WFTW Body: 

Rehefa avy nampianarin'i Jesosy antsika tao amin'ny Matio 6:5-8 ny fomba tsy fivavaka, izany hoe tsy tahaka ny an'ny mpihatsaravelatsihy, tsy manao teny foana miverimberina, tsy manao vavaka lavabe, fa mino kosa hoe fantratry ny Raintsika izay ilaintsika, dia ambaran'i Jesosy amintsika avy eo ny fomba fivavaka. Rehefa nandinika ny kristiana aho dia voamariko fa vitsy dia vitsy ny olona no tena voakasik'ireo fanambarana tsotra nataon'i Jesosy ireo kanefa na ankizy aza dia mahatakatra azy. Nampianariny antsika ny fomba tsy fivavaka ary manao tsirambina an'izany ny ankamaroan'ny olona, nampianariny antsika koa ny fomba fivavaka kanefa mbola ataon'ny olona tsirambina ihany.

Tsy nanome antsika vavaka haverimberina fahatany Jesosy. Tsy misy maharatsy ny mamerina vavaka raha tena vokatry ny fo ny fehezanteny tsirairay. Kanefa lamina ihany no nampianarin'i Jesosy antsika mba handrindrantsika ny vavaka rehetra ataontsika.

Hoy Jesosy hoe rehefa mivavaka hianareo dia ataovy hoe "Rainay Izay any an-danitra". Ny zavatra voalohany lazain'i Jesosy dia hoe rehefa miresaka amin'Andriamanitra ianao dia antsoy hoe Ray Izy. Tsy nisy na olona iray aza tao amin'ny Testamenta taloha sahy niandrandra an'Andriamanitra ka niteny hoe "Ray ô". Ny vavaka tao amin'ny Testamenta taloha dia tahaka izao foana "Andriamanitra ô, Jehovah Tsitoha ô, sy ny sisa …" satria Andriamanitra no PDG na Tale jeneralin'izao rehetra izao ary ny vahoakany dia mpiasa keliny ao amin'ny orinasa. Tsy afaka miresaka amin'ny Tale jeneraly araka izay tianao ianao ! Fa ao amin'ny Fanekena vaovao kosa dia zanak'Andriamanitra isika ary tahaka ny ahafahan'ny zanaky ny Tale jeneraly miditra ny biraon'ny dadany sy miantso azy hoe "Dada" no tokony hahatakarantsika koa ny tombontsoantsika amin'ny maha zanak'Andriamanitra antsika. Tena hafa tanteraka mihitsy !

Marina anefa fa ny ankamaroan'ny kristiana dia tsy miantso an'Andriamanitra hoe "Ray ô" fa antsoiny hoe "Andriamanitra ô". Tsy misy maharatsy an'izany akory. Andriamanitra Izy ary rariny ny iantsoana azy hoe Andriamanitra. Kanefa raha Andriamanitra fotsiny ihany no iantsoanao Azy fa tsy antsoinao hoe Ray koa Izy dia misy zavatra tsy mety.

Tao amin'ny Testamenta taloha dia nanana anarana Andriamanitra hoe Jehovah (na yahweh, tsy misy mahay manonona izany satria ny abidy hebreo dia tsy misy zanatsoratra). Raha ny amiko manokana dia tsy misy tokony iadian-kevitra akory ny amin'izany satria tsy miantso an'Andriamanitra hoe Jehovah na Yaveh aho ! Dada no iantsoako Azy.

Raiko Izy satria Jesosy dia nampianatra ahy hivavaka hoe "Rainay o". Ao amin'ny Romana toko faha-8 no ianarantsika fa ny Fanahy Masina dia miditra ao am-pontsika ary miantsoantso hoe "Aba, Ray ô" (Romana 8:15). Nefa raha mijery ireo fihirana sasany hirain'ny olona ianao, ohatra hoe "Mamy ny fitianao ry Jehovah Tomponay", dia miresaka amin'ny Rainy ve izy amin'izany ? Jehovah Izy kanefa mila mianatra miantso azy hoe Raintsika isika. Raha manatona ahy izao ny zanako ka miantso ahy hoe "Andriamatoa Poonen ô" dia hieritreritra mihitsy aho hoe misy olana ! Fa nahoana izy no miantso ahy hoe Andriamatoa Poonen ? Tokony hiantso ahy hoe Dada izy. Rehefa miresaka amin'Andriamanitra aho dia tsy miantso Azy hoe Jehovah na Yahweh na anarany aza izany. Hoy aho hoe "Ray" satria Raiko Izy. Efa lasa zanany aho.

