WFTW Body: 

Ireto avy ireo fangatahana telo voalohany nampianarin'i Jesosy antsika : "Hohamasinina anie ny Anaranao", "Ho tonga anie ny fanjakanao" ary "Hatao anie ny sitraponao". Mariho tsara fa mikasika an'Andriamanitra avokoa ireo. Ny olombelona mantsy dia mpanao ny tenany ho ivon'ny fiainany. Zavatra nolovaintsika tamin'i Adama ny fanaovantsika ny tenantsika ho andriamanitra kely ka ny tenantsika aloha no heverintsika voalohany indrindra ary matetika dia ny tenantsika ihany. Izaho, ny tenako ary ny vady aman-janako, izay ihany no zavatra heverin'ny ankamaroan'ny olona. Na dia efa niova fo aza izy dia mbola hoe izaho sy ny vady aman-janako ihany. Rehefa mandray an'i Kristy izy dia tsy mieritreritra afa tsy ny hoe ahoana izao ny fomba hitahian'i Kristy ny tenany sy ny vady aman-janany. Tsy fivavahana kristiana izany. Tonga Jesosy mba hanafaka antsika amin'izany fiainana manao ny tena ho ivo izany, izay fototry ny fahoriana sy ny sorisory rehetra.

Ny mahatonga ny ankamaroan'ny kristiana tsy mahay mifaly mandrakariva dia satria manao ny tenany ho andriamanitra kely izy. Rehefa tsara ny mitranga eo amin'ny fiainany dia faly izy, ary rehefa tsy arakaraky ny anampoizany azy ny zava-miseho, ohatra hoe tsy azony ilay fisondrotana nantenainy, dia very ny fifaliany. Fa nahoana e ? Mbola Andriamanitra foana anie no eo amin'ny seza fiandrianana e, mbola voavela foana anie ny helokao e, mbola resy foana anie ny devoly e ! Tsy afaka mifaly ianao satria tsy azonao ny zavatra nirinao. Tonga Jesosy hanafaka antsika amin'ny fiainana manao ny tena ho ivo izay fototry ny olana rehetra atrehintsika.

Afaka mangataka sakafo ve isika ? Afaka mihitsy. Ao amin'ny Matio 6:11 dia nampianatra antsika hivavaka i Jesosy hoe "Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay". Tafiditra ao anatin'izany "hanina sahaza" izany ny sakafo, ny fitafiana, ny trano fialofana ary ny fanabeazana ny ankizy satria tsy maintsy ampianarina ny ankizy mba hahita asa mba hahazoany ny hanina sahaza ho azy. Tsy misy maharatsy ny mangataka ireo zavatra ireo. Ny hoe "Mamelà ny helokay" sy "Manafaha anay amin'ny ratsy" dia fangatahana tsara ihany koa, kanefa ireo fangatahana anankitelo mikasika antsika ireo dia atao aorian'ny fikatsahana ny anaran'Andriamanitra, ny fanjakan'Andriamanitra ary ny voninahitr'Andriamanitra. Ovain'i Jesosy ny laharam-pahamehantsika.

Ny tena fomba fivavaka dia izao : atao lohalaharana ao an-tsaina ny fanjakan'Andriamanitra, ny anaran'Andriamanitra ary ny sitrapon'Andriamanitra. Raha lazaina tsotra dia izao, tsy maintsy ovaiko tanteraka ny fomba fisainako manontolo ka manomboka izao rehefa mivavaka aho dia mieritreritra ny momba ny anaran'Andriamanitra, ny fanjakan'Andriamanitra ary ny voninahitr'Andriamanitra foana. Izany no olona tena kristiana ara-panahy. Ny olona rehetra na iza na iza dia afaka mamerina io vavaka io, eny na dia ny boloky aza. Kanefa ny olona ara-panahy ihany no afaka manao an'io vavaka io amin'ny fony manontolo satria ny olona ara-panahy ihany no afaka milaza amim-pahatsorana fa ny zavatra mahasarotiny azy indrindra eo amin'ny fiainany dia ny fahamasinan'ny anaran'Andriamanitra eo amin'ny taniny, ao am-piangonana ary ao aminy sy ao amin'ny ankohonany.

