WFTW Body: 

Ny asan'ny Fanahy Masina no asa tsy hita maso indrindra amin'ny asan'Andriamanitra rehetra. Ny Fanahy Masina dia mampahery sy manampy ny olona amin'ny fomba mangingina, tsy misy mahita, tsy mba mitady fisaorana na fankasitrahana akory Izy amin'ny asa ataony. Afa-po tanteraka Izy rehefa ny Ray sy Jesosy ihany no derain'ny olona, ary tsy misy miraharaha Azy. Izany ka asa fanompoana tena mahafinaritra.

Inona àry no dikan'ny hoe feno izany Fanahy Masina izany ? Tsy maintsy hoe mitovy Aminy isika no dikan'izany, faly manao asa fanompoana mitovy amin'ny Azy. Izany hoe miasa ao amin'ny mangingina, tsy misy mpahita, tsy mahazo fankasitrahana, ary faly rehefa ny olon-kafa no mahazo fankasitrahana. Tena feno izany Fanahy Masina izany tokoa àry ve isika ?

Amin'izao andro izao dia betsaka ireo olona izay milaza tena ho "feno ny Fanahy Masina" no mampiasa ireo fanomezam-pahazoavany mba hampisongadina azy eny amin'ny lampihazo fitoriana kristiana, manandra-tena izy ireny, mitady vola ho an'ny tenany. Tsy misy ifandraisany amin'ny asan'ny Fanahy Masina izany rehetra izany. Izany rehetra izany dia asan'ny fanahy hafa izay maka tahaka ny Fanahy Masina, ary adidintsika ao amin'ny fiangonana ny mampiharihary izany hala-tahaka sy famitahana bevava izany.

Inona moa ny marika mampiavaka ny olona vita batisan'ny Fanahy Masina ? Nolazain'i Jesosy mazava tsara mihitsy ao amin'ny Asan'ny apostoly 1:8 fa ny marika mampiavaka dia ny hery. Tsy nilaza velively ny fiteny tsy fantatra ho porofon'ny fahafenoan'ny Fanahy Masina Izy. Ny apostoly koa dia tsy nilaza na teny indraim-bava aza momba izany. Raha ho nanatona ireo mpianatra teo am-piandrasana ireo ianao tamin'izany fotoana izany, ary nanotany azy ireo hoe "Ahoana no hahafantaranareo hoe efa nataon'ny Fanahy Masina batisa ianareo ?". Tsy ho namaly anao mihitsy izy ireo hoe : hiteny tamin'ny fiteny tsy fantatra izahay. Izao no holazainy, efa nilaza taminay Jesosy fa hahazo hery izahay. Mety hanontany ianao hoe "Ahoana no hahafantarako fa efa nahazo izany hery izany aho ?". Andriamanitra no hanome toky antsika ny amin'izany, tahaka ny nanomezany toky fa efa voavela ny helotsika. Ny Fanahy Masina izay miara-milaza amin'ny fanahintsika fa efa voavela ny helotsika no hiara-milaza koa fa efa notafiana hery isika. Mangataha amin'Andriamanitra hanomezany anao izany toky izany amin'ireo zavatra anankiroa ireo. Koa dia niandry ireo mpianatra mba hahazo hery. Fa rehefa nahazo hery izy ireo, dia nahazo fanomezam-pahasoavana hiteny amin'ny fiteny tsy mbola hainy koa (fiteny tsy fantatra).

Azo antoka fa sitrapon'Andriamanitra ny hahazoan'ny kristiana rehetra hery. Ny hoe mahazo hery dia tsy midika fa ho tonga evanjelistra mafana fo. Fa hahazo hery ianao hanaovanao ny anjara asa fanompoanao ao amin'ny Tenan'i Kristy. Diniho ohatra ny tenan'ny olombelona. Raha te ho mpikambana amin'ny tenantsika ny rantsam-batana anankiray, dia tsy maintsy mikoriana manavatsava ao aminy ny ràntsika. Ny solon-tanana artifisialy dia tsy mpikambana amin'ny tenantsika satria tsy afaka mikoriana ao ny rà. Dia tahaka izany koa, raha tsy ny ràn'i Kristy no anadiovana ny olona anankiray dia tsy ho tonga mpikambana amin'ny Tenan'i Kristy ilay olona. Kanefa na dia efa mikoriana ao amin'ny sandry anakiray aza ny rà, dia mbola mety ho tonga malemy tsy afa-mihetsika ihany ilay sandry, ary lasa rantsam-batana tsy mahavita na inona na inona. Raha sitrana ny halemeny, ary mahazo hery ilay sandry, moa hiova ve iny ka ho tonga lela ? Tsia ! Fa ho tonga sandry matanjaka izy. Dia tahaka izany koa, rehefa mahazo hery ny lela nalemy tsy afa-niteny, tsy ho tonga sandry akory izy avy eo. Fa ho tonga lela mahery vaika. Noho izany raha renim-pianakaviana no efa niantsoan'Andriamanitra anao sy namenoany anao ny Fanahy Masina, tsy ho tonga evanjelistra akory ianao, fa ho tonga reny mahery fo sy manam-panahy.

Ny lela mitarehin'afo izay nipetraka teo an-dohan'ny tsirairay dia manambara fa ny rantsam-batana lehibe indrindra ao amin'ny tenantsika izay tian'Andriamanitra ampiasaina amin'izao andron'ny fanekena vaovao izao dia ny lelantsika, lela izay arehitry ny Fanahy Masina sy eo ambany fifehezany mandrakariva. Izany dia anisan'ny porofon'ny fanomezam-pahasoavana miteny amin'ny fiteny tsy fantatra koa. Te-hampiasa ny lelantsika Andriamanitra mba hitahiantsika ny hafa, tsy amin'ny fitoriana ihany raha mpitory ianao, fa amin'ny resaka ifanaovanao andavanandro amin'ny olona koa. Kanefa mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy avelanao ny Fanahy Masina hifehy tanteraka ny teny aloaky ny vavanao, mandritra ireo ora 24 ao anatin'ny indray andro sy mandritra ireo andro 7 ao anatin'ny herinandro.