WFTW Body: 

Miresaka momba "ny fahamasinana tsy misy fitaka" i Paoly (Efe.4:24 - Dikanteny J.B. Philips). Tsy avy amin'ny fahatakarana tsara ny fampianarana izany fa amin'ny alalan'ny Tenan'i Jesosy mihitsy izay miaina ny fiainany amin'ny alalantsika. Ny sekren'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra voalaza ao amin'ny 1 Timoty 3:16dia tsy hoe tonga tao amin'ny nofontsika ny fampianaran'i Jesosy, fa Jesosy Tenany mihitsy no tonga tao amin'ny nofontsika. Ny fanovàna antsika hahazo ny endriky ny Tompo (2 Kor.3:18) dia amin'ny fijerena an'i Jesosy, fa tsy amin'ny fijerena fampianarana, na inona na inona izany. Tadidio izany amin'ny androm-piainanao rehetra.

Ny fampianarana rehetra dia mety hamitaka anao :

(1) raha tsy mibanjina ny Tompo Izy Tenany mihitsy ny masonao, ary

(2) raha tsy tia ireo olona rehetra tia ny Tompoianao, na inona na inona antokom-pinoana misy azy ary na inona na inona fampianarana mety hazoniny. Jesosy mihitsy no Lohan'ny fiangonana, ilay tenan'i Kristy. Kanefa raha ny fampianarana indray no tonga Loha dia ho tonga Fariseo ny olona, ary arakaraky ny fahadiovan'ilay fampianarana no mahalehibe kokoa ny Fariseo vokariny ! Tadidio ny teny lazain'ity tononkira ity : "Taloha ny fitahiana, fa izao dia ny Tompo"

Ny sary asehontsika amin'ny maha-fiangonana antsika dia tsy maintsy ataontsika mifanaraka amin'ny sary nanehoan'i Jesosy ny Ray, indrindra indrindra ilay sary hitantsika ao amin'ny Jaona 8:1-12. Niandany tamin'ilay vehivavy nijangajanga nibebaka Izy ary nanohitra ireo Fariseo mpitondra fivavahana. Jesosy dia nitory ny fenitra ambony indrindran'ny fahamasinana izay tsy mbola nisy nitory tety ambonin'ny tany. Kanefa dia nifangaro tamin'ireo mpanota ratsy indrindra Izy (ohatra i Maria Magdalena, izay nahazo tombony ho olona voalohany nahita ny Tompo nitsangana tamin'ny maty). Na dia indray mandeha aza dia tsy mba nanakiana ny mpanota tahaka ireny mihitsy Jesosy na nampahatsiahy azy ireny ny fahotany taloha. Izany koa no niantsoana antsika fiangonana, mba hitory ny fenitry ny fahamasinana izay notorian'i Jesosy, kanefa mba handray tsara ny mpanota sy mpiodina ratsy indrindra ka hitaona azy ireny hanatona an'i Jesosy.

Ny fiangonantsika dia tahaka ny hopitaly izay handraisana tsara ireo marary mafy. Azo sitranina avokoa izy rehetra. Tsy misy olona tokony hihevitra fa ratsy loatra izy ka tsy azo vonjena. Ny fiangonana sasany dia toy ny fikambanana izay hivorian'ireo olona mpanankarena sy miadam-pinaritra. Fa isika kosa dia te ho hopitaly ho an'ireo mpanota ratsy indrindra.

Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany amin'ny fotoana rehetra. Dia hambinina amin'izay rehetra ataonao ianao ary hiasa amin'ny alalanao Andriamanitra tahaka ny Lehilahy Mahery Mahatahotra (Jer.20:11). Zavatra efa niainako nandritra ny fiainako izany.

Tsy mitory filazantsara ankalamanjana na mandeha manao asa misiona akory ny tena atao hoe mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ny manao an'Andriamanitra ho Mpanapaka ny fiainanao, sy miaina mandrakariva eo ambany fahefan'Andriamanitra, ary mamela ny soatoavin'Andriamanitra any an-danitra ho laharam-pahamehana noho ny vola, sy ny fahafinaretana ara-nofo ary ny voninahitry ny olona.

Ny hoe mikatsaka ny fahamarinan'Andriamanitra voalohany indrindra dia maniry fatratra ny toetran'Andriamanitra mba ho hita miharihary eo amin'ny fiainana ao anaty sy eny amin'ny lafiny rehetra amin'ny fitondrantenana ivelany.

Enga anie mba hazoninao mafy izany fahamarinana izany amin'ny andronao rehetra. Ary rehefa manan-janaka ianao dia tsy maintsy ampianarinao ny zanakao koa izany fahamarinana izany mba hahitany ny vokatr'izany eo amin'ny fiainany. Ary amin'izany

dia hanana vavolombelona eto an-tany amin'ny taranaka mifandimby Jesosy mandrapiveriny.