"Ho tonga tsy ho ela anie ny fanjakan'Andriamanitra. Ho voaorina ao am-piangonana anie ny didin'Andriamanitra. Ho tontosa eo amin'ny fiainako sy ny fiainan'ny fianakaviako anie ny sitrapon'Andriamanitra na aiza na aiza". Izany no marika hamantarana ny olona ara-panahy. Aza mihevitra ny tenanao ho ara-panahy raha tsy ireo zavatra anankitelo ireo no faniriana ambony indrindra ao am-ponao. Ny ankoatr'izany dia zava-poana raha mbola ny tenanao no ivon'ny fiainanao. Maro ireo olona rehefa avy niova fo, satria mbola ny tenany foana no ivon'ny fiainany, dia alainy i Jesosy hiodinkodina manodidina azy mba hanompo azy, izany hoe hamela ny helony, hamaly ny vavaka ataony, hitahy azy, hanambina ny fiainany ary hanasitrana ny aretiny. Tsy fivavahana kristiana izany. Fiainana manao ny tena ho andriamanitra kely izany saingy notsofohana fivavahana fotsiny. Rehefa tena tonga ao anatintsika tokoa Kristy dia miodina miala (mibebaka) amin'ilay fanaovana ny tena ho ivo isika ary manao an'Andriamanitra ho ivon'ny fiainantsika.

Ao amin'ireo fangatahaka telo mikasika antsika, amin'ny faran'io vavaka nampianarin'ny Tompo io dia marina fa miresaka zavatra ara-nofo i Jesosy (Omeo anay izay hanina sahaza ho anay), kanefa izany dia ampiarahiny amin'ilay hoe "Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra". Izao no tiany holazaina "Raiko ô, eo amin'ny fiainako dia te hanao ny sitraponao ety an-tany aho tahaka ny anaovan'ireo anjely ny sitraponao any an-danitra, amin'ny fankatoavany Anao eo no ho eo. Ary mba hahafahako manao ny sitraponao dia mila fahasalamana aho, koa omeo ahy anio ny hanina sahaza ho ahy". Moa ve ianao mangataka ny hanina sahaza ho anao anio mba hanaovanao ny sitrapon'Andriamanitra, sa mba hanaovanao ny sitraponao ? Mba hanotanao ve sa mba hanaovanao izay mahalafy an'Andriamanitra ? Izao no vavaka tokony ataontsika "Omeo ahy anio ny hanina sahaza ho ahy hananako fahasalamana sy tanjaka hivelomako ho an'Andriamanitra".

Ny zavatra anankiray tokony homarihina ao amin'io vavaka iray manontolo io dia izao : tsy misy mihitsy ny hoe "izaho" sy "ahy". Tsy mahavariana ve hoe ao amin'ny vavaka ataontsika dia miverina matetika mihitsy ny hoe "izaho" sy "ahy", kanefa ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia tsy misy an'ireo teny ireo akory. Hoy Izy "Omeo anay", izany hoe "Tsy ho ahy irery Tompo, fa ho an'ireo rahalahiko koa, mila ny hanina sahaza ho azy koa izy ireo". "Mamelà ny helokay", izany hoe "aza izaho irery no avela heloka, avelao koa ny helok'ireo rahalahiko". "Manafaha anay…". Ny olona tena ara-panahy dia Andriamanitra no ivon'ny fiainany ary rehefa mieritreritra ny tenany izy dia tsy ny tenany irery no saintsaininy amin'izany fa ny olona manodidina azy koa, izany hoe ireo olona ao amin'ny fianakaviamben'Andriamanitra. Satria Andriamanitra dia Rain'ny fianakaviana lehibe dia lehibe, mihevitra ny hafa koa Izy.