Izany zava-marina hoe fahatongavana ho zanak'Andriamanitra izany dia tsy mahakasika loatra ny fon'ny kristiana maro, koa izany no mahatonga azy tsy hanokatra ny fony amin'ny Fanahy Masina. Rehefa mameno ny olona anankiray ny Fanahy Masina, ny zavatra voalohany ataony dia mitarika azy hiantso hoe "Aba, Ray", izay midika hoe "Dada". Mba efa nihatra taminao ve izany ? Tena zava-dehibe indrindra izany. Tsy ny olona akory no mamporisika anao hiteny an'izany. Tonga ho azy fotsiny ilay izy, hiaka anaty. Azo tsapain-tanana ao anaty izany rehefa miditra ao am-pon'ny olona anankiray ny Fanahy Masina, rehefa nateraka indray izy. Raha feno ny Fanahy Masina izy dia fantany marina tokoa fa Andriamanitra dia Rainy. Izany no zavatra manan-danja indrindra eo amin'ny fiainana kristiana, izany hoe mahafantatra an'Andriamanitra ho Ray sy miantso Azy hoe Ray. Azonao antsoina hoe Tompo Izy, azonao antsoina hoe Andriamanitra. Kanefa ny fomba fivavaka tokony omenao vahana indrindra dia ny miantso ny Rainao hoe "Aba Ray ô".

Tsy hoe "Rainay" ihany fa asain'i Jesosy mivavaka isika hoe "Rainay Izay any an-danitra". Tsy mivavaka amin'ny Ray ety an-tany isika. Mety hoe tena tia ahy tokoa ny raiko ety an-tany kanefa rehefa ao anatin'ny ady sarotra dia mety tsy afaka manampy ahy izy. Ny Raiko any an-danitra kosa dia tsitoha ny heriny, Izy no manjaka amin'izao tontolo rehetra izao. Mahery lavitra noho ny Praiministra indiana izy ! Eritrereto hoe Praiministra ny rainao. Raha misy olana dia miantso azy fotsiny ianao ary milaza ny olanao. Kanefa ny Rainao Izay any an-danitra dia manampahefana lavitra noho ny olona rehetra na iza na iza eto amin'izao tontolo izao. Koa nahoana ianao no tsy mankany Aminy miaraka amin'ny olanao ?

Vao ao amin'ny fehezanteny voalohany amin'io vavaka io dia efa miezaka mametraka ny fototry ny finoana i Jesosy. Ny fehezanteny hoe "Rainay Izay any an-danitra" dia mampahafantatra ahy mazava tsara alohan'ny hanombohako mivavaka fa ilay Raiko any an-danitra, ilay Raiko tena tia ahy no iresahiko eto. Io Ray io dia any an-danitra ary tsitoha ny heriny. Ireo fahamarinana anankiroa ireo hoe tia ahy loatra Andriamanitra ary koa hoe tsitoha ny heriny no iorenan'ny finoako. Afaka mamaha ny olako rehetra Izy, tsy misy tsy hainy atao, ary tia ahy loatra Izy. Izany no tena fototry ny finoana mafy sy mateza indrindra.

Ireo fangatahana enina manarakaraka raha mandinika tsara ianao dia ho voamarikao fa ny telo voalohany dia fangatahana mikasika an'Andriamanitra. Rehefa mivavaka amin'Andriamanitra ianao dia inona no zavatra angatahinao voalohany indrindra ? Ho hitanao fa saika zavatra ho an'ny tenanao na ny ankohonanao foana. "Tompo o tsy ampy an'izao izahay" na "Sitrano ny aretin-damosiko" na "Omeo asa aho" na "Karakarao ireo zanako ireo: omeo asa, omeo tokantrano" sy ny sisa. Tsy mahadiso antsika ny mangataka an'izany. Tena azontsika atao tokoa ny mivavaka hahazoantsika an'ireny zavatra ireny. Tian'Andriamanitra hangataka aminy isika raha misy zavatra kely ilaintsika na zavatra tsy misy dikany aza. Ohatra hoe tsy hitanao ny nanaovanao ny lakilenao dia afaka mangataka amin'Andriamanitra ianao hanampy anao.

