WFTW Body: 

Nihaona indroa tamin'Andriamanitra i Jakoba, indray mandeha tao Betela ( Genesisy 28) ary indray mandeha tao Peniela (Genesisy 32 ).

Betela dia midika hoe "tranon'Andriamanitra" (tahaka ny fiangonana) ary Peniela dia midika hoe "tavan'Andriamanitra". Tsy maintsy ihoarantsika ny fankanesana ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra mba hahitantsika ny tava n'Andriamanitra. Tao Betela, dia voalaza fa "maty ny masoandro" (Gen. 28:11), toe-javatra ara-jeografia ihany izany, kanefa dia fambara ihany koa izay zavatra efa hitranga teo amin'ny fiainan'i Jakoba. Ny 20 taona manaraka mantsy dia fotoanan'ny fahamaizinana tanteraka teo amin'ny fiainany. Taorian'izany, tao Peniela dia izao no voalaza "niposaka ny masoandro" ( Gen. 32:32). Mbola toe-javatra ara-jeografia ihany izany, kanefa i Jakoba dia mba tonga ihany koa teo amin'ny fahazavan'Andriamanitra.

Tao Betela i Jakoba dia nanonofy tohatra anankiray izay niorina tamin'ny tany ary nipaka tamin'ny lanitra ny lohany. Ao amin'ny Jaona1:51 dia nohazavain'i Jesosy fa Izy Tenany mihitsy no lazain'io tohatra io, Izy no lalana avy ety an-tany mankany an-danitra. Koa ny zavatra hitan'i Jakoba izany dia fahitana ara-paminaniana momba ny nanokafan'i Jesosy ny lalana mankany an-danitra. Tao anatin'io nofy io àry dia nampanantena zavatra maro tamin'i Jakoba ny Tompo. Saingy nifantoka loatra tamin'ny zavatry ny tany ny fisainan'i Jakoba ka tsy nieritreritra afa tsy ny ho afa-pahasahiranana izy, fahasalamana ara-batana ary vola aman-karena. Koa izao no nolazain'i Jakoba tamin'Andriamanitra "Tompo o, raha ambininao ity diako ity ary omenao hanin-kohanina sy lamba fitafy aho ka hampodianao soa aman-tsara indray dia homeko anao ny 10 isan-jaton'ny karamako". Tahaka ny mpiambina natao hiaro sy hikarakara azy no nandraisan'i Jakoba an'Andriamanitra. Ary raha ataon'Andriamanitra izany dia homen'i Jakoba karama Izy, dia ny 10 isan-jaton'ny vola azony !!

Dia tahaka izany mihitsy no fandraisan'ny mpino maro an'Andriamanitra amin'izao andro izao. Te hanana ny ampy amin'ny ara-nofo avy amin'Andriamanitra fotsiny izy ireo. Ary raha omen'ny Tompo azy ny zavatra tadiaviny, dia mandeha miangona tsy tapaka izy ary ny sasany amin'ny volany dia homeny ho an'ny asan'ny Tompo. Ny mpino manao toy izany dia manao bizina amin'Andriamanitra mihitsy, mitady fiainam-piadanana sy mitady tombontsoa manokana, tahaka ny mpanao bizina rehetra eny amin'izao tontolo izao.

Nolanian'i Jakoba ny 20 taona tamin'ny fiainany nakany ny zavatry ny tany. Niezaka naka vady tao amin'ny fianakavian'i Labana izy ary nahazo vady roa ! Tsy roa no notadiaviny nefa nahazo roa ihany izy !! Avy eo dia nisoloky an'i Labana sy naka ny ondriny izy ary tonga mpanefoefo. Tsy nitondra ariary tao an-tranon'i Labana izy, kanefa ny niafarany dia lasa mpanefoefo tao. Natoky mihitsy izy fa fitahiana avy tamin'Andriamanitra no nahazoany izany fanambinana izany, tahaka ny fiheveran'ny mpino maro ankehitriny !! Inona anefa no tena mariky ny "fitahian'Andriamanitra" ? Moa fanambinana ve ? Tsia. Ny marika dia ny fiovana mba hanahaka an'i Kristy. Inona ny tombontsoa amin'ny fananana asa tsara sy trano tsara sy fiainam-piadanana, raha tsy misy ilan'Andriamanitra na tsy misy ilan'ny olona ny fiainanao akory ? Kanefa mbola tsy vitan'Andriamanitra ny zavatra tiany natao tamin'i Jakoba. Koa nihaona taminy fanindroany tao Peniela Izy.

Tiako ny milaza aminao ry rahalahy sy anabavy fa maro aminareo no mila mihaona fanindroany amin'Andriamanitra, mihaona Aminy amin'ny fotoana mampivarina antsika ambany dia ambany. Ary amin'izay dia tsy hitsara anao na handefa anao any amin'ny helo Andriamanitra fa hameno anao amin'ny Fanahiny Masina !