Izao ny filaharana tokony arahina : Kristy aloha voalohany ary avy eo dia ny hafa mbamin'ny tenako, fa tsy hoe ny tenako irery. Izany no fomba fivavaky ny olona ara-panahy, tsy mivavaka ho an'ny zavatra ilain'ny tenany irery. Eny, miahy ny zanany izy kanefa miahy ny zanaky ny hafa koa. Tsy ataony tsinontsinona ireny. Tsy vitantsika olombelona ny tena misahirana amin'ny zanaky ny hafa tahaka ny fisahiranantsika amin'ny zanatsika. Tsy maintsy lazaina ny marina kanefa tsy maintsy miantra azy ireny isika. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

"Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay". Fangatahana tena mafonja io. Io no fangatahana mbola averin'i Jesosy any amin'ny faran'ny vavaka. Hoy Izy ao amin'ny Matio 6:14 "Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra". Tena zava-dehibe mihitsy ny ahatakarantsika an'io fepetra io satria Jesosy mihitsy no efa nametraka azy : raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. Marina ve izany sa tsia ?

Moa ve Andriamanitra mandà tsy hamela ny helokao raha tsy namela ny heloky ny hafa ianao ? Izany dia izany tokoa. Tsy hamela ny helokao Izy raha tsy namela ny heloky ny hafa ianao. Tadidio tsara izany. Fitsipika fototra amin'ny fitondran'Andriamanitra ny olona izany. Izany hoe izay ataontsika amin'ny hafa no hataon'Andriamanitra amintsika koa. Raha miantra olona isika dia hiantra antsika Andriamanitra. Raha mamela ny heloky ny hafa ianao dia hamela ny helokao Andriamanitra. Efa hitantsika tao amin'ny Matio 5:7 hoe "Sambatra ny miantra ; fa izy no hiantrana". Eto isika dia afaka milaza hoe : sambatra ny mamela heloka fa izy no havela heloka ; ary ireo tsy mamela heloka dia tsy havela ny helony.

Indray mandeha Jesosy dia nilaza tantara momba izany mba hampahazava azy tsara ao amin'ny Matio 18:21-35. Fanoharana tena manan-danja be io ary tsy maintsy azontsika tsara. Nisy mpanjaka anankiray nanana mpanompo marobe ary ireo mpanompo rehetra ireo dia samy nanan-trosa be tamin'ilay mpanjaka avokoa, izany hoe trosa be tsy ho voaveriny na oviana na oviana. Ny anankiray tamin'ireo dia nanana trosa iray alina talenta, mitovy amin'ny dimy lavitrisa (5 000 000 000) ariary. Tsy ho voaloany na oviana na oviana izany. Namindra fo taminy ny mpanjaka ary namela azy. Dia lasa io lehilahy nahazo famelana io ary nahita lehilahy anankiray nananany vola dimy arivo. Noraisiny teo amin'ny tendany iny ary nitenenany hoe "Raha tsy aloanao ny trosako dia hotoriko any amin'ny fitsarana ianao ary hogadraiko" ary tena nataony tokoa izany. Rehefa hitan'ny mpanompo sasany izany dia notateriny tany amin'ny mpanjaka. Dia nantsoin'ny mpanjaka ilay mpanompo ka hoy izy "Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao satria nifona tamiko hianao. Moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao ?" Dia tezitra mafy ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.

Raha lazaina tsotra dia izao, io trosa izay efa nofoanana io dia nokaontiana hoe trosa mbola haloa indray. Ahoana no hanazavana an'izany ? Moa ve Andriamanitra izay mamela heloka manatsingerina heloka indray ? Moa ve averiny eo an-dohantsika indray ny fahotana efa navelany ? Araka ny voalazan'io andininy io dia eny. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe Andriamanitra efa nanadino ny fahotantsika. Hoy Andriamanitra " Tsy ho tsarovako intsony ny fahotanao", ny dikany dia hoe "Tsy hanamelohako anao ny fahotanao".

Tsy misy andinin-tSoratra Masina milaza fa manadino tanteraka Andriamanitra. Izaho manokana dia tsy mahay manadino ny fahotana vitako, koa ahoana moa no hanadinoan'Andriamanitra ireny ? Tsia, fantany ireny fa tsy anamelohany antsika fotsiny. Io fanoharana io dia mampianatra hoe raha mamela ny heloky ny hafa ianao dia hamela anao Andriamanitra ary raha tsy mamela heloka ianao dia tsy hamela ny helokao Andriamanitra.

Ary ny fangatahana farany dia hoe "Aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy". Inona no dikan'izany ? Andriamanitra tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika (1Korintiana 10:13), kanefa tsara ny mivavaka tahaka izany satria tsara ny miaiky fa misy fakam-panahy sasany mihoatra lavitra noho izay zakantsika. Fantatsika fa tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika Andriamanitra kanefa tsy maintsy mivavaka isika mba tsy ho lavon'ny fakam-panahy mahery loatra amintsika. "Fa manafaha ahy amin'ny ratsy". Amim-panetrentena no anehoako ny fahalemeko hoe "Tsy haiko ny mandresy an'ity fakam-panahy ity. Tsy ampy hery aho handreseko azy. Koa Tompo ô, Raiko ô, miangavy aho aza mitondra ahy amin'ny fakam-panahy mahery loatra". Rehefa mivavaka tahaka izany aho dia maneho ny tsi-fananako hery sy ny tsi-fahavitako tena. Izany no toe-panahy tsara tokony ananana manoloana ny fakam-panahy.

Tsy tokony hihevitra isika fa matanjaka be ka tsy mety resin'ny fakam-panahy. Izany no mahatonga ny maro tsy maharesy fahotana. Ny antony mahatonga ny ankamaroan'ny kristiana lavom-pahotana dia noho ny fahatokisan-tena tafahoatra. Mihevitra izy fa ampy ny heriny, izany hoe resy lahatra izy fa rehefa be ny fikasana tsara sy ny fikirizana dia ampy izay. Tsia, tsy ampy izany. Tsy maintsy miaiky isika hoe "Tompo ô, aza mitondra ahy any amin'ny fakam-panahy mahery loatra, ary rehefa miatrika fakam-panahy aho dia manafaha ahy amin'ny ratsy, satria raha izaho irery tsy afaka mandresy ny ratsy". Raha mba ekentsika mantsy fa mahery lavitra noho isika ny ratsy, na dia amin'ny resaka famelana ny heloky ny hafa fotsiny aza, dia hivavaka tahaka izay ampianarin'i Jesosy antsika eto isika. Raha sarotra aminao ny mamela ny heloky ny olona anankiray, ohatra hoe nisy olona nahavanon-doza taminao na tamin'ny ankohonanao ary tena sarotra aminao ny mamela an'iny olona iny noho ny ratsy nataony, dia afaka mangataka ny fahasoavan'Andriamanitra ianao. Lazao hoe "Tompo ô, ampio aho re, esory amiko ity zava-dratsy tsy mahay mamela heloka ity. Tsy manana hery hamelana ny fahadisoan'iny olona iny aho kanefa mangataka Aminao aho hanampy ahy hanaovako izany".

Ny vavaka dia fanehoana ny fahalemena sy ny fiankinana tanteraka amin'Andriamanitra. Ary ny finoana dia fahatokiana fa hanampy ahy Andriamanitra satria Izy no Raiko Izay any an-danitra, Izy no naniraka ny Zanany ho faty hamonjy ahy ho afaka amin'ny fahotako rehetra. Hoy ny Romana 8:32 " Raha natolony ny Zanani-lahy hamonjy anao ho afaka amin'ny fahotanao rehetra, tsy mainka va ny zavatra rehetra izay ilainao no homeny anao miaraka Aminy koa !"

Izao no famaranana ny vavaka ao amin'ny Matio 6:13 "Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena".

Tena zava-dehibe ny amaranantsika ny vavaka tahaka izany ka ilazantsika hoe "Tompo ô, farany, rehefa avy namaly ny fivavako Ianao ary nanatontosa izay rehetra nangatahiko taminao, dia te-hanaiky aho fa Anao ny fanjakana ary Anao ny hery. Tsy manana hery hahavitako miaina fiainana tahaka izany aho. Tsy manana hery handresena ny ota aho. Anao ny hery. Ary rehefa mandresy ny ota aho dia ho Anao koa ny voninahitra".

Avy eo dia mifarana amin'ny hoe "Amena" ny vavaka, izay midika hoe "Ho tanteraka anie izany".