WFTW Body: 

Asain'ny Baiboly misaotra noho ny zavatra rehetra isika, misaotra ao amin'ny toe-javatra rehetra ary koa misaotra noho ny olona rehetra.

 

"Misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika" (Efesiana 5:20).

 

"Misaotra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo" (1 Tesaloniana 5:18).

 

"Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana ho an'ny olona rehetra" (1 Timoty 2:1).

 

Tsy haintsika atao amin'ny saina tsy miangatra izany raha tsy hitantsika ny maha Tsy toha sy maha masi-mandidy an'Andriamanitra.

 

Miahy antsika tahaka ny niahiany an'i Jesosy Andriamanitra. Ny fahasoavana izay nanampy an'i Jesosy sy ny herin'ny Fanahy Masina nahafahan'i Jesosy nandresy dia efa azontsika ampiasaina koa ankehitriny.

 

Jodasy dia namadika an'i Jesosy, i Petera nandà Azy, ireo mpianany nandao Azy, ny vahoaka nivadika taminy, notsaraina tsy ara-drariny Izy, nampangaina lainga ary nentina nombohana tamin'ny hazofijalliana. Kanefa teny an-dalana ho any Kalvary dia nitodika nijery ny vahoaka Jesosy ary niteny hoe "aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo" (Lioka 23:28).

 

Tsy nangoraka ny Tenany mihitsy Izy.

 

Fantatr'i Jesosy fa io kapoaka izay sotroiny io dia ny Rainy no nandefa azy. Jodasy Iskarioda dia iraka mpitondra ny kapoaka fotsiny. Hany ka nahavita nijery an'i Jodasy tamin'ny fitiavana Izy ary niantso an'i Jodasy hoe "Sakaiza". Tsy vitanao ny manao an'izany raha tsy mino ianao fa Tompon'ny fanapahana rehetra Andriamanitra.

 

Hoy Jesosy tamin'i Pilato "Hianao tsy manana fahefana amiiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony" (Jaona 19:11).

 

Izany fahatokiana lehibe nananan'i Jesosy izany no nahavitany nitondra tena tahaka ny mpanjaka nanana fahamboniana tety an-tany. Niaina niaraka tamin'izany fahamboniam-panahy izany Izy ary maty niaraka tamin'izany fahamboniam-panahy izany.

 

Ankehitriny isika "dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanan'i Jesosy koa". Tahaka an'i Jesosy, "Izay nanao ilay fenekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato" no tsy maintsy anaovantsika ny fanekentsika koa eo anatrehan'ny taranaka tsy mino.

 

Hoy Paoly tamin'i Timoty ao amin'ny 1Timoty 6:13-14 "Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany"

 

Araka ny efa hitantsika dia ataon'Andriamanitra miara-miasa ny zavatra rehetra ary ny soa ambony indrindra anasoavany antsika dia ny hitovizantsika toetra sy fahamasinana Aminy. Amin'ny fiandrianany mahagaga dia ampiasain'Andriamanitra ny olona rehetra mifanena amintsika mba hanatanterahany ny fikasany. Izany no mahatonga antsika hisaotra noho ny olona REHETRA.

 

Ahoana moa no mbola avelan'Andriamanitra hampahory anao tsy an-kijanona io mpiara-monina manorisory io, io havana liana ady io ary io mpampiasa mpanao didy jadona be io ? Azon'Andriamanitra esorina mora foana ireny na azony esorina mihitsy aza ny ainy mba hampilamina tsara ny fiainanao. Saingy tsy hanao izany mihitsy Izy. Satria nahoana ? Satria tian'Andriamanitra ampiasaina izy ireny hanamasinany anao. Mety tiany vonjena mihitsy aza izy ireny, amin'ny alalanao.