Vakiantsika ao amin'ny Genesisy toko faha-32 fa raiki-tahotra i Jakoba satria nandre izy fa Esao (izay efa nisolokiany ny fahazokiany 20 taona talohan'izany) dia efa nivoaka hitsena azy. Nino mihitsy izy fa hamono azy mihitsy Esao. Mahasoa antsika ny amelan'Andriamanitra antsika hiatrika toe-javatra mampitahotra. Satria rehefa matahotra ny zavatra mety hataon'ny olona amintsika isika dia hanakaiky an'Andriamanitra. Tao Peniela dia Jakoba irery sisa nitoetra teo (Gen. 32:25). Tsy maintsy ampitoerin'Andriamanitra irery aloha isika vao afaka mihaona amintsika Izy. Izany no antony efa nandidian'i Satana ny fiainana eto amin'izao tontolo izao ho hazakaza-dava sy ho be herehina (indrindra eny an-tanan-dehibe) koa ny ankamaroan'ny mpino dia zara raha mahita fotoana hitokanana miaraka amin'Andriamanitra. Efa lasa sahirana be foana ny mpino, koa izay tsy laharam-pahamehana (tahaka an'Andriamanitra) dia efa nesoriny tao amin'ny fandaharam-potoanany daholo ! Izany no zavadoza misy eo amin'ny tontolo kristiana ankehitriny.

Nitolona tamin'i Jakoba nandritra ny ora maro Andriamanitra tamin'iny alina iny, kanefa dia tsy nanaiky resy Jakoba. Io tolona io dia tandindon'ny zava-nitranga rehetra tao amin'ny fiainan'i Jakoba nandritra ireo 20 taona lasa. Ary rehefa hitan'Andriamanitra fa nikiribiby i Jakoba, dia nofolahin'Andriamanitra ny fotopeny ka nivika. Vao 40 taona teo ho eo monja i Jakoba tamin'izany fotoana izany, ary lehilahy natanjabe izy. Abrahama raibeny dia nahatratra 175 taona vao maty. Noho izany dia azo lazaina fa tena mbola herotrerony tokoa i Jakoba, ny 75 isan-jaton'ny fiainany dia mbola an'ny ho aviny. Ny tapaka valahana ao anatin'ny fahatanorana no zavatra tena tsy tantiny indrindra, satria handrava ny drafitra rehetra izay nokasainy ho an'ny fiainany ho avy. Raha oharina amin'izao andro izao dia tahaka ny tovolahy vao 20 taona izay tapaka valahana izy ary voatery mitondra tehina mandra-pahafaty !! Tena zavatra mampiorin-koditra izany ! Tsy nahay nandeha tsy nisy tehina intsony i Jakoba mandra-pahafatiny. Efa niezaka nanorotoro an'i Jakoba tamin'ny fomba maro ihany Andriamanitra fa tsy nisy nahomby ireny. Koa tamin'ny farany dia nataon'Andriamanitra kilemaina tanteraka izy. Izay Jakoba vao torotoro.

Rehefa avy nofolahin'Andriamanitra ny andilan'i Jakoba dia hoy Andriamanitra taminy : "Eny àry, vita soa aman-tsara ny asako. Avelao amin'izay aho handeha. Tsy nitady Ahy ianao hatramin'izay. Vehivavy sy vola ihany no notadiavinao". Tamin'io fotoana io dia tsy navelan'i Jakoba handeha Andriamanitra. Niova ihany izy, tamin'ny farany ! Ity lehilahy izay nandany ny androm-piainany naka vehivavy sy naka fananan'olona ity no mihazona an'Andriamanitra ankehitriny sy miteny hoe "Tsy avelako handeha Ianao raha tsy tahinao aho". Endrey izany asa lehibe izay tontosa tao anatin'ny fon'i Jakoba rehefa nivika ny fotopeny, Andriamanitra irery ihany sisa izao no iriny. Araka ilay fitenin'ny ntaolo manao hoe "Rehefa tsy manana na inona na inona intsony afa tsy Andriamanitra ianao, dia ho hitanao fa Andriamanitra dia ampy" !! Marina izany. Voalaza eto fa ny anaran'izany toerana izany dia nataon'i Jakoba hoe "Peniela" satria nahita ny tavan'Andriamanitra ihany izy tamin'ny farany. Tao Betela dia ny tranon'Andriamanitra no nifantohan'ny sainy. Mety efa tao an-tranon'Andriamanitra nandritra ny taona maro ianao nefa mbola tsy nahita ny tavan'Andriamanitra. Raha izany dia mila mihaona fanindroany amin'Andriamanitra ianao, amin'izay no hahitanao ny tavany. Nentanin-kafaliana i Jakoba rehefa niteny hoe " Efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko ".