratsy, ny lainga, ny fitadiavana laza amam-boninahitra, ny fankahalana ny fahavalo, sy ny sisa (Matio toko faha-5 sy faha-6 ary faha-7). Tsy maintsy toherintsika koa ireo fahotana maoderna tahaka ny mijery porno amin'ny internet, kanefa tsy manameloka olona. Jesosy dia tsy tonga mba hanameloka izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao (Jaona 3:17). Andriamanitra irery no Mpitsara sady Mpanasazy ny olombelona rehetra (Jakoba 4:12).