WFTW Body: 

Hoy Jesosy ao amin'ny Jaona 16.33 "Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia, izaho efa naharesy izao tontolo izao". Tsy nampanantena mihitsy izy fa ho afa-miala amin'ny fahoriana isika. na ireo fahoriana kely izany ilay fahoriana lehibe. Kanefa kosa nilaza izy fa haharesy isika tahaka azy izay efa naharesy. Ny mahamay azy dia ny hahatonga antsika ho mpandresy fa tsy ny hanafaka antsika amin'ny fahoriana. Satria ny toetrantsika no jereny akaiky kokoa noho ny fahazoantsika aina. Tsy niteny mihitsy Jesosy fa izay mahatoky dia valiana soa ho afaka amin'ny fahoriana lehibe, araka ny toritenin'ny olona sasany. Ny mifanohitra amin'izany no lazainy, ireo izay mahafoy ny zavatra rehetra ka manaraka azy dia hozoim-pahoriana bebe kokoa noho ireo tsy manaraka azy (Marka 10.30). Rehefa nangataka tamin'ny Rainy ho an'ny mpianany izy dia niteny hoe "Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy min'ny ratsy" (Jaona 17.15). Izy TSY hanaisotra ny mpianany hiala amin'izao tontolo izao noho ny antony hoe amin'izay mba tsy mandalo fahoriana izy ireo.

Tamin'ny taonjato faha 3 rehefa natsipy ho an'ny liona tao amin'ny kianjabe Romana ny kristiana, ary ny sasany nodorana velona tany amin'ny faritra maro hafa tao amin'ny fanjakana romana, tsy namonjy an'izy ireny tamin'izany fahoriana nahazo azy izany ny Tompo. Ilay Andriamanitra izay nanakombona ny vavan'ny liona sy nanaisotra ny herin'ny lafaoro mahamay tamin'ny andron'i Daniela dia TSY nanao fahagagana ho an'ny mpianatr'i Jesosy - satria izy ireo dia kristiana ao amin'ny fanekena vaovao izay nankalaza an'Andriamanitra amin'ny fahafatesany. Tahaka an'i Jesosy ilay mpampianatra azy, tsy mba nangataka izy ireo , na nanantena anjely roambinifolo legiona ho tonga hamonjy azy amin'ny fahavalony. Avy any an-danitra Andriamanitra dia mijery ny fofombadin'ny Zanany rotehin'ny liona sy dorana ho lasa lavenona, ary Andriamanitra dia nankalazaina tamin'ny fanambaran'ireo , satria "ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany" eny na hatramin'ny fahafatesana mampihoron-koditra aza (Apok 14.4). Izao no teny tokana notenenin'ny Tompo tamin'izy ireo "Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana" (Apok 2.10). Na dia ankehitriny aza, rehefa ampijaliana sy enjehina noho ny anarany ny mpianatr'i Jesosy any amin'ny tany maro dia tsy manaisotra azy hiala amin'ny tany ny Tompo. Ary tsy hampakatra antsika any an-danitra alohan'ny fahoriana lehibe koa izy. Fa zavatra tsara lavitra noho izany no hataony. Hataony mpandresy isika ao anatin'ny fahoriana lehibe.

Ny hamonjena antsika amin'ny ratsy no mahamay an'i Jesosy kokoa noho ny hamonjena antsika amin'ny fahoriana. Avelany isika handalo fahoriana satria fantany fa izany no lalana tokana hahatonga antsika ho mahery am-panahy.

Ny toriteny toy izany dia fampianarana hafahafa ho an'ireo kristiana liam-piadanana, izay mameno dabilio isak'alahady mandritra ny taona maro sy tambatambazan'ireo mpitory teny mahay manitikitika sofina. Kanefa izao no toritenin'ireo Apostoly tamin'ireo fiangonana voalohany "(Paoly sy Barnabasy) nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra" (Asa 14.22)

Ireo fitsapana madinidinika izay atrehintsika ao an-tokantrano na ao am-piasana amin'izao fotoana izao, dia tsy inona akory fa fiomanana ny amin'izay lehibe kokoa amin'ny andro ho avy. Izany no tsy maintsy ilàna antsika ho mahatoky amin'izao fotoana izao. Satria izao no lazain'Andriamanitra "Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly ?" (Jer 12.5). Ao amin'ny Apokalipsy 1.9,10, Jaona dia milaza ny tenany ho "rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ao amin'i Jesosy". Na iza na iza no mpianatr'i Jesosy azo antoka dia tsy maintsy miomana izy ho mpiombona "fahoriana ao amin'i Jesosy" raha mbola miaina eto amin'ity tany ity. Tsy tao anaty fiainan-tsambatra no nahazahoan'i Jaona izany fanambarana izany. Noraisiny izany fony izy niaritra ny fijaliana tao Patmosy, satria nahatoky ny "tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy" (Apok 1.9) izy. Tsy maintsy niharan'ny fahoriana ny aloha ny tenany mba hahafahany manoratra ho an'ny kristiana hiharitra ny fahoriana lehibe ataon'ny Antikristy amin'ny andro farany. Ampandalovin'Andriamanitra fisedrana sy fahoriana maro aloha isika alohan'ny hampaherezantsika ny hafa izay iharan'ny fahoriana koa. Ny faharetana dia toetra tsara lehibe tokony ananana sady amafisin'ny Testamenta vaovao iray manontolo. Jesosy mihitsy no niteny hoe "ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny, fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena" (Matio 24:9,13)