WFTW Body: 

Tsy misy olona mahavita mankato ireo didy ao amin'ny Testamenta Vaovao raha tsy mahazo fahasoavana avy amin'Andriamanitra. Mety misy ihany mahavita mitandrina ireo didy sivy ao anatin'ny didy folo tsy miaraka amin'ny fahasoavana. Fa ilay didy fahafolo kosa, « A za mitsiriritra na oviana na oviana izay tsy anao », dia tsy misy olona mahavita mitandrina an'izany raha tsy miaraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Ary tsy hisy olona hahatratra ny fenitry ny fiainan'ny fanekena vaovao (araka izay voalaza ao amin'ny Matio toko faha 5 hatramin'ny faha 7), raha tsy miaraka amin'ny fahasoavana. Ary ny manetry tena ihany no omen'Andriamanitra ny fahasoavany (1 Petera 5:5).

Ny fanetren-tena no anisan'ny fahamendrehana izay mora sandohana indrindra. Ny tena fenetren-tena dia tsy izay hitan'ny olona eo amintsika. Fa izay hitan'Andriamanitra eo amintsika, ary ao anatintsika ao izany. Ny fiainan'i Jesosy no ohatra ahitana an'izany. Ny Filipiana 2:5-8 dia manambara amintsika fa nafoin'i Jesosy ny tombontsoany sy ny zony tamin'ny maha Andriamanitra Azy, ka tonga mpanompo Izy, ary nanaiky mihitsy aza ny hohombohan'ny olona teo amin'ny hazo fijaliana. Natao hanaraka Azy handeha amin'izany lalan'ny fanetren-tena izany isika.

Jesosy dia nanetry ny tenany in-telo miantaona.

1- Tonga Olona Izy

2- Tonga mpanompo Izy

3- Teo amin'ny hazo fijaliana, dia nanaiky natao tahaka ny mpanao ratsy Izy

Eto izany dia hitantsika ireo tsiambaratelo anakitelon'ny fiainana ao amin'i Kristy : FANETREN-TENA, FANETREN-TENA ary FANETREN-TENA.

Tsy maintsy gaga mihitsy izao ireo anjely raha nahita ny fiainan'i Jesosy nandritra ny 33 taona tety an-tany sy rehefa nahita an'i Jesosy nanompo ny hafa tamin'ny fanetren-tena sy niaritra ny fijaliana sy ny fanevatevana ary ny fandratrana. Efa zatra nivavaka tamin'i Jesosy nandritra ny taona maro tany an-danitra ireo anjely ireo. Kanefa rehefa hitan'ireo anjely ny fitondran-tenan'i Jesosy tety an-tany, dia nianatra zavatra betsaka kokoa momba ny toetran'Andriamanitra izy ireo, dia ny fahambanian-toetra sy ny fanetren-tena, izay tsy hitan'ireo anjely ireo hatrizay ary tsy takatry ny sainy tamin'ny fotoana rehetra fony Jesosy mbola tany an-danitra. Ankehitriny dia tian'Andriamanitra aseho an'ireo anjely any an-danitra ireo izany toe-panahin'i Kristy izany amin'ny alalantsika ao amin'ny fiangonana (araka ny voalaza'ny Efe. 3:10). Ankehitriny àry dia inona no hitan'ny anjely eo amintsika sy eo amin'ny fitondran-tenantsika ? Moa manome voninahitra an'Andriamanitra ve ny fitondran-tenantsika ?

Tadidio fa ny fanetren-tena no lehibe indrindra amin'ny fahamendrehana rehetra. Ny fanetren-tena dia manaiky fa ny maha-isika antsika sy izay ananantsika rehetra dia fanomezana avy amin'Andriamanitra avokoa. Ny fanetren-tena dia mahatonga antsika hanome lanja sy hanambony ny olombelona rehetra, indrindra ireo osa, ireo tsy nahita fianarana, ireo sembana ary ireo mahantra. Eo amin'io tany fambolena fanetren-tena io ihany no afaka mitombo ny voan'ny Fanahy Masina sy ny fahamendrehan'i Kristy. Noho izany dia tsy maintsy mandini-tena tsy tapaka ianao, hahazoanao antoka fa tsy misy poizin'ny fanambonian-tena na poizin'ny filan-dera na poizin'ny fangalarana ny voninahitra tokony ho an'Andriamanitra afaka hiditra akory ao am-ponao na rahoviana na rahoviana. Saintsaino lalina ny fanetren-tenan'i Jesosy. Izany no fananarana lehibe indrindra ataoko ho anareo.

Hoy Jesosy tamin'ireo mpianany fitopolo lahy, « Aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo » (Lioka 10:20). Tsy tokony hifaliantsika ( a) ny maha-isika antsika ; (b) ny zavatra vitantsika ; na (c) ny zavatra azontsika atao . Fa ny tokony hifaliantsika dia (a) ny maha-Izy ny Tompo ; (b) ny zavatra nataon'ny Tompo ; ary (c) ny zavatra mbola hataon'ny Tompo . Rehefa faly amin'ny zavatra vitantsika isika dia isika ihany no mahazo voninahitra ka mahatonga antsika hanambony tena mihoatra noho ny mpino hafa izany. Izany dia toe-panahin'ny Fariseo. Raha izany no ataontsika dia « miravoravo amin'ny asan'ny tanantsika isika » (Asa 7:41). Na asa fandroahana demonia izany, na asa fanasitranana ny marary, na fitoriana ny Tenin'Andriamanitra, na fanoratana lahatsoratra, na fandraisam-bahiny, na fandrahoana sakafo matsiro, na familiana fiara izaitsizy, na fanatanterahana asa aman-draharaha tsy misy toa azy sy ny sisa. Marobe ny fomba hahazoantsika voninahitra. Kanefa fanompoan-tsampy daholo izany. Rehefa tsy mifaly afa-tsy amin'izay nataon'Andriamanitra kosa anefa isika, dia mitahiry antsika ao amin'ny fanetren-tena izany, mitovy tantana amin'ny mpino hafa rehetra isika, ary dia azo aorina amin'izay ny Tenan'i Kristy.