WFTW Body: 

Oharin'ny Baiboly amin'ny hazo mamaka eo anilan'ny rano mandeha ny olona izay mivelona amin'ny fiankinana amin'Andriamanitra (Jeremia 17:5-8). Tahaka izany no niveloman'i Jesosy sy nanovozany tsy tapaka ny loharanom-panahiny, tamin'ny naha-olona Azy, tao amin'ny Fanahy Masina (ilay reniranon'Andriamanitra).

Ny nandresen'i Jesosy ny fakam-panahy dia tsy tamin'ny fahavononan'olombelona fa noho Izy nanovo hery tsy niato tany amin'ny Rainy. Ny fandavan-tena izay nasehon'i Jesosy sy nampianariny dia tsy fandavan-tena ezahin'ny fanahin'ny olona fehezina. Tsia. Fivavahana bodisma sy yoga izany, ary samy hafa tanteraka amin'ny fampianaran'ny Soratra Masina tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany.

Jesosy dia nampianatra fa amin'ny maha-olona antsika dia tsy manana hery hivelona sy hanompo an'Andriamanitra araka ny tokony ho izy isika. Lazain'i Jesosy fa tahaka ny sampana tsy mahavita tena isika fa miantehitra tanteraka amin'ny ranonkazo vao afaka mamoa. "Raha misaraka amiko kosa hianareo" hoy Izy "dia tsy mahay manao na inona na inona" (Jaona 15:5). Koa izay zavatra ataontsika tsy iarahantsika amin'ny Fanahy Masina dia azo heverina fa TSINONTSINONA. Koa antoky ny fahavelomantsika indrindra ny mba hahatonga antsika "hofenoina tsy tapaka ny Fanahy" (Efesiana 5:18).

Jesosy mihitsy no feno ny Fanahy Masina sy nohosoran'ny Fanahy (Lioka 4:1, 18 ), ary nivelona sy niasa ho an'ny Rainy tamin'ny herin'ny Fanahy Masina Izy. Kanefa noho ny naha-olona Azy dia tsy vitany izany raha tsy nahantra ara-panahy Izy.

Jesosy dia nahafantatra tsara ny fahalemen'ny vatan'olombelona nitoerany. Noho izany dia nitady mandrakariva ny fotoana nahazoany nitokana sy nivavahana Izy. Nisy olona nilaza hoe tahaka ny fitadiavan'ny mpizaha tany anankiray trano tsara handriana sy toerana malaza hovangiana rehefa tonga ao amin'ny tanàna anankiray no nitadiavan'i Jesosy toerana hitokanana hahafahany mivavaka.

Nikatsaka hery handresena ny fakam-panahy Izy ary namono ny herin'ny fo sy ny sainy. Tsy nisy olona nahafantatra tsara tahaka an'i Jesosy ny fahalemen'ny nofo, ary noho izany dia tsy nisy olona nitady ny tavan'ny Ray tamin'ny vavaka tahaka Azy mba hamonjy Azy. Nivavaka tamin'ny "fitarainana mafy sy ny ranomaso be" Izy tamin'ny andron'ny nofony. Vokatr'izany dia nampaherezin'ny Ray fatratra nihoatra lavitra noho ny olona rehetra Izy. Tahaka izany no tsy nanotan'i Jesosy na dia indray mandeha aza sy tsy mba nivelomany ho an'ny tenany mihitsy (Hebreo 4:15 ; 5:7-9).

Tsy zavadehibe tokoa ve raha in-25 no ampiasaina sy ampifandraisina amin'i Jesosy ny teny hoe "mivavaka" na "vavaka" ao amin'ny filazantsara ? Ao anatin'izany no misy ny sekren'ny fiainan'i Jesosy sy ny asany.

Tsy tamin'ny fotoana nialoha ireo fisehoan-javatra lehibe teo amin'ny fiainany ihany Jesosy no nivavaka fa taorian'ireo zava-dehibe vitany koa. Rehefa avy namahana olona dimy arivo tamin'ny fomba mahagaga Izy dia nisintona tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Azo antoka fa niaro azy tamin'ny fakam-panahy hirehareha sy hianina amin'ny asa vitany izany, ary koa nanavao ny heriny teo am-piandrasany ny Rainy (Isaia 40:31). Matetika isika dia tsy mivavaka raha tsy alohan'ny hanaovana andraikitra lehibe ho an'ny Tompo. Kanefa raha ataontsika fahazarana tahaka ny nataon'i Jesosy ny fiandrasana ny Ray rehefa vita ny asantsika, dia hiaro antsika tsy ho azon'ny fireharehana izany ary hahatomombana antsika hanao zavatra lehibe kokoa ho an'ny Tompo.

Arakaraky ny naha-maro ny zavatra noherehin'i Jesosy teo amin'ny fiainany no vao mainka nivavahany bebe kokoa. Nisy fotoana aza tsy afaka nihinanan-kanina akory na niala sasatra akory Jesosy (Marka 3:20 ; 6:31,33,46) kanefa nanokana fotoana hivavahana foana Izy. Fantany ny fotoana tokony hatoriana sy ny fotoana tokony hivavahana, satria nankato ny bitsiky ny Fanahy Masina Izy.

Ny fahantrana ara-panahy dia fepetra takiana amin'ny fahombiazan'ny vavaka. Ny vavaka dia fanehoana ny tsy fahavitan-tena amin'ny maha-olona ny tena, ary raha tiantsika ho zavadehibe amintsika ny vavaka fa tsy ho fombafomba fotsiny dia tsy maintsy manaiky mandrakariva isika fa ny faraherin'ny olombelona dia tsy ampy hiainana ny fiainana kristiana na hanompoana an'Andriamanitra.

Tsy nitsahatra nitady ny herin'Andriamanitra tao anatin'ny vavaka i Jesosy, ary tsy mba nangaihay mihitsy Izy. Tahaka izany no nanatontosany ireo zava-bitany izay nataony tamin'ny vavaka ary tamin'ny vavaka ihany.