WFTW Body: 

Ny fakam-panahy natrehan'i Jesosy dia nitovy tanteraka amin'ireo fakam-panahy atrehantsika rehetra isan'andro (Hebreo 4:15). Nanana ny fahalemen'ny nofo tahaka antsika Izy, kanefa naharesy ireo fakam-panahy. Ny anton'ny fandreseny dia satria tia fahamarinana Izy sady nankahala ny heloka. Nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy tamin'ny Ray Izy mba hanampy Azy isak'izay alaim-panahy (Hebreo 1:9 ; 5:7). Ny Fanahy Masina dia nanampy an'i Jesosy tamin'ny naha-olona Azy, ary ny Fanahy Masina dia hanampy anao tahaka ny nanampiany Azy koa.

Eritrereto ange impiry impiry moa Jesosy no niatrika fakam-panahy tamin'ny naha tovolahy Azy. Naheno tsara ny sinton'ny fakam-panahy tahaka ny tovolahy rehetra Izy. Tsy mora kokoa ho an'i Jesosy akory ny nandresy ny fakam-panahy. Raha ny tena marina aza dia sarotra kokoa taminy izany satria tonga lafatra ny fahadiovany koa ratsy dia ratsy taminy kokoa ny fakam-panahy. Henony mafimafy kokoa ny sinton'ny fakam-panahy raha oharina amin'izay henontsika. Kanefa dia naharesy Izy.

Ary ankehitriny dia efa miandany amintsika Jesosy rehefa mifampisintona tady miady amin'ny fakam-panahy isika. Ary Izy dia efa vonona ny hanampy anao. Ny tena andry lehibe iankinan' ireo misintona ny tady ery amin'ny ilany, izay manampy ny fahavalo, dia goaibe matanjabe anankiray mitondra ny anarana hoe Fireharehana. Ny manarakaraka azy ao dia mbola goaibe anankiray koa antsoina hoe Fitiavantena. Kanefa hanampy anao hampitsingidina ireo goaibe roalahy ireo sy izay fahotana hafa rehetra koa Andriamanitra. Ary dia haharesy ianao. Deraina ny Tompo !!!

Ity misy teny fampanantenana anankiray izay azonao ifaharana amin'ny finoana : « Jesosy dia maharo anareo mba tsy ho tafintohina » ( Joda 24). Ny fandehanana amin'ny finoana dia tsy maintsy ianarana tahaka ny fandehanana amin'ny tongotra. Amin'ny voalohany dia ho lavo imbetsaka ianao, tahaka ireo zaza vao miana-mamindra. Kanefa dia hihavitsy hatrany ny fahalavoana arakaraky ny fiezahanao. Amin'ny farany dia tsirairay kely sisa ny fahalavoana, na izany aza anefa dia tsy hisy mihitsy afaka hilaza hoe tsy ho lavo intsony izy, na dia ny olona izay masina indrindra aza.

Rehefa lavo ianao, dia mety alaim-panahy ka tsy tianao antsoina hoe ' fahotana' izany fahalavoanao izany fa omenao anarana hafa. Tena mampidi-doza izany. Marobe ny olona no miantso ny fahotany hoe 'fahadisoana', 'vava tsy ambina', sns… satria tsy te ho tompon'andraikitra tamin'ny fahotana natao. Disoin'ny olona mihitsy aza ny fitaterany ny Romana 7:17, « tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko ... » mba hanalany tsiny ny tenany tamin'ny ota mibaribary nataony. Izany dia fomba fanao mampidi-doza. Ialao izany, satria hitoetra ao anatin'ny famitahan-tena ianao, tahaka ireo olona manala tena ireo. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra ( 1 Jaona 1:9). Nefa kosa tsy misy fampanantenana fanadiovana raha toa ka antsointsika hoe 'fahadisoana' ny fahotantsika. Ny ràn'i Jesosy dia tsy manadio afa-tsy fahotana irery ihany. Noho izany, dia tsory foana ny marina rehefa lavon'ny fahotana ianao. Antsoy hoe 'fahotana' izany, dia ialao, ankahalao, afoizo, ekeo eo amin'Andriamanitra. Rehefa avy eo dia adinoy ny amin'iny satria efa voafafa madiodio.

Ny fahotan'ny toetra ratsy dia mandoza kokoa noho ny fahotan'ny asa ratsy, satria sarotsarotra amin'ny olona ny miaiky azy ireny. Ireto ny sasany amin'ny fahotan'ny toetra ratsy : fireharehana, fitsikerana ny hafa, halozana, fialonana, fitsarana an-tendrony (araka izay hitan'ny maso na ren'ny sofina - Isaia 11:3), fitadiavana tombontsoa, fitiavan-tena, toetran'ny Fariseo, sns…

Raha misy mpino anankiray mitory teny mikasika ny fandresena ny fahotana, kanefa manambany olona, dia tsy fantany akory fa mbola tsy naharesy ilay fahotana lehibe indrindra izy dia ny fihamboana fa efa ara-panahy be. Ny fanaovana tsinontsinona ny hafa dia mitovy lanja amin'ny fijangajangana tsy an-kiato. Ary raha mpino tahaka izany no mba miresaka momba ny fandresena ny fahotana dia zavatra mahatsikaiky !! Arakaraky ny hitomboanao ho olona ara-panahy kokoa no hitomboanao kokoa amin'ny fahamasinana. Ary arakaraky ny hitomboanao amin'ny fandresena ny fahotana, no hitomboanao kokoa amin'ny fanetren-tena. Izany no tena porofo lehibe indrindra amantarana ny atao hoe fahamasinana marina . Eo amin'ny hazo fihinam-boa dia ireo rantsana izay mitondra voa be indrindra no milefitra indrindra koa !!

Betsaka ny olona no mampifangaro ny 'fahononam-po' amin'ny 'fiombonan-toetra amin'Andriamanitra'. Ny fahononam-pon'ny olombelona dia manavao ny toetran'ilay olona ety ivelany. Kanefa ny toetra anatin'ilay olona dia mbola mijanona ho mpiavonavona sy mpirehareha ary mitovy toetra amin'ny Fariseo. Isika dia nantsoina handray fahasoavana avy amin'Andriamanitra mba handresentsika ny fahotana. Ary tsy hahay hirehareha velively ny amin'izay noraisintsika maimaimpoana isika. Ny azontsika ireharehana dia ireo zavatra izay novokarin'ny tenantsika. Koa ny fahamasinana izay vokarintsika avy amin'ny fiezahantsika dia tsy maintsy fahamasinana hosoka foana.

Ny toetran'Andriamanitra izay niantsoana anao mba iombonanao dia ny fitiavana. Andriamanitra dia be fitiavana sy tsara fanahy amin'ny olona ratsy fanahy sy amin'ny olona tsy mahay mankasitraka, ary Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ( Matio 5:45-48). Izany no tsy maintsy ataonao faka tahaka. Tiavo avokoa ny olona rehetra, na mitovy hevitra aminao na tsia. Alaviro ny adihevitra mampifanolana sy ny fifamalian-teny rehetra, tahaka ny analaviranao ny areti-mandringana. Raha misy te hiady hevitra aminao ny olona manodidina anao dia lazao aminy am-pitiavana fa tsy te hiditra amin'ny resaka mety hitondra fifandirana ianao. Ezaho izay hahatonga anao ho olona tanteraka amin'ny fitiavana amin'ny fonao rehetra.