WFTW Body: 

Izao no lazain'i Jesosy ao amin'ny Matio 5:3 "Sambatra ny malahelo am-panahy". Io teny hoe "sambatra" io dia azo adika hoe "faly dia faly" na amin'ny dikan-teny Baiboly 'The Amplified' dia hoe "tsiriritin'ny olona". Raha te hitsiriritra olona ianao ety an-tany dia aza mitsiriritra mpanankarena, aza mitsiriritra olo-malaza ary aza mitsiriritra olona bikàna sy tsara tarehy. Olona malahelo am-panahy tsiriritina satria an'ny olona tahaka izany ny fanjakan'ny lanitra. Ny olona mahay manintona olona sy manana vola aman-karena dia mety manan-javatra eto an-tany na manana ny fanjakan'ny tany, fa ny fanjakan'ny lanitra kosa dia an'ny malahelo am-panahy. Rehefa ela ny ela dia ny olona tahaka izany no tena tokony hotsiriritina satria ny harenany dia haharitra mandrakizay. Raha jerentsika ny androm-piainantsika eto an-tany, na dia mahatratra 70 na 80 taona aza, ary raha tena mino isika fa ny fanahin'ny olona dia haharitra mandrakizay (ny mandrakizay dia tsy manam-piafarana, ny taona anapitrisany dia toy ny iray segondra any amin'ny mandrakizay), dia inona moa izay 70 taona ? Tsinontsinona ! Ao amin'ny Petera toko faharoa dia voalaza fa ny arivo taona dia toy ny indray andro amin'ny Tompo ary ny indray andro dia toy ny arivo taona ! Rehefa oharina amin'ny mandrakizay dia fohy dia fohy tokoa ny fiainantsika manontolo eto an-tany.

Ny olona hendry dia izay miezaka hanana ny hoaviny ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ary eto dia ambara amintsika fa ny hahazo harena be indrindra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia ny malahelo am-panahy. Tsy dia azon'ny ankamaroan'ny kristiana loatra io fomba fiteny io satria tsy miezaka hanakatra tsara ny andininy toa mifanohitra ao amin'ny Soratra Masina izy. Vakiany fotsiny ilay andininy dia tohizany ny vakin-teny. Ny zavatra anankiray nanampy ahy dia ny fanaovana sary an-tsaina. Hitako fa rehefa alaiko sary an-tsaina ny Soratra Masina dia mazava kokoa amiko. Raha ny tena marina dia Jesosy mihitsy no nanazava foto-pampianarana maro tamin'ny alalan'ny sary, toy ny hoe ny sira sy ny fahazavana ary koa tamin'ny alalan'ny fanoharana maro.

Azontsika ampitahaina amin'ny "mahantra ara-batana" ny "mahantra ara-panahy (na malahelo am-panahy)", satria ny olombelona dia fanahy sy vatana ary isika rehetra dia samy mahalala ny atao hoe mahantra ara-batana. Ny mpirenireny na ny mpangataka no mahantra ara-batana, izany hoe tsy manana izay hamelomany ny vatany izy. Ny mpangataka faraidiny izay monina eny an-dalambe dia mety mandeha mitety trano mangataka mba hahazoany izay hohaniny androany ary voatery miverina ao amin'io trano io indray izy hahazoany izay hohaniny rahampitso. Koa rehefa ampiharintsika amin'ilay fiteny hoe "malahelo am-panahy" io sary io dia hitantsika fa ny olona tian'i Jesosy lazaina dia olona mahatsapa fa tsy manana hamelomany ny fanahiny isan'andro. Ny olona malahelo am-panahy dia mitovy amin'ilay mpangataka izay mahafantatra fa tsy manana hamelomany ny tenany isan'andro ka manatona tranon'ny olona malala-tanana hanampy azy. Ary raha manontany azy io olona io hoe "Fa ahoana ilay nomeko anao omaly" dia hovaliany hoe "efa lany omaly iny, ny vola nomenao ahy omaly dia nivelomako omaly, izao aho sahirana indray. Tsy manana aho na ariary aza, mahantra aho".

Ny olona "malahelo am-panahy" dia izay manatona an'Andriamantitra tahaka izany ka miteny hoe "Tompo ô, mahantra aho". Manatona an'Andriamanitra isan'andro izy satria mahatsapa fa tsy manana ny ampy ny fanahiny, ary mila vonjy izy tahaka ilay mpangataka izay mila vonjy hamelomany ny tenany.

Ao amin'ny bokin'ny Ohabolana dia misy andininy anankiray miresaka momba izany toe-javatra izany. Ny Ohabolana 8 dia toko anankiray mikasika ny fahendrena, ary Kristy ao dia aseho hoe fahendrena "Izaho fahendrena …" (Manomboka amin'ny andininy 12). Dia tohizany hoe ny fahendrena no namoronana izao tontolo izao. Ary voalaza ao amin'ny andininy faha-24 fa efa teo Izy talohan'ny nahariana ny saha sy ny tany sy ny zavatra hafa rehetra. Rehefa namorona ny lanitra Andriamanitra (andininy 27) dia teo Izy. Fahendrena izany no ilaintsika, ary voalaza hoe "Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko". Dia eritrereto amin'izay ilay mpangataka, miandry eo am-baravaran'Andriamanitra. Ary tahaka ny mpangataka izay miandry isan-andro ny vola omena azy dia tahaka izany koa no tsy maintsy hanatonantsika an'Andriamanitra tahaka ny mahantra ara-panahy isan'andro.

Tsy hanatona tahaka izany isika raha tsy sahirana. Ny mpanan-karena tsy hangataka any an-tranon'olona, ho menatra izy raha manao an'izany. Ny mpangataka dia tsy menatra ny fahasahiranany. Tsy manam-bola hividianany sakafo sy ny zavatra ilainy isan'andro izy, ary fantany tsara izany. Ny olona mahatsapa ny fahantrany ara-panahy isan'andro ihany no manatona an'Andriamanitra isan'andro ary miteny hoe "Tompo ô, tsy manana ny ampy aho. Mba omeo fahendrena re aho androany". Ary voalaza ao amin'ny Ohabolana 8:35 hoe "Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana".

Izany no dikan'ny hoe malahelo am-panahy : mahatsapa mandrakariva fa tsy manana ny ampy ny fanahiny. Ny olona mahatsapa mandrakariva fa mahantra ny fanahiny ka mitady hatrany hatrany ny fahendrena avy amin'Andriamanitra no hanana ny fanjakan'ny lanitra manontolo. Raha hitanao fa ny haren'ny fanjakan'Andriamanitra no fanjakan'ny lanitra dia lazain'ny Baiboly ao amin'ny Efesiana 1:3 fa efa notahian'Andriamanitra tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra isika. Ny fitahian'ny Fanahy Masina rehetra tsirairay dia antsika ao amin'i Kristy any an-danitra. Azo eritreretina hoe ireo fitahiana ara-panahy rehetra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny trano lehibe anankiray misy efitrano an'arivony, ary ny fanalahidy manokatra ny varavarana rehetra ao amin'io trano lehibe io dia ny fahantrana ara-panahy. Sambatra ny malahelo am-panahy satria azony alaina ny fanjakan'ny lanitra manontolo. Izany hoe, afaka mamoha ny efitrano rehetra ao amin'ilay trano izy. Ny harena rehetra voatahiry ao anatin'ny efitrano tsirairay dia ho azy avokoa raha hazoniny tsara io fanalahidy mamoha ny varavarana io.