Rehefa mibanjina ny ho avy isika dia irintsika ho tsara lavitra noho ny taona lasa rehetra izany. Tsy ho tsara kokoa anefa izany raha tsy takiantsika ny teny fikasana nomen'Andriamanitra. Izay inoantsika dia tsy maintsy hekentsika amin'ny vava. Ny fanekena am-bava anefa dia tsy maintsy miorina amin'ny teny fikasan'Andriamanitra (Jereo Romana 10:8,9).
Rehefa nomen'Andriamanitra teny fikasana i Abrahama, izay teny fikasana tahaka ny tsy azo tanterahina (amin'ny maha-olombelona), dia inona no nataon'i Abrahama ? "Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana izy ka nanome voninahitra an'Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy atao koa" (Romana 4:19-21).
Koa amin'ny finoana ny teny fikasan'Andriamanitra dia andeha isika hanao ireto fanekena am-bava valo manaraka ireto. Amin'ny fonao manontolo dia averimbereno matetika amin'ny tenanao sy amin'i Satana ireto :
"Fa raha tsy amin'ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra" (Hebreo 11:6)