Azonao atao ny mangataka na inona na inona amin'Andriamanitra na zavatra kely na zavatra lehibe kanefa inona no ataonao laharam-pahamehana ? Lazain'i Jesosy hoe rehefa mivavaka ianao dia Andriamanitra sy ny zavatra tadiavin'Andriamanitra no tsy maintsy ataonao laharam-pahamehana. Izany no dikan'ny hoe "Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra". Hoy Jesosy ao amin'ny Matio 6:33 "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany". Azonao angatahina ireny kanefa ny fanjakan'Andriamanitra no ataovy lohalaharana. Izany no làlan'Andriamanitra.

Lazain'i Jesosy fa ny zavatra angatahintsika voalohany dia tsy maintsy hoe "Rainay Izay any an-danitra ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Aza miraharaha izay lazain'ny olona momba ny anarako Ianao Ray ô. Tsy misy dikany izany satria ny laza amam-boninahitro dia taimboraka". Moa ve ny anaranao sy ny lazanao no mahasarotiny anao kokoa noho ny anaran'Andriamanitra ? Raha izany dia tsy araka ny fampianarin'i Jesosy ny fomba fivavakao. Eritrereto hoe misy olona manala baraka anao na manala baraka ny zanakaovavy. Manelingelina kokoa ny sainao noho ny fanalam-baraka ny anaran'i Jesosy eo amin'ny tany misy anao ve izany ? Tsy mampaninona anao akory ny mahita kristiana miady an-trano sy manao hadalana maro manala baraka ny anaran'i Jesosy. Raha tsy manelingelina ny sainao akory izany dia mampanontany tena na Rainao marina ny fiheveranao an'Andriamanitra na tsia. Raha ny fikitikitihana ny anaranao na ny anaran'ny fianakavianao na ny zanakao (izay lazain'ny olona mikasika azy ireny) no mahasarotiny anao dia mila mampitodika ny fisainanao ianao ary mampifantoka azy any amin'Andriamanitra.

Tena nataon'i Jesosy zava-dehibe mihitsy ny vavaka. Jesosy mihitsy no milaza ao amin'ny Lioka 18:1 fa tsy maintsy mivavaka mandrakariva isika ka tsy mitsahatra, ka tsy reraka. Fanoharana anankiroa ihany no nolazain'i Jesosy mikasika ny vavaka ary ao amin'izy roa ireo dia asainy mikely aina isika. Ny anankiray dia ilay vehivavy mpitondra tena nanatona mpitsara ao amin'ny Lioka 18:1-8 ka tsy nijanona nangataka mandra-pahazony rariny tamin'ilay nanana ady taminy. Ny vavaka nataony dia vavaka handresena an'i Satana sy ny filàn'ny nofo. Ny fanoharana faharoa dia ao amin'ny Lioka 11:5-13 izay iresahan'i Jesosy ny fangatahana mofo any amin'Andriamanitra, fangatahana hery sy fanomezam-pahasoavana hanampiana izay olona mila vonjy manatona antsika. Tao amin'ireo fanoharana anankiroa ireo dia ny fikelezana aina no tena navoitra. Tsy nitsahatra nandondona ilay olona mandra-pahazoany mofo. Ny votoatin'ny fampianaran'i Jesosy mikasika ny vavaka dia izao : aza mitsahatra mihitsy ! Andriamanitra dia Rainao : hanome izay ilainao Izy, handresy ny fahavalonao Izy ary homeny anao izay zavatra rehetra hahafahanao mitahy ny hafa. Tsy maintsy mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny finoana isika ary mino fa hanome izay angatahintsika Izy ho voninahitry ny Anarany. Amena.