WFTW Body: 

Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa ny fitiavan'i Jesosy ny fiangonany no tsy maintsy ataon'ny lehilahy modely hitiavany ny vadiny (Efesiana 5:25). Izay lehilahy manana fahatsorampo kely dia samy hiaiky fa androm-piainana manontolo no ilaina vao vita ny mankato izany didy izany. Tsy misy na lehilahy iray aza mahatandrina izany didy izany. Ny tena mampalahelo dia tsy miezaka akory ny ankamaroan'ny mpino. Tsy hahatandrina an'izany mihitsy isika raha tsy miezaka. Izany no tian'ny Baiboly lazaina rehefa namporisika izy hoe "aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika". Manana andraikitra anankiray ny lehilahy : mitia ny vadiny tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana. Tsy maintsy mandroso ho amin'ny tanteraka izy amin'io lafiny io mba ho tia ny vadiny bebe kokoa arakaraky ny fandrosoan'ny fotoana, tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny Tenany mba hanamasinany azy.

Rehefa hitan'i Kristy ny tsi-fahombiazan'ny fiangonana dia inona no nataony hanarenana izany ? Tsy tahaka ny fanaon'ny ankamaroan'ny lehilahy no nataony. Ny ankamaroan'ny lehilahy dia miezaka manarina ny tsi-fahombiazan'ny vadiny amin'ny fiteny mahery sy mandratra fo toy ny hoe "Tsy nety mihitsy ny fitondran-tenanao", na amin'ny fitenin-devoly mitovy amin'izany. Tsy izany no nataon'i Jesosy. Rehefa tiany ho tonga amin'ny tanteraka ny fiangonana ka tsy hisy pentipentina na fikentronana fa masina sady tsy manan-tsiny dia inona no nataony ? Natolony ny ainy mba hanamasinana ny fiangonana. Mba efa nieritreritra ny hanao an'izany ho an'ny vadinao ve ianao ? Izany ny fomban'Andriamanitra. Ny an'ny olombelona rehetra dia mifanohitra tanteraka amin'izany ka ny ambony indray no ambany. Raha manaraka ny fomban'Andriamanitra ianao dia hihatsara ary ho tonga amin'ny tanteraka ny fanambadianao. Raha mahita lesoka eo amin'ny vadinao ianao, amin'ny maha-vady anao dia tsy maintsy manahaka an'i Jesosy ianao. Tsy azonao atao ny manahaka ny ataon'ny manodidina anao.

Ny zavatra sarotra afoy indrindra dia ny hambom-po, ilay maha-ianao anao antsoina hoe "izaho", ilay olona ambony be mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. Mora tezitra sy mora sosotra izy io raha vao misy zavatra ataon'ny vadiny tsy araka ny tadiavin'ilay mpanjaka eo ambony seza fiandrianana. Io ilay "sitrapon'ny nofo" izay mila afoy mba hanamasinanao an-dravehivavy. Mampalahelo anefa fa vitsy dia vitsy ny lehilahy no te handeha amin'izany lalana izany. Raha tsy mizotra amin'izany ianao dia mazava ho azy fa hikorisa midina ny fanambadianao. Fa raha tena vonona ny hizotra amin'izany lalana izany ianao dia tsy maintsy manao izay itiavanao ny vadinao ary tsy maintsy ataonao zava-dehibe izany. Aza mandeha mitady ny dikan'ny teny hoe fitiavana ao anaty diksionera. Tadiavo ny dikan'ny fitiavana ao amin'ny modelim-pitiavan'i Kristy : vonona ny ho faty ao amin'ny fifandraisan'ny mpivady, tahaka ny nataon'i Kristy. Izany no antso ho antsika lehilahy manambady.

Jesosy no mpitari-dalana antsika, kanefa tsy amin'ny fomba fandraisan'izao tontolo izao ny atao hoe mpitari-dalana. Fantatrao ve hoe taiza i Jesosy nandritra ny andro farany niainany tety an-tany ? Teo an-tongotry ny Fofombadiny, nanasa ny tongony. Raha lazaina tsotra dia izao, rehefa tonga amin'ny tanteraka ny lehilahy anankiray dia eo an-tongotry ny vadiny no ahitanao azy, manasa ny tongony, manampy an-dravehivavy, ary manadio azy mba hanamasina azy. Inona moa ny dikan'ny hoe manasa ny tongotry ny vady ? Manao ny raharaha mandreraka ao an-tokantrano. Eny tokoa misy ny vehivavy tsy ampy saina manararaotra an'izany ka mibaiko ny vadiny. Tsy fandiavana na famafan-tongotra i Jesosy, sa tsy marina izany ? Tsy takatry ny vehivavy sasany izany rehefa milaza isika hoe tsy maintsy manasa ny tongony sy manao ny raharaha mandreraka ny lehilahy. Farany dia lasa mpiasa manao izao karazana asa hafahafa sy mandreraka rehetra izao ralehilahy.

Tsy izany no tiako lazaina. Tsy famafan-tongotra i Jesosy. Raha hitantsika izao i Jesosy niara-nipetraka tamin'ny mpianany dia ho fantatsika avy hatrany hoe iza no mpitarika. Niavaka tsara ny naha-mpitarika Azy. Tsy hieritreritra mihitsy ianao hoe i Matio na i Petera no mpitarika. Dia izany koa ny toerana tsy maintsy raisin'ny lehilahy manambady. Io fifandanjana marefo eo amin'ny maha-mpitarika sy maha-mpiasa io no tsy maintsy ianarantsika avy amin'i Jesosy. Mila fahendrena izany karazana fitarihana izany ary ny Tompo ihany no afaka manome anao an'izany raha angatahinao am-bavaka Aminy.

Mpiandry ondry mialoha lalana ny ondriny i Jesosy. Tsy mandroaka ny ondriny avy ao aoriana Izy. Tsy manome fananarana lavareny be Izy. Modely natao harahin'ny Fiangonany Izy. Tsy maintsy tahaka izany koa ny lehilahy manambady, filamatra tahaka an'i Jesosy, mpiandry ondry mitarika ny vadiny. Rehefa tafintohina ny vadinao ry rahalahy malala dia aoka ianao hanontany tena hoe "Moa ve aho mitarika tsara ny ondriko, ny vadiko, izay nampiandraiketan'Andriamanitra ahy ?" Ao aorian'ny vadinao dia hisy zanak'ondry kely, dia ny zanakao. Izy rehetra ireny dia miankina amin'ny lehilahy anankiray, ny mpiandry ondry. Raha tsy mahafehy tena ny lehilahy dia ahoana no ahaizan'ny ondry sy ny zanak'ondry mitondra tena ? Raha tsy miasa hahatanteraka ny famonjeny amin'ny tahotra sy ny hovitra izy, ary raha tsy manara-dia an'i Jesosy, dia hizotra ho aiza ny tokantranony ? Mizotra any amin'ny lalana mifanohitra amin'izay nokasain'Andriamanitra, tahaka ny an'ny olombelona hafa rehetra.

Koa raha tiantsika ny handrosoan'ny fanambadiana avy amin'ny tsara hatrany amin'ny tsara indrindra dia mila ataon'ny lehilahy zava-dehibe indrindra ny fanarahana ny dian'i Jesosy. Tsy maintsy ataony fahafinaretana ho azy izany, ataony zavatra iriana fatratra, ataony asa matihanina mihitsy, izany hoe tsy ataony indraindray fotsiny any am-piangonana. Izany karazana fanambadiana izany dia natao ho an'ny mpianatra, fa tsy ho an'ireo olona te ho any an-danitra rehefa